Malagasy

Amharic: New Testament

Luke

12

1Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]
1በዚያን ጊዜ የሕዝብ አእላፍ እርስ በርሳቸው እስኪረጋገጡ ድረስ ተሰብስበው ሳሉ፥ ለደቀ መዛሙርቱ እንዲህ ይል ጀመር። አስቀድማችሁ ከፈሪሳውያን እርሾ ተጠበቁ፥ እርሱም ግብዝነት ነው።
2Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
2ነገር ግን የማይገለጥ የተከደነ፥ የማይታወቅም የተሰወረ ምንም የለም።
3Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
3ስለዚህ በጨለማ የምትናገሩት ሁሉ በብርሃን ይሰማል፥ በእልፍኝም ውስጥ በጆሮ የምትናገሩት በሰገነት ላይ ይሰበካል።
4Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
4ለእናንተም ለወዳጆቼ እላችኋለሁ፥ ሥጋን የሚገድሉትን በኋላም አንድ ስንኳ የሚበልጥ ሊያደርጉ የማይችሉትን አትፍሩ።
5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[Gr. Gehena]
5እኔ ግን የምትፈሩትን አሳያችኋለሁ፤ ከገደለ በኋላ ወደ ገሃነም ለመጣል ሥልጣን ያለውን ፍሩ። አዎን እላችኋለሁ፥ እርሱን ፍሩ።
6Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
6አምስት ድንቢጦች በአሥር ሳንቲም ይሸጡ የለምን? ከእነርሱም አንዲቱ ስንኳ በእግዚአብሔር ፊት አትረሳም።
7Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
7ነገር ግን የእናንተ የራሳችሁ ጠጕር ሁሉ እንኳ የተቈጠረ ነው፤ እንግዲያስ አትፍሩ ከብዙ ድንቢጦች ትበልጣላችሁ።
8Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;
8እላችሁማለሁ፥ በሰው ፊት የሚመሰክርልኝ ሁሉ፥ የሰው ልጅ ደግሞ በእግዚአብሔር መላእክት ፊት ይመሰክርለታል፤
9Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
9በሰውም ፊት የሚክደኝ በእግዚአብሔር መላእክት ፊት ይካዳል።
10Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
10በሰው ልጅም ላይ ቃል የሚናገር ሁሉ ይሰረይለታል፤ መንፈስ ቅዱስን የሚሰድብ ግን አይሰረይለትም።
11Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
11ወደ ምኵራቦችና ወደ መኳንንቶችም ወደ ገዢዎችም ሲጐትቱአችሁ፥ እንዴት ወይም ምን እንድትመልሱ ወይም እንድትናገሩ አትጨነቁ፤
12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.
12መንፈስ ቅዱስ በዚያች ሰዓት ልትናገሩ የሚገባችሁን ያስተምራችኋልና።
13Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
13ከሕዝቡም አንድ ሰው። መምህር ሆይ፥ ርስቱን ከእኔ ጋር እንዲካፈል ለወንድሜ ንገረው አለው።
14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
14እርሱም። አንተ ሰው፥ ፈራጅና አካፋይ በላያችሁ አንድሆን ማን ሾመኝ? አለው።
15Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
15የሰው ሕይወት በገንዘቡ ብዛት አይደለምና ተጠንቀቁ፥ ከመጐምጀትም ሁሉ ተጠበቁ አላቸው።
16Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
16ምሳሌም ነገራቸው እንዲህ ሲል። አንድ ባለ ጠጋ ሰው እርሻ እጅግ ፍሬያም ሆነችለት።
17Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
17እርሱም። ፍሬዬን የማከማችበት ስፍራ አጥቻለሁና ምን ላድርግ? ብሎ በልቡ አሰበ።
18Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
18እንዲህ አደርጋለሁ፤ ጐተራዬን አፍርሼ ሌላ የሚበልጥ እሠራለሁ፥ በዚያም ፍሬዬንና በረከቴን ሁሉ አከማቻለሁ፤
19Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
19ነፍሴንም። አንቺ ነፍሴ፥ ለብዙ ዘመን የሚቀር ብዙ በረከት አለሽ፤ ዕረፊ፥ ብዪ፥ ጠጪ፥ ደስ ይበልሽ እላታለሁ አለ።
20Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
20እግዚአብሔር ግን። አንተ ሰነፍ፥ በዚች ሌሊት ነፍስህን ከአንተ ሊወስዱአት ይፈልጓታል፤ ይህስ የሰበሰብኸው ለማን ይሆናል? አለው።
21Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
21ለራሱ ገንዘብ የሚያከማች፥ በእግዚአብሔር ዘንድም ባለ ጠጋ ያልሆነ እንዲህ ነው።
22Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
22ለደቀ መዛሙርቱም እንዲህ አለ። ስለዚህ እላችኋለሁ፥ ለነፍሳችሁ በምትበሉት ወይም ለሰውነታችሁ በምትለብሱት አትጨነቁ።
23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
23ነፍስ ከመብል ሰውነትም ከልብስ ይበልጣልና።
24Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
24ቍራዎችን ተመልከቱ፤ አይዘሩም አያጭዱምም፥ ዕቃ ቤትም ወይም ጎተራ የላቸውም፥ እግዚአብሔርም ይመግባቸዋል፤ እናንተስ ከወፎች እንዴት ትበልጣላችሁ?
25Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza? [Na: ny halavan'ny tenany] [Gr. hakiho iray]
25ከእናንተ ተጨንቆ በቁመቱ ላይ አንድ ክንድ መጨመር የሚችል ማን ነው?
26Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
26እንግዲህ ትንሹን ነገር ስንኳ የማትችሉ ከሆናችሁ፥ ስለ ምን በሌላ ትጨነቃላችሁ?
27Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[ Karazan'ny lilia]
27አበቦችን እንዴት እንዲያድጉ ተመልከቱ፤ አይደክሙም አይፈትሉምም፤ ነገር ግን እላችኋለሁ፥ ሰሎሞንስ እንኳ በክብሩ ሁሉ ከእነዚህ እንደ አንዲቱ አለበሰም።
28Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
28እግዚአብሔር ግን ዛሬ ያለውን ነገም ወደ እቶን የሚጣለውን በሜዳ የሆነውን ሣር እንዲህ የሚያለብሰው ከሆነ፥ እናንተ እምነት የጐደላችሁ፥ እናንተንማ ይልቁን እንዴት?
29Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.[Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana]
29እናንተም የምትበሉትን የምትጠጡትንም አትፈልጉ፥ አታወላውሉም፤
30Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
30ይህንስ ሁሉ በዓለም ያሉ አሕዛብ ይፈልጉታልና፤ የእናንተም አባት ይህ እንዲያስፈልጋችሁ ያውቃል።
31Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]
31ዳሩ ግን መንግሥቱን ፈልጉ ይህም ሁሉ ይጨመርላችኋል።
32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
32አንተ ታናሽ መንጋ፥ መንግሥትን ሊሰጣችሁ የአባታችሁ በጎ ፈቃድ ነውና አትፍሩ።
33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
33ያላችሁን ሽጡ ምጽዋትም ስጡ፤ ሌባ በማይቀርብበት ብልም በማያጠፋበት በሰማያት የማያልቅ መዝገብ የሚሆኑትን የማያረጁትንም ኮረጆዎች ለራሳችሁ አድርጉ፤
34Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
34መዝገባችሁ ባለበት ልባችሁ ደግሞ በዚያ ይሆናልና።
35Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
35ወገባችሁ የታጠቀ መብራታችሁም የበራ ይሁን፤
36ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.
36እናንተም ጌታቸው መጥቶ ደጁን ሲያንኳኳ ወዲያው እንዲከፍቱለት ከሰርግ እስኪመለስ ድረስ የሚጠብቁ ሰዎችን ምሰሉ
37Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
37ጌታቸው በመጣ ጊዜ ሲተጉ የሚያገኛቸው እነዚያ ባሪያዎች ብፁዓን ናቸው፤ እውነት እላችኋለሁ፥ ታጥቆ በማዕድ ያስቀምጣቸዋል ቀርቦም ያገለግላቸዋል።
38Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
38ከሌሊቱም በሁለተኛው ወይም በሦስተኛው ክፍል መጥቶ እንዲሁ ቢያገኛቸው፥ እነዚያ ባሪያዎች ብፁዓን ናቸው።
39Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
39ይህን ግን እወቁ ባለቤት በምን ሰዓት ሌባ እንዲመጣ ቢያውቅ ኖሮ፥ በነቃ፥ ቤቱም እንዲቆፈር ባልፈቀደም ነበር።
40Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
40እናንተ ደግሞ ተዘጋጅታችሁ ኑሩ፥ የሰው ልጅ በማታስቡበት ሰዓት ይመጣልና።
41Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
41ጴጥሮስም። ጌታ ሆይ፥ ይህን ምሳሌ ለእኛ ወይስ ደግሞ ለሁሉ ትናገራለህን? አለው።
42Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
42ጌታም አለ። እንኪያስ ምግባቸውን በጊዜው ይሰጣቸው ዘንድ ጌታው በቤተ ሰዎቹ ላይ የሚሾመው ታማኝና ልባም መጋቢ ማን ነው?
43Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
43ጌታው መጥቶ እንዲህ ሲያደርግ የሚያገኘው ያ ባሪያ ብፁዕ ነው።
44Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
44እውነት እላችኋለሁ፥ ባለው ሁሉ ላይ ይሾመዋል።
45Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
45ያ ባሪያ ግን። ጌታዬ እስኪመጣ ይዘገያል ብሎ በልቡ ቢያስብ ሎሌዎችንና ገረዶችንም ይመታ ይበላም ይጠጣም ይሰክርም ዘንድ ቢጀምር፥
46dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[Na: hokapohiny mafy]
46የዚያ ባሪያ ጌታ ባልጠበቃት ቀን ባላወቃትም ሰዓት ይመጣል፥ ከሁለትም ይሰነጥቀዋል እድሉንም ከማይታመኑ ጋር ያደርጋል።
47Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
47የጌታውንም ፈቃድ አውቆ ያልተዘጋጀ እንደ ፈቃዱም ያላደረገ ያ ባሪያ እጅግ ይገረፋል፤
48Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
48ያላወቀ ግን መገረፍ የሚገባውንም ያደረገ ጥቂት ይገረፋል። ብዙም ከተሰጠው ሰው ሁሉ ከእርሱ ብዙ ይፈለግበታል፥ ብዙ አደራም ከተሰጠው ከእርሱ አብዝተው ይሹበታል።
49Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?[Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]
49በምድር ላይ እሳት ልጥል መጣሁ፥ አሁንም የነደደ ከሆነ ዘንድ ምን እፈልጋለሁ?
50Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
50ነገር ግን የምጠመቃት ጥምቀት አለችኝ፥ እስክትፈጸምም ድረስ እንዴት እጨነቃለሁ?
51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
51በምድር ላይ ሰላምንም ለመስጠት የመጣሁ ይመስላችኋልን? እላችኋለሁ፥ አይደለም፥ መለያየትን እንጂ።
52Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
52ከአሁን ጀምሮ በአንዲት ቤት አምስት ሰዎች ይኖራሉና፤ ሦስቱም በሁለቱ ላይ ሁለቱም በሦስቱ ላይ ተነሥተው ይለያያሉ።
53Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
53አባት በልጁ ላይ ልጅም በአባቱ ላይ፥ እናት በልጅዋ ላይ ልጅዋም በእናትዋ ላይ፥ አማት በምራትዋ ላይ ምራትም በአማትዋ ላይ ተነሥተው ይለያያሉ።
54Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
54ደግሞም ሕዝቡን እንዲህ አለ። ደመና ከምዕራብ ሲወጣ ባያችሁ ጊዜ፥ ወዲያው። ዝናብ ይመጣል ትላላችሁ፥ እንዲሁም ይሆናል፤
55Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
55በአዜብም ነፋስ ሲነፍስ። ትኩሳት ይሆናል ትላላችሁ፥ ይሆንማል።
56Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
56እናንት ግብዞች፥ የምድሩንና የሰማዩን ፊት ልትመረምሩ ታውቃላችሁ፥ ነገር ግን ይህን ዘመን የማትመረምሩ እንዴት ነው?
57Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina? [Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]
57ራሳችሁ ደግሞ ጽድቅን የማትፈርዱ ስለ ምን ነው?
58Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
58ከባላጋራህ ጋር ወደ ሹም ብትሄድ፥ ወደ ዳኛ እንዳይጐትትህ ዳኛውም ለሎሌው አሳልፎ እንዳይሰጥህ ሎሌውም በወኅኒ እንዳይጥልህ፥ ገና በመንገድ ሳለህ ከባላጋራህ እንድትታረቅ ትጋ።
59Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
59እልሃለሁ፥ የመጨረሻዋን ግማሽ ሳንቲም እስክትከፍል ድረስ ከዚያ ከቶ አትወጣም።