Malagasy

Czech BKR

2 Kings

1

1[Ny nahararian'i Ahazia, sy ny nilazan'i Elia fa ho faty izy] Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
1V tom zprotivil se Moáb Izraelovi po smrti Achabově.
2Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
2A Ochoziáš spadl skrze mříži paláce svého letního, kterýž byl v Samaří, a stonal. I poslal posly, řka jim: Jděte, pilně se ptejte Belzebuba, boha Akaron, povstanu-li z nemoci této?
3Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
3Ale anděl Hospodinův řekl Eliášovi Tesbitskému: Vstana, jdi vstříc poslům krále Samařského a mluv k nim: Zdali není Boha v Izraeli, že jdete dotazovati se Belzebuba, boha Akaron?
4Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
4Protož takto praví Hospodin: S ložce, na kterémžs se složil, nesejdeš, ale jistotně umřeš. I odšel Eliáš.
5Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
5A když se navrátili poslové k němu, řekl jim: Pročež jste se zase vrátili?
6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
6Odpověděli jemu: Muž nějaký vyšel nám v cestu a řekl nám: Jděte, navraťte se k králi, kterýž vás poslal, a rcete jemu: Takto praví Hospodin: Zdali není Boha v Izraeli, že ty posíláš tázati se Belzebuba, boha Akaron? Protož s ložce, na kterémžs se složil, nesejdeš, ale jistotně umřeš.
7Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
7I řekl jim: Jaký jest způsob muže toho, kterýž vám vstříc vyšel a mluvil vám ty řeči?
8Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
8Kteříž odpověděli jemu: Jest člověk chlupatý, a pasem koženým přepásán na bedrách svých. Tedy řekl: Eliáš Tesbitský jest.
9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka.
9Protož poslal pro něj padesátníka s padesáti jeho. Kterýž šel k němu, a aj, seděl na vrchu hory. I řekl jemu: Muži Boží, král rozkázal, abys sstoupil dolů.
10Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
10Odpovídaje Eliáš, řekl padesátníku: Jestliže jsem muž Boží, nechť sstoupí oheň s nebe, a sžíře tě i tvých padesát. A tak sstoupil oheň s nebe, a sežral jej i padesát jeho.
11Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.
11Opět poslal k němu král padesátníka jiného s padesáti jeho. Kterýž mluvil a řekl jemu: Muži Boží, takto rozkázal král: Rychle sstup dolů.
12Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
12I odpověděl Eliáš a řekl jim: Jestliže jsem muž Boží, nechť sstoupí oheň s nebe, a sžíře tě i tvých padesát. A tak sstoupil oheň Boží s nebe, a sežral jej i padesát jeho.
13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
13Ještě poslal padesátníka třetího s padesáti jeho. Pročež vstoupiv, přišel ten třetí padesátník, a klekl na kolena svá před Eliášem, a prose ho pokorně, řekl jemu: Muži Boží,prosím, nechť jest drahá duše má i duše služebníků tvých padesáti těchto před očima tvýma.
14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
14Aj, oheň sstoupiv s nebe, sežral dva první padesátníky s padesáti jejich, ale nyní nechť jest drahá duše má před očima tvýma.
15Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.
15Řekl pak anděl Hospodinův Eliášovi: Sstup s ním, neboj se nic tváři jeho. Tedy vstav, šel s ním k králi.
16Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
16A mluvil jemu: Takto praví Hospodin: Proto že jsi poslal posly tázati se Belzebuba, boha Akaron, (jako by nebylo Boha v Izraeli, abys se tázal slova jeho), protož s ložce, na kterémžs se složil, nesejdeš, ale jistotně umřeš.
17Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
17I umřel podlé řeči Hospodinovy, kterouž mluvil Eliáš, a kraloval Joram místo něho léta druhého Jehorama syna Jozafatova, krále Judského; nebo on neměl syna.
18Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
18O jiných pak věcech Ochoziášových, kteréž činil, zapsáno jest v knize o králích Izraelských.