1[Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
1አሁንም እናንተ ባለ ጠጎች፥ ስለሚደርስባችሁ ጭንቅ ዋይ ዋይ እያላችሁ አልቅሱ።
2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
2ሀብታችሁ ተበላሽቶአል፥ ልብሳችሁም በብል ተበልቶአል።
3Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo.
3ወርቃችሁም ብራችሁም ዝጎአል፥ ዝገቱም ምስክር ይሆንባችኋል ሥጋችሁንም እንደ እሳት ይበላል። ለኋለኛው ቀን መዝገብን አከማችታችኋል።
4Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
4እነሆ፥ እርሻችሁን ያጨዱት የሠራተኞች ደመወዝ በእናንተ ተቀምቶ ይጮኻል፥ የአጫጆችም ድምፅ ወደ ጌታ ፀባዖት ጆሮ ገብቶአል።
5Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.
5በምድር ላይ ተቀማጥላችኋል በሴሰኝነትም ኖራችኋል፤ ለእርድ ቀን እንደሚያወፍር ልባችሁን አወፍራችኋል።
6Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [ Na. Ilay marina . . . Izy]
6ጻድቁን ኰንናችሁታል ገድላችሁትማል፤ እናንተን አይቃወምም።
7[Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
7እንግዲህ፥ ወንድሞች ሆይ፥ ጌታ እስኪመጣ ድረስ ታገሡ። እነሆ፥ ገበሬው የፊተኛውንና የኋለኛውን ዝናብ እስኪቀበል ድረስ እርሱን እየታገሠ የከበረውን የመሬት ፍሬ ይጠብቃል።
8Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
8እናንተ ደግሞ ታገሡ፥ ልባችሁንም አጽኑ፤ የጌታ መምጣት ቀርቦአልና።
9Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
9ወንድሞች ሆይ፥ እንዳይፈረድባችሁ እርስ በርሳችሁ አታጉረምርሙ፤ እነሆ፥ ፈራጅ በደጅ ፊት ቆሞአል።
10Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
10ወንድሞች ሆይ፥ የመከራና የትዕግሥት ምሳሌ የሆኑትን በጌታ ስም የተናገሩትን ነቢያትን ተመልከቱ።
11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
11እነሆ፥ በትዕግሥት የጸኑትን ብፁዓን እንላቸዋለን፤ ኢዮብ እንደ ታገሠ ሰምታችኋል፥ ጌታም እንደ ፈጸመለት አይታችኋል፤ ጌታ እጅግ የሚምር የሚራራም ነውና።
12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
12ከሁሉም በፊት፥ ወንድሞቼ ሆይ፥ በሰማይ ቢሆን በምድርም ቢሆን በሌላ መሐላም ቢሆን በምንም አትማሉ፤ ነገር ግን ከፍርድ በታች እንዳትወድቁ ነገራችሁ አዎን ቢሆን አዎን ይሁን፥ አይደለምም ቢሆን አይደለም ይሁን።
13Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
13ከእናንተ መከራን የሚቀበል ማንም ቢኖር እርሱ ይጸልይ፤ ደስ የሚለውም ማንም ቢኖር እርሱ ይዘምር።
14Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [ Gr. presbytera] [ Gr. eklesia]
14ከእናንተ የታመመ ማንም ቢኖር የቤተ ክርስቲያንን ሽምግሌዎች ወደ እርሱ ይጥራ፤ በጌታም ስም እርሱን ዘይት ቀብተው ይጸልዩለት።
15ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
15የእምነትም ጸሎት ድውዩን ያድናል ጌታም ያስነሣዋል፤ ኃጢአትንም ሠርቶ እንደ ሆነ ይሰረይለታል።
16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
16እርስ በርሳችሁ በኃጢአታችሁ ተናዘዙ። ትፈወሱም ዘንድ እያንዳንዱ ስለ ሌላው ይጸልይ፤ የጻድቅ ሰው ጸሎት በሥራዋ እጅግ ኃይል ታደርጋለች።
17Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
17ኤልያስ እንደ እኛ የሆነ ሰው ነበረ፥ ዝናብም እንዳይዘንብ አጥብቆ ጸለየ፥ በምድርም ላይ ሦስት ዓመት ከስድስት ወር አልዘነበም፤ ሁለተኛም ጸለየ፥
18Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
18ሰማዩም ዝናብን ሰጠ ምድሪቱም ፍሬዋን አበቀለች።
19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
19ወንድሞቼ ሆይ፥ ከእናንተ ማንም ከእውነት ቢስት አንዱም ቢመልሰው፥
20aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
20ኃጢአተኛን ከተሳሳተበት መንገድ የሚመልሰው ነፍሱን ከሞት እንዲያድን፥ የኃጢአትንም ብዛት እንዲሸፍን ይወቅ።