Malagasy

Czech BKR

Esther

2

1[Ny nifidianana an'i Estera ho vadin'i Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
1Ty věci když se zběhly, a když se upokojila prchlivost krále Asvera, zpomenul na Vasti a na to, což byla učinila, též i na to, jaká se výpověd stala proti ní.
2Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
2I řekli mládenci královští, služebníci jeho: Nechť hledají králi mladic, panen krásných.
3ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
3A nechť zřídí král úředníky ve všech krajinách království svého, kteříž by shromáždili všecky mladice, panny krásné, do Susan města královského, do domu ženského, pod stráž Hegai komorníka královského, strážce žen, a ať jim vydává okrasy jejich.
4koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
4A mladice, kteráž by se zalíbila králi, aby kralovala místo Vasti. I líbila se ta věc králi, a učinil tak.
5Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,
5Byl pak jeden Žid v Susan, městě královském, jménem Mardocheus syn Jairův, syna Simei, syna Cis, z pokolení Beniamin.
6izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.
6A ten byl přestěhován z Jeruzaléma s přestěhovanými, kteříž přestěhováni byli s Jekoniášem králem Judským, kteréhož přestěhoval Nabuchodonozor král Babylonský.
7Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
7Ten choval Hadassu, jinak Esteru, dceru strýce svého, proto že neměla otce ani matky. A děvečka ta byla pěkné postavy a krásné tváři, kterouž po smrti otce a matky její vzal sobě Mardocheus za dceru.
8Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
8Stalo se tedy, když vyšlo slovo královské a rozkaz jeho, a když shromážďováno bylo panen mnoho do Susan, města královského, pod stráž Hegai, že i Ester vzata byla do domu královského pod stráž Hegai, strážného nad ženami.
9Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
9I líbila se jemu ta mladice, a našla milost u něho. Pročež i hned dal jí okrasu její a díl její, a sedm panen způsobných z domu královského; k tomu opatření její i jejích panen proměnil v lepší v domě ženském.
10Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
10Neoznámila pak Ester lidu svého, ani rodiny své; nebo přikázal jí byl Mardocheus, aby nepravila.
11Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.
11Ale Mardocheus každého dne chodíval před síní domu ženského, aby zvěděl, jak se má Ester, a co se s ní děje.
12Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),
12Když pak přišel jistý čas jedné každé panny, aby vešla před krále Asvera, když se vyplnilo při ní podlé práva žen, za dvanácte měsíců, (nebo za tolik dnů ozdobovaly se, šest měsíců olejem mirrovým, a šest měsíců věcmi vonnými a ozdobami ženskými),
13koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.
13A tak přicházela panna před krále. Cožkoli řekla, dávalo se jí, aby s tím šla z domu žen až k domu královskému.
14Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
14U večer vcházela k králi, a ráno zase odcházela do druhého domu ženského, pod stráž Saasgazy, komorníka královského, strážce ženin. Nepřicházela více k králi, ale jestliže se líbila králi, povolána bývala ze jména.
15Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.
15Tedy když přišel čas jistý Estery, dcery Abichaile, strýce Mardocheova, kterouž byl vzal sobě za dceru, aby vešla k králi, nežádala ničeho, než což řekl Hegai komorník královský, strážce žen. I líbila se Ester všechněm, kteříž ji viděli.
16Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
16A tak vzata jest Ester k králi Asverovi do domu jeho královského, měsíce desátého, (jenž jest měsíc Tebet), léta sedmého kralování jeho.
17Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
17I zamiloval král Ester nade všecky jiné ženy, a nalezla milost a lásku u něho nade všecky panny, tak že vstavil korunu královskou na hlavu její, a učinil ji královnou místo Vasti.
18Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.
18K tomu také učinil král hody veliké všechněm knížatům svým a služebníkům svým, totiž hody Estery, a dal odpočinutí krajinám, a daroval je tak, jakž slušelo na krále.
19Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mordekay.
19A když podruhé shromažďovány byly panny, a Mardocheus seděl u brány královské,
20Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i Mordekay azy ihany; fa ny tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
20Ester pak neoznámila byla rodiny své a národu svého, jakž jí byl přikázal Mardocheus; nebo rozkázaní Mardocheovo Ester činila, jako i když chována byla u něho:
21Tamin'izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.
21V těch dnech, (když Mardocheus sedal u brány královské), rozhněval se Bigtan a Teres, dva komorníci královští z strážných prahu, a smýšleli o to, aby vztáhli ruce na krále Asvera.
22Ary fantatr'i Mordekay izany ka nambarany tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain'i Mordekay azy.Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
22Čehož dověděv se Mardocheus, oznámil to Ester královně, Ester pak oznámila králi jménem Mardocheovým.
23Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
23A když bylo toho vyhledáváno, našlo se tak. I oběšeni jsou ti oba na šibenici, a zapsáno jest to do kronik před králem.