1Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
1ወንድሞች ሆይ፥ የልቤ በጎ ፈቃድና ስለ እስራኤል ወደ እግዚአብሔር ልመናዬ እንዲድኑ ነው።
2Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
2በእውቀት አይቅኑ እንጂ ለእግዚአብሔር እንዲቀኑ እመሰክርላቸዋለሁና።
3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
3የእግዚአብሔርን ጽድቅ ሳያውቁ የራሳቸውንም ጽድቅ ሊያቆሙ ሲፈልጉ፥ ለእግዚአብሔር ጽድቅ አልተገዙም።
4Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
4የሚያምኑ ሁሉ ይጸድቁ ዘንድ ክርስቶስ የሕግ ፍጻሜ ነውና።
5Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).
5ሙሴ ከሕግ የሆነውን ጽድቅ የሚያደርገው ሰው በእርሱ በሕይወት እንዲኖር ጽፎአልና።
6Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
6ከእምነት የሆነ ጽድቅ ግን እንዲህ ይላል። በልብህ። ማን ወደ ሰማይ ይወጣል? አትበል፤ ይህ ክርስቶስን ለማውረድ ነው፤
7na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)
7ወይም። በልብህ። ወደ ጥልቁ ማን ይወርዳል? አትበል፤ ይህ ክርስቶስን ከሙታን ለማውጣት ነው።
8Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
8ነገር ግን ምን ይላል? በአፍህ በልብህም ሆኖ ቃሉ ቀርቦልሃል፤ ይህም የምንሰብከው የእምነት ቃል ነው።
9satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
9ኢየሱስ ጌታ እንደ ሆነ በአፍህ ብትመሰክር እግዚአብሔርም ከሙታን እንዳስነሣው በልብህ ብታምን ትድናለህና፤
10Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
10ሰው በልቡ አምኖ ይጸድቃልና በአፉም መስክሮ ይድናልና።
11Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
11መጽሐፍ። በእርሱ የሚያምን ሁሉ አያፍርም ይላልና።
12Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [Gr. Grika]
12በአይሁዳዊና በግሪክ ሰው መካከል ልዩነት የለምና፤ አንዱ ጌታ የሁሉ ጌታ ነውና፥ ለሚጠሩትም ሁሉ ባለ ጠጋ ነው፤
13Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
13የጌታን ስም የሚጠራ ሁሉ ይድናልና።
14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
14እንግዲህ ያላመኑበትን እንዴት አድርገው ይጠሩታል? ባልሰሙትስ እንዴት ያምናሉ? ያለ ሰባኪስ እንዴት ይሰማሉ?
15Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
15መልካሙን የምሥራች የሚያወሩ እግሮቻቸው እንዴት ያማሩ ናቸው ተብሎ እንደ ተጻፈ ካልተላኩ እንዴት ይሰብካሉ?
16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
16ነገር ግን ሁሉ ለምሥራቹ ቃል አልታዘዙም። ኢሳይያስ። ጌታ ሆይ፥ ምስክርነታችንን ማን አመነ? ብሎአልና።
17Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
17እንግዲያስ እምነት ከመስማት ነው መስማትም በእግዚአብሔር ቃል ነው።
18Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [ Na: filazantsara]
18ዳሩ ግን። ባይሰሙ ነው ወይ? እላለሁ። በእውነት። ድምፃቸው በምድር ሁሉ ላይ ቃላቸውም እስከ ዓለም ዳርቻ ወጣ።
19Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
19ነገር ግን። እስራኤል ባያውቁ ነው ወይ? እላለሁ። ሙሴ አስቀድሞ። እኔ ሕዝብ በማይሆነው አስቀናችኋለሁ በማያስተውልም ሕዝብ አስቆጣችኋለሁ
20Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
20ብሎአል። ኢሳይያስም ደፍሮ። ላልፈለጉኝ ተገኘሁ፥ ላልጠየቁኝም ተገለጥሁ አለ።
21Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
21ስለ እስራኤል ግን። ቀኑን ሁሉ ወደማይታዘዝና ወደሚቃወም ሕዝብ እጆቼን ዘረጋሁ ይላል።