Malagasy

Czech BKR

2 Chronicles

19

1Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
1Když se pak navracoval Jozafat král Judský do domu svého v pokoji do Jeruzaléma,
2Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
2Vyšel jemu vstříc Jéhu syn Chananův, prorok, a řekl králi Jozafatovi: Zdaliž jsi bezbožnému měl pomáhati, a ty, jenž nenávidí Hospodina, milovati? Z té příčiny proti tobě jest hněv Hospodinův.
3Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao.
3Ale však nalezly se věci dobré při tobě, že jsi vysekal háje z země, a nastrojil srdce své, abys hledal Boha.
4[Ny nataon'i Josafata hahatsara ny fitondram-panjakana] Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
4I bydlil Jozafat v Jeruzalémě, a zase projel lid od Bersabé až k hoře Efraim, a navrátil je k Hospodinu Bohu otců jejich.
5Ary nanendry mpitsara tamin'ny tany izy, dia tamin'ny isan-tanàna mimanda eran'i Joda,
5A ustanovil soudce v zemi po všech městech Judských hrazených, v jednom každém městě.
6ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho an'i Jehovah, sady momba anareo ao amin'ny fitsarana Izy.
6Tedy řekl soudcům: Vizte, jak co činíte; nebo nevedete soudu za člověka, ale za Hospodina, kterýž vám přítomen jest při vykonávání soudu.
7Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
7A protož budiž bázeň Hospodinova při vás. Ostříhejte toho a čiňte tak, neboť není u Hospodina Boha našeho nepravosti, tak aby šetřiti měl osob, aneb přijímati dary.
8Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
8Tak i v Jeruzalémě ustanovil Jozafat některé z Levítů a z kněží, a z knížat otcovských, čeledí Izraelských, k soudu Hospodinovu a k rozepřem těch, kteříž by se obraceli o to do Jeruzaléma.
9ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy:
9A přikázal jim, řka: Takž dělejte v bázni Hospodinově, u víře a v srdci upřímém.
10Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
10A při všeliké rozepři, kteráž by přišla před vás od bratří vašich, kteříž bydlí v městech svých, buď mezi krví a krví, mezi zákonem a přikázaním, ustanoveními a soudy, napomenete jich, aby nehřešili proti Hospodinu, tak aby nepřišla prchlivost na vás, ani na bratří vaše. Tak čiňte, a neuběhnete v hřích.
11Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
11A aj, Amariáš, kněz nejvyšší, mezi vámi bude ve všech věcech Hospodinových, a Zebadiáš syn Izmaelův, vývoda domu Judova, ve všeliké věci královské. Máte také Levíty správce mezi sebou; posilňtež se a zmužile sobě počínejte, a budeť Hospodin s tím, kdož bude dobrý.