1Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
1መንግሥተ ሰማያት ለወይኑ አትክልት ሠራተኞችን ሊቀጥር ማልዶ የወጣ ባለቤት ሰውን ትመስላለችና።
2Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.
2ሠራተኞችንም በቀን አንድ ዲናር ተስማምቶ ወደ ወይኑ አትክልት ሰደዳቸው።
3Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
3በሦስት ሰዓትም ወጥቶ ሥራ የፈቱ ሌሎችን በአደባባይ ቆመው አየ፥
4ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
4እነዚያንም። እናንተ ደግሞ ወደ ወይኔ አትክልት ሂዱ የሚገባውንም እሰጣችኋለሁ አላቸው። እነርሱም ሄዱ።
5Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
5ደግሞም በስድስትና በዘጠኝ ሰዓት ወጥቶ እንዲሁ አደረገ።
6Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
6በአሥራ አንደኛውም ሰዓት ወጥቶ ሌሎችን ቆመው አገኘና። ሥራ ፈትታችሁ ቀኑን ሁሉ በዚህ ስለ ምን ትቆማላችሁ? አላቸው።
7Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.
7የሚቀጥረን ስለ አጣን ነው አሉት። እርሱም። እናንተ ደግሞ ወደ ወይኔ አትክልት ሂዱ የሚገባውንም ትቀበላላችሁ አላቸው።
8Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
8በመሸም ጊዜ የወይኑ አትክልት ጌታ አዛዡን። ሠራተኞችን ጥራና ከኋለኞች ጀምረህ እስከ ፊተኞች ድረስ ደመወዝ ስጣቸው አለው።
9Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
9በአሥራ አንደኛው ሰዓትም የገቡ መጥተው እያንዳንዳቸው አንድ ዲናር ተቀበሉ።
10Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
10ፊተኞችም በመጡ ጊዜ አብዝተው የሚቀበሉ መስሎአቸው ነበር፤ እነርሱም ደግሞ እያንዳንዳቸው አንድ ዲናር ተቀበሉ።
11Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
11ተቀብለውም። እነዚህ ኋለኞች አንድ ሰዓት ሠሩ፥ የቀኑንም ድካምና ትኩሳት ከተሸከምን ከእኛ ጋር አስተካከልሃቸው ብለው በባለቤቱ ላይ አንጐራጐሩ።
12Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
13እርሱ ግን መልሶ ከእነርሱ ለአንዱ እንዲህ አለው። ወዳጄ ሆይ፥ አልበደልሁህም በአንድ ዲናር አልተስማማኸኝምን?
13Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
14ድርሻህን ውሰድና ሂድ፤ እኔ ለዚህ ለኋለኛው እንደ አንተ ልሰጠው እወዳለሁ፤ በገንዘቤ የወደድሁትን አደርግ ዘንድ መብት የለኝምን?
14Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
15ወይስ እኔ መልካም ስለ ሆንሁ ዓይንህ ምቀኛ ናትን?
15Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
16እንዲሁ ኋለኞች ፊተኞች፥ ፊተኞችም ኋለኞች ይሆናሉ፤ የተጠሩ ብዙዎች፥ የተመረጡ ግን ጥቂቶች ናቸውና።
16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
17ኢየሱስም ወደ ኢየሩሳሌም ሊወጣ ሳለ፥ በመንገድ አሥራ ሁለቱን ደቀ መዛሙርት ብቻቸውን ወደ እርሱ አቅርቦ።
17Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
18እነሆ፥ ወደ ኢየሩሳሌም እንወጣለን፥ የሰው ልጅም ለካህናት አለቆችና ለጻፎች ይሰጣል፤ የሞት ፍርድም ይፈርዱበታል፥
18Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
19ሊዘባበቱበትም ሊገርፉትም ሊሰቅሉትም ለአሕዛብ አሳልፈው ይሰጡታል፥ በሦስተኛውም ቀን ይነሣል አላቸው።
19ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
20በዚያን ጊዜ የዘብዴዎስ ልጆች እናት ከልጆችዋ ጋር እየሰገደችና አንድ ነገር እየለመነች ወደ እርሱ ቀረበች።
20Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
21እርሱም። ምን ትፈልጊያለሽ? አላት። እርስዋም። እነዚህ ሁለቱ ልጆቼ አንዱ በቀኝህ አንዱም በግራህ በመንግሥትህ እንዲቀመጡ እዘዝ አለችው።
21Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
22ኢየሱስ ግን መልሶ። የምትለምኑትን አታውቁም። እኔ ልጠጣው ያለውን ጽዋ ልትጠጡ እኔም የምጠመቀውን ጥምቀት ልትጠመቁ ትችላላችሁን? አለ። እንችላለን አሉት።
22Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23እርሱም። ጽዋዬንስ ትጠጣላችሁ፤ በቀኝና በግራ መቀመጥ ግን ከአባቴ ዘንድ ለተዘጋጀላቸው ነው እንጂ እኔ የምሰጥ አይደለሁም አላቸው።
23Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
24አሥሩም ሰምተው በሁለቱ ወንድማማች ተቈጡ።
24Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
25ኢየሱስ ግን ወደ እርሱ ጠርቶ እንዲህ አላቸው። የአሕዛብ አለቆች እንዲገዙአቸው ታላላቆቹም በላያቸው እንዲሠለጥኑ ታውቃላችሁ።
25Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
26በእናንተስ እንዲህ አይደለም፤ ነገር ግን ማንም ከእናንተ ታላቅ ሊሆን የሚወድ የእናንተ አገልጋይ ይሁን፥
26Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
27ከእናንተም ማንም ፊተኛ ሊሆን የሚወድ የእናንተ ባሪያ ይሁን፤
27ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
28እንዲሁም የሰው ልጅ ሊያገለግል ነፍሱንም ለብዙዎች ቤዛ ሊሰጥ እንጂ እንዲያገለግሉት አልመጣም።
28Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
29ከኢያሪኮም ሲወጡ ብዙ ሕዝብ ተከተሉት።
29Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.
30እነሆም፥ ሁለት ዕውሮች በመንገድ ዳር ተቀምጠው፥ ኢየሱስ እንዲያልፍ በሰሙ ጊዜ። ጌታ ሆይ፥ የዳዊት ልጅ፥ ማረን ብለው ጮኹ።
30Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
31ሕዝቡም ዝም እንዲሉ ገሠጹአቸው፤ እነርሱ ግን። ጌታ ሆይ፥ የዳዊት ልጅ፥ ማረን እያሉ አብዝተው ጮኹ።
31Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
32ኢየሱስም ቆሞ ጠራቸውና። ምን ላደርግላችሁ ትወዳላችሁ? አለ።
32Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
33ጌታ ሆይ፥ ዓይኖቻችን ይከፈቱ ዘንድ አሉት።
33Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
34ኢየሱስም አዘነላቸውና ዓይኖቻቸውን ዳሰሰ፥ ወዲያውም አዩና ተከተሉት።
34Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.