Malagasy

Czech BKR

Job

9

1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Odpověděv pak Job, řekl:
2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
2I ovšem vím, žeť tak jest; nebo jak by mohl člověk spravedliv býti před Bohem silným?
3Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
3A chtěl-li by se hádati s ním, nemohl by jemu odpovědíti ani na jedno z tisíce slov.
4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
4Moudrého jest srdce a silný v moci. Kdo zatvrdiv se proti němu, pokoje užil?
5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
5On přenáší hory, než kdo shlédne, a podvrací je v prchlivosti své.
6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
6On pohybuje zemí z místa jejího, tak že se třesou sloupové její.
7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
7On když zapovídá slunci, nevychází, a hvězdy zapečeťuje.
8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
8On roztahuje nebe sám, a šlapá po vlnách mořských.
9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
9On učinil Arktura, Oriona, Kuřátka a hvězdy skryté na poledne.
10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
10On činí věci veliké, a to nevystižitelné a divné, jimž není počtu.
11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
11Ano jde-li mimo mne, tedy nevidím; ovšem když pomíjí, neznamenám ho.
12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
12Tolikéž jestliže co uchvátí, kdo mu to rozkáže navrátiti? Kdo dí jemu: Co činíš?
13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
13Nezdržel-li by Bůh hněvu svého, klesli by před ním spolu spuntovaní, jakkoli mocní.
14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
14Jakž bych já tedy jemu odpovídati, a jaká slova svá proti němu vyhledati mohl?
15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
15Kterémuž, bych i spravedliv byl, nebudu odpovídati, ale před soudcím svým pokořiti se budu.
16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
16Ač bych pak i volal, a on mi se ozval, neuvěřím, aby vyslyšel hlas můj,
17Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
17Poněvadž vichřicí setřel mne, rozmnožil rány mé bez příčiny.
18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
18Aniž mi dá oddechnouti, ale sytí mne hořkostmi.
19Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
19Obrátil-li bych se k moci, aj, onť jest nejsilnější; pakli k soudu, kdo mi rok složí?
20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
20Jestliže se za spravedlivého stavěti budu, ústa má potupí mne; pakli za upřímého, převráceného mne býti ukáží.
21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
21Jsem-li upřímý, nebudu věděti toho; nenáviděti budu života svého.
22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
22Jediná jest věc, pročež jsem to mluvil, že upřímého jako bezbožného on zahlazuje.
23Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
23Jestliže bičem náhle usmrcuje, zkušování nevinných se posmívá;
24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
24Země dána bývá v ruku bezbožného, tvář soudců jejich zakrývá: jestliže ne on, kdož jiný jest?
25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
25Dnové pak moji rychlejší byli nežli posel; utekli, aniž viděli dobrých věcí.
26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
26Pominuli jako prudké lodí, jako orlice letící na pastvu.
27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
27Dím-li: Zapomenu se na své naříkání, zanechám horlení svého, a posilím se:
28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
28Lekám se všech bolestí svých, vida, že mne jich nezprostíš.
29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
29Jestli jsem bezbožný, pročež bych nadarmo pracoval?
30Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
30Ano bych se i umyl vodou sněžnou, a očistil mýdlem ruce své,
31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
31Tedy v jámě pohřížíš mne, tak že se ode mne zprzní i to roucho mé.
32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
32Nebo Bůh není člověkem jako já, jemuž bych odpovídati mohl, a abychom vešli spolu v soud.
33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
33Aniž máme prostředníka mezi sebou, kterýž by rozhodl nás oba.
34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
34Kdyby odjal ode mne prut svůj, a strach jeho aby mne nekormoutil,
35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
35Tehdáž bych mluvil, a nebál bych se, poněvadž není toho tak při mně.