Malagasy

Czech BKR

2 Chronicles

28

1[Ny nanjakan'i Ahaza] Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,
1Ve dvadcíti letech byl Achas, když počal kralovati, a šestnácte let kraloval v Jeruzalémě, a nečinil toho, což pravého bylo před očima Hospodinovýma, jako David otec jeho.
2fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.
2Ale chodil po cestách králů Izraelských, nýbrž nadělal také slitin modlářských.
3Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
3Přesto i sám kadíval v údolí Benhinnom, a pálil syny své ohněm podlé ohavností pohanů, kteréž vyhnal Hospodin před syny Izraelskými.
4Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
4A obětoval i kadíval na výsostech a na pahrbcích, i pod každým stromem zeleným.
5Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
5Protož dal jej Hospodin Bůh jeho v ruku krále Syrského. Kteříž porazivše jej, zajali odtud množství veliké, a přivedli je do Damašku. Nad to i v ruku krále Izraelského dán jest, kterýž porazil jej porážkou velikou.
6Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
6Nebo pomordoval Pekach syn Romeliášův v Judstvu sto a dvadcet tisíců dne jednoho, vše mužů udatných, proto že opustili Hospodina Boha otců svých.
7Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
7Zabil také Zichri, rytíř Efraimský Maaseiáše syna králova, a Azrikama, správce domu jeho, a Elkána, druhého po králi.
8Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
8Nadto zajali též synové Izraelští z bratří svých dvakrát sto tisíc žen, synů a dcer, ano i kořistí mnoho nabrali od nich, a vezli loupež do Samaří.
9Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
9Byl pak tu prorok Hospodinův, jménem Oded, kterýž vyšed proti vojsku přicházejícímu do Samaří, řekl jim: Hle, rozhněvav se Hospodin Bůh otců vašich na Judské, vydal je v ruku vaši, a vy jste je pomordovali v prchlivosti, kteráž až k nebi dosáhla.
10Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?
10A ještě Judské a Jeruzalémské myslíte sobě podrobiti za pacholky a děvky. Zdaliž i vy, i vy, jste bez hříchů proti Hospodinu Bohu vašemu?
11Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.
11A protož nyní poslechněte mne, a doveďte zase zajaté, kteréž jste zajali z bratří svých; nebo jinak hněv prchlivosti Hospodinovy bude proti vám.
12Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
12Tedy povstali někteří z předních synů Efraimových: Azariáš syn Jochananův, Berechiáš syn Mesillemotův, Ezechiáš syn Sallumův, a Amaza syn Chadlaiův proti těm, kteříž se vracovali z té vojny.
13nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
13A řekli jim: Nepřivedete sem těch zajatých; nebo vinu proti Hospodinu myslíte na nás uvesti, přivětšujíce hříchů našich a provinění našich. Veliký tě zajisté hřích náš a prchlivost hněvu proti Izraelovi.
14Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
14Takž nechali vojáci těch zajatých i kořistí svých před knížaty a vším shromážděním.
15ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.[palma]
15A přičinivše se muži někteří ze jména znamenaní, vzali ty zajaté, a všecky, kteřížkoli z nich nebyli odění, přiodíli je z těch kořistí. A když je zobláčeli a zobouvali, nakrmili i napojili, ano i pomazali, a zprovodili na oslích, každého nemocného z nich, a dovedli ho do Jericha města palmového k bratřím jejich, potom navrátili se do Samaří.
16famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
16Toho času poslal král Achas k králům Assyrským, aby mu pomoc dali.
17Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
17Nebo ještě přitáhli i Idumejští, a zbili některé z Judských, a jiné zajali.
18Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.[Heb. sefela]
18Nadto i Filistinští učinili vpád do měst, na rovinách k straně polední Judstva, a vzali Betsemes a Aialon, a Gederot a Socho i vsi jeho, a Tamna i vsi jeho, a Gimzo i vsi jeho, a bydlili v nich.
19Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.
19Tak zajisté ponižoval Hospodin Judy pro Achasa krále Izraelského, proto že odvrátil Judu, aby naprosto převráceně činil proti Hospodinu.
20Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
20A tak přitáhl k němu Tiglatfalazar král Assyrský, a více ho ssužoval, nežli mu pomáhal.
21Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
21A ačkoli Achas vzal z domu Hospodinova a domu královského, i od knížat, a dal králi Assyrskému, však nedal jemu pomoci.
22Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
22V který pak koli čas byl ssužován, tím větší převrácenost páchal proti Hospodinu. Takový byl král Achas.
23Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
23Nebo obětoval bohům Damašským, kteříž ho porazili, a řekl: Poněvadž bohové králů Syrských pomáhají jim, těm obětovati budu, aby mně pomáhali. Ale oni byli ku pádu jemu, ano i všemu Izraeli.
24Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
24Pročež shromáždiv Achas nádoby domu Božího, osekal je, a zamkl dvéře domu Hospodinova, a nadělal sobě oltářů při každém úhlu v Jeruzalémě.
25Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
25Ano i v každém městě Judském zdělal výsosti, aby kadil bohům cizím, a tak popouzel k hněvu Hospodina Boha otců svých.
26Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
26O jiných pak věcech jeho, a o všech cestách jeho, prvních i posledních zapsáno jest v knize králů Judských a Izraelských.
27Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
27I usnul Achas s otci svými, a pochovali jej v městě Jeruzalémě; nebo nevložili ho do hrobů králů Izraelských. I kraloval Ezechiáš syn jeho místo něho.