Malagasy

Amharic: New Testament

Hebrews

8

1[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
1ከተናገርነውም ዋና ነገሩ ይህ ነው፤ በሰማያት በግርማው ዙፋን ቀኝ የተቀመጠ እንዲህ ያለ ሊቀ ካህናት አለን፤
2Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
2እርሱም የመቅደስና የእውነተኛይቱ ድንኳን አገልጋይ ነው፥ እርስዋም በሰው ሳይሆን በጌታ የተተከለች ናት።
3Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
3ሊቀ ካህናት ሁሉ መባንና መሥዋዕትን ሊያቀርብ ይሾማልና፤ ስለዚህም ለዚህ ደግሞ የሚያቀርበው አንዳች ሊኖረው የግድ ነው።
4Koa raha etỳ ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
4እንግዲህ በምድር ቢኖርስ፥ እንደ ሕግ መባን የሚያቀርቡት ስላሉ፥ ካህን እንኳ ባልሆነም፤
5dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
5እነርሱም ሙሴ ድንኳኒቱን ሊሠራ ሳለ እንደ ተረዳ፥ ለሰማያዊ ነገር ምሳሌና ጥላ የሚሆነውን ያገለግላሉ። በተራራው እንደ ተገለጠልህ ምሳሌ ሁሉን ታደርግ ዘንድ ተጠንቀቅ ብሎት ነበርና።
6Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
6አሁን ግን በሚሻል ተስፋ ቃል በተመሠረተ በሚሻል ኪዳን ደግሞ መካከለኛ እንደሚሆን በዚያ ልክ እጅግ የሚሻል አገልግሎት አግኝቶአል።
7Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa.
7ፊተኛው ኪዳን ነቀፋ ባይኖረው፥ ለሁለተኛው ስፍራ ባልተፈለገም ነበር።
8Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
8እነርሱን እየነቀፈ ይላቸዋልና። እነሆ፥ ከእስራኤል ቤትና ከይሁዳ ቤት ጋር አዲስ ኪዳን የምገባበት ወራት ይመጣል ይላል ጌታ፤
9Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
9ከግብፅ አገር አወጣቸው ዘንድ እጃቸውን በያዝሁበት ቀን ከአባቶቻቸው ጋር እንደገባሁት ኪዳን አይደለም፤ እነርሱ በኪዳኔ አልጸኑምና፥ እኔም ቸል አልኋቸው ይላል ጌታ።
10Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
10ከዚያ ወራት በኋላ ከእስራኤል ቤት ጋር የምገባው ቃል ኪዳን ይህ ነውና ይላል ጌታ፤ ሕጌን በልቡናቸው አኖራለሁ በልባቸውም እጽፈዋለሁ፥ እኔም አምላክ እሆንላቸዋለሁ እነርሱም ሕዝብ ይሆኑልኛል።
11Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra;
11እያንዳንዱም ጐረቤቱን እያንዳንዱም ወንድሙን። ጌታን እወቅ ብሎ አያስተምርም ከታናሹ ጀምሮ እስከ ታላቁ ድረስ ሁሉ ያውቁኛልና።
12Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34).Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
12ዓመፃቸውን እምራቸዋለሁና፥ ኃጢአታቸውንም ደግሜ አላስብም።
13Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
13አዲስ በማለቱ ፊተኛውን አስረጅቶአል፤ አሮጌና ውራጅ የሆነውስ ሊጠፋ ቀርቦአል።