Malagasy

Amharic: New Testament

Romans

12

1[Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. [ Na: fanompoam-pivavahana]
1እንግዲህ፥ ወንድሞች ሆይ፥ ሰውነታችሁን እግዚአብሔርን ደስ የሚያሰኝና ሕያው ቅዱስም መሥዋዕት አድርጋችሁ ታቀርቡ ዘንድ በእግዚአብሔር ርኅራኄ እለምናችኋለሁ፥ እርሱም ለአእምሮ የሚመች አገልግሎታችሁ ነው።
2Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. [ Gr. tanteraka].
2የእግዚአብሔር ፈቃድ እርሱም በጎና ደስ የሚያሰኝ ፍጹምም የሆነው ነገር ምን እንደ ሆነ ፈትናችሁ ታውቁ ዘንድ በልባችሁ መታደስ ተለወጡ እንጂ ይህን ዓለም አትምሰሉ።
3Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
3እግዚአብሔር ለእያንዳንዱ የእምነትን መጠን እንዳካፈለው፥ እንደ ባለ አእምሮ እንዲያስብ እንጂ ማሰብ ከሚገባው አልፎ በትዕቢት እንዳያስብ በመካከላችሁ ላለው ለእያንዳንዱ በተሰጠኝ ጸጋ እናገራለሁ።
4Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
4በአንድ አካል ብዙ ብልቶች እንዳሉን፥ የብልቶቹም ሁሉ ሥራ አንድ እንዳይደለ፥
5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
5እንዲሁ ብዙዎች ስንሆን በክርስቶስ አንድ አካል ነን፥ እርስ በርሳችንም እያንዳንዳችን የሌላው ብልቶች ነን።
6Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
6እንደ ተሰጠንም ጸጋ ልዩ ልዩ ስጦታ አለን፤ ትንቢት ቢሆን እንደ እምነታችን መጠን ትንቢት እንናገር፤
7raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
7አገልግሎት ቢሆን በአገልግሎታችን እንትጋ፤ የሚያስተምርም ቢሆን በማስተማሩ ይትጋ፤
8raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
8የሚመክርም ቢሆን በመምከሩ ይትጋ፤ የሚሰጥ በልግስና ይስጥ፤ የሚገዛ በትጋት ይግዛ፤ የሚምር በደስታ ይማር።
9Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
9ፍቅራችሁ ያለ ግብዝነት ይሁን። ክፉውን ነገር ተጸየፉት፤ ከበጎ ነገር ጋር ተባበሩ፤
10Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
10በወንድማማች መዋደድ እርስ በርሳችሁ ተዋደዱ፤ እርስ በርሳችሁ ተከባበሩ፤
11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
11ለሥራ ከመትጋት አትለግሙ፤ በመንፈስ የምትቃጠሉ ሁኑ፤ ለጌታ ተገዙ፤
12Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
12በተስፋ ደስ ይበላችሁ፤ በመከራ ታገሡ፤ በጸሎት ጽኑ፤
13Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
13ቅዱሳንን በሚያስፈልጋቸው እርዱ፤ እንግዶችን ለመቀበል ትጉ።
14Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
14የሚያሳድዱአችሁን መርቁ፥ መርቁ እንጂ አትርገሙ።
15Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
15ደስ ከሚላቸው ጋር ደስ ይበላችሁ፥ ከሚያለቅሱም ጋር አልቅሱ።
16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [ Na: manetre tena amin'ny malahelo]
16እርስ በርሳችሁ በአንድ አሳብ ተስማሙ፤ የትዕቢትን ነገር አታስቡ፥ ነገር ግን የትሕትናን ነገር ለመሥራት ትጉ። ልባሞች የሆናችሁ አይምሰላችሁ።
17Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
17ለማንም ስለ ክፉ ፈንታ ክፉን አትመልሱ፤ በሰው ሁሉ ፊት መልካም የሆነውን አስቡ።
18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
18ቢቻላችሁስ በእናንተ በኩል ከሰው ሁሉ ጋር በሰላም ኑሩ።
19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
19ተወዳጆች ሆይ፥ ራሳችሁ አትበቀሉ፥ ለቍጣው ፈንታ ስጡ እንጂ፤ በቀል የእኔ ነው፥ እኔ ብድራቱን እመልሳለሁ ይላል ጌታ ተብሎ ተጽፎአልና።
20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
20ጠላትህ ግን ቢራብ አብላው፤ ቢጠማ አጠጣው፤ ይህን በማድረግህ በራሱ ላይ የእሳት ፍም ትከምራለህና።
21Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
21ክፉውን በመልካም አሸንፍ እንጂ በክፉ አትሸነፍ።