1[Ny nandehanan'ny Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy tany Babylona] Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
1Po těch pak věcech, za kralování Artaxerxa krále Perského, Ezdráš syn Saraiáše, syna Azariášova, syna Helkiášova,
2zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
2Syna Sallumova, syna Sádochova, syna Achitobova,
3zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
3Syna Amariášova, syna Azariášova, syna Meraiotova,
4zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
4Syna Zerachiášova, syna Uzi, syna Bukki,
5zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
5Syna Abisuova, syna Fínesova, syna Eleazarova, syna Aronova, kněze nejvyššího,
6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
6Tento Ezdráš vyšel z Babylona, a byl člověk zběhlý v zákoně Mojžíšově, kterýž dal Hospodin Bůh Izraelský, a dal mu král podlé toho, jakž ruka Hospodina Boha jeho byla s ním, všecko, zač ho koli žádal.
7Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
7Vyšli také synové Izraelští a kněží, i Levítové a zpěváci, vrátní a Netinejští do Jeruzaléma, léta sedmého Artaxerxa krále.
8Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
8A přišel do Jeruzaléma pátého měsíce. Tenť jest rok sedmý krále Daria.
9Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
9Prvního zajisté dne měsíce prvního vyšel z Babylona, a prvního dne měsíce pátého přišel do Jeruzaléma s pomocí Boha svého.
10Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
10Nebo Ezdráš byl uložil v srdci svém, aby zpytoval zákon Hospodinův i plnil jej, a aby učil lid Izraelský ustanovením a soudům.
11Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
11Tento pak jest přípis listu, kterýž dal král Artaxerxes Ezdrášovi knězi umělému v zákoně, zběhlému v těch věcech, kteréž přikázal Hospodin, a v ustanoveních jeho v Izraeli:
12Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
12Artaxerxes, král nad králi, Ezdrášovi knězi umělému v zákoně Boha nebeského, muži zachovalému i Cheenetským.
13Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
13Ode mne jest přikázáno, kdož by koli v království mém z lidu Izraelského, a z kněží jeho i z Levítů, dobrovolně jíti chtěl s tebou do Jeruzaléma, aby šel.
14Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
14Poněvadž jsi od krále a sedmi rad jeho poslán, abys dohlédal k Judstvu a k Jeruzalému podlé zákona Boha svého, kterýž máš v ruce své,
15ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
15A abys donesl stříbro a zlato, kteréž král a rady jeho dobrovolně obětovali Bohu Izraelskému, jehož příbytek jest v Jeruzalémě,
16ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
16A všecko stříbro a zlato, kteréhož bys dostal ve vší krajině Babylonské u těch, kteříž by z lidu dobrovolně co obětovati chtěli, i s kněžími, kteříž by dobrovolně obětovali k domu Boha svého, kterýž jest v Jeruzalémě,
17Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
17Abys rychle nakoupil za to stříbro telat, skopců, beránků s suchými i mokrými obětmi jejich, a obětoval je na oltáři domu Boha vašeho v Jeruzalémě.
18Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
18A což se koli tobě a bratřím tvým za dobré viděti bude, s ostatkem stříbra a zlata učiniti, vedlé vůle Boha vašeho učiňte.
19Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
19Nádoby pak, kteréžť jsou dány k službě domu Boha tvého, navrať před Bohem v Jeruzalémě,
20Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
20I jiné věci přináležející k domu Boha tvého. A což by bylo potřebí dáti, dáš z komory královské.
21Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
21A já, já Artaxerxes král poručil jsem všechněm výběrčím, kteříž jste za řekou, aby všecko, čehož by koli žádal od vás Ezdráš kněz, učitel zákona Boha nebeského, rychle se stalo,
22na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
22Až do sta centnéřů stříbra, a až do sta měr pšenice, a až do sta sudů vína, a až do sta tun oleje, a soli bez míry.
23Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
23Což by koli bylo z rozkazu Boha nebeského, nechť rychle spraví k domu Boha nebeského. Nebo proč má býti prchlivost jeho proti království královu i synům jeho?
24Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
24Také vám oznamujeme, aby na žádného z kněží a Levítů, zpěváků, vrátných, Netinejských a služebníků v domě Boha toho, platu, cla a úroku žádný úředník nevzkládal.
25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
25Přesto, ty Ezdráši, podlé moudrosti Boha svého, kterouž jsi obdařen, nařídíš soudce a rádce, kteříž by soudili všecken lid, jenž jest za řekou, ze všech, kteříž povědomi jsou zákona Boha tvého. A kdo by neuměl, budete učiti.
26Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
26Kdož by pak koli neplnil zákona Boha tvého a zákona králova, ať se i hned soud vynese o něm, buď k smrti, buďto k vypovědění jeho, neb aby na statku pokutován byl, aneb vězením trestán.
27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
27Požehnaný Hospodin Bůh otců našich, kterýž dal to srdce královo, aby zvelebil dům Hospodinův, kterýž jest v Jeruzalémě,
28sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
28A naklonil ke mně milosrdenstvím krále i rad jeho, i všech mocných knížat královských. Protož já posilněn jsa rukou Hospodina Boha svého nade mnou, shromáždil jsem z lidu Izraelského přednější, kteříž by šli se mnou.