Malagasy

Amharic: New Testament

Galatians

5

1Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
1በነጻነት ልንኖር ክርስቶስ ነጻነት አወጣን፤ እንግዲህ ጸንታችሁ ቁሙ እንደ ገናም በባርነት ቀንበር አትያዙ።
2[Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
2እነሆ፥ እኔ ጳውሎስ እላችኋለሁ። ብትገረዙ ክርስቶስ ምንም አይጠቅማችሁም።
3Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
3ሕግንም ሁሉ እንዲፈጽም ግድ አለበት ብዬ ለሚገረዙት ሁሉ ለእያንዳንዶች ደግሜ እመሰክራለሁ።
4Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
4በሕግ ልትጸድቁ የምትፈልጉ ከክርስቶስ ተለይታችሁ ከጸጋው ወድቃችኋል።
5Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. [ Na: fanantenan']
5እኛ በመንፈስ ከእምነት የጽድቅን ተስፋ እንጠባበቃለንና።
6Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
6በክርስቶስ ኢየሱስ ሆኖ፥ በፍቅር የሚሠራ እምነት እንጂ መገረዝ ቢሆን ወይም አለመገረዝ አይጠቅምምና።
7Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
7በመልካም ትሮጡ ነበር፤ ለእውነት እንዳትታዘዙ ማን ከለከላችሁ?
8Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
8ይህ ማባበል ከሚጠራችሁ አልወጣም። ጥቂት እርሾ ሊጡን ሁሉ ያቦካል።
9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
9የተለየ ነገር ከቶ እንዳታስቡ እኔ በጌታ ስለ እናንተ ታምኜአለሁ፤ የሚያናውጣችሁ ማንም ቢኖር ግን ፍርዱን ሊሸከም ነው።
10Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11ነገር ግን፥ ወንድሞች ሆይ፥ እኔ ገና እስከ አሁን መገረዝን ብሰብክ እስከ አሁን ድረስ ለምን ያሳድዱኛል? እንኪያስ የመስቀል ዕንቅፋት ተወግዶአል።
11Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12የሚያውኩአችሁ ይቆረጡ።
12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo. [ Na: hanakilema tena]
13ወንድሞች ሆይ፥ እናንተ ለአርነት ተጠርታችኋልና፤ ብቻ አርነታችሁ ለሥጋ ምክንያትን አይስጥ፥ ነገር ግን በፍቅር እርስ በርሳችሁ እንደ ባሪያዎች ሁኑ።
13Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
14ሕግ ሁሉ በአንድ ቃል ይፈጸማልና፥ እርሱም። ባልንጀራህን እንደ ራስህ ውደድ የሚል ነው።
14Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
15ነገር ግን እርስ በርሳችሁ ብትነካከሱ ብትበላሉ እርስ በርሳችሁ እንዳትጠፋፉ ተጠንቀቁ።
15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16ነገር ግን እላለሁ፥ በመንፈስ ተመላለሱ፥ የሥጋንም ምኞት ከቶ አትፈጽሙ።
16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
17ሥጋ በመንፈስ ላይ መንፈስም በሥጋ ላይ ይመኛልና፥ እነዚህም እርስ በርሳቸው ይቀዋወማሉ፤ ስለዚህም የምትወዱትን ልታደርጉ አትችሉም።
17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18በመንፈስ ብትመሩ ግን ከሕግ በታች አይደላችሁም።
18Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
19የሥጋ ሥራም የተገለጠ ነው እርሱም ዝሙት፥ ርኵሰት፥
19Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20መዳራት፥ ጣዖትን ማምለክ፥ ምዋርት፥ ጥል፥ ክርክር፥ ቅንዓት፥ ቁጣ፥ አድመኛነት፥
20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21መለያየት፥ መናፍቅነት፥ ምቀኝነት፥ መግደል፥ ስካር፥ ዘፋኝነት፥ ይህንም የሚመስል ነው። አስቀድሜም እንዳልሁ፥ እንደዚህ ያሉትን የሚያደርጉ የእግዚአብሔርን መንግሥት አይወርሱም።
21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
22የመንፈስ ፍሬ ግን ፍቅር፥ ደስታ፥ ሰላም፥ ትዕግሥት፥ ቸርነት፥ በጎነት፥ እምነት፥ የውሃት፥ ራስን መግዛት ነው።
22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23እንደዚህ ያሉትን የሚከለክል ሕግ የለም።
23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24የክርስቶስ ኢየሱስም የሆኑቱ ሥጋን ከክፉ መሻቱና ከምኞቱ ጋር ሰቀሉ።
24Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
25በመንፈስ ብንኖር በመንፈስ ደግሞ እንመላለስ።
25Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
26እርስ በርሳችን እየተነሣሣንና እየተቀናናን በከንቱ አንመካ።
26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.