1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
1Tedy povstal Eliasib, kněz nejvyšší, a příbuzní jeho kněží, a stavěli bránu bravnou, (tiť jsou ji vystavěli, a zavěsili vrata její, až k věži Mea vystavěli ji), až k věži Chananeel.
2Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry.
2A podlé něho stavěli muži Jerecha, též podlé něho stavěl Zakur syn Imrův.
3Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
3Bránu pak rybnou stavěli synové Senaa. Ti položili trámy její, a vstavili vrata její s zámky i závorami jejími.
4Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana.
4Podlé těch také opravoval Meremot syn Uriáše, syna Kózova, a podlé nich opravoval Mesullam syn Berechiáše, syna Mesezabelova, a podlé těch opravoval Sádoch syn Baanův.
5Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin'ny fanompoana ny Tompony.
5A podlé nich opravovali Tekoitští. Ale ti, kteříž byli znamenitější z nich, nepodklonili šíje své k dílu pána svého.
6Ary ny vavahady taloha dia namboarin'i Joiada, zanak'i Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
6Bránu pak starou opravovali Joiada syn Paseachův, a Mesullam syn Besodiášův. Ti položili trámy její a vstavili vrata její s zámky a závorami jejími.
7Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora etỳ an-dafin'ny ony etỳ.
7Podlé nich opravoval Melatiáš Gabaonitský, a Jádon Meronotský, muži z Gabaon a z Masfa, až k stolici knížecí z této strany řeky.
8Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe.
8Podlé nich pak opravoval Uziel syn Charhaiášův s zlatníky, a podlé něho opravoval Chananiáš, syn apatekářův. A nechali Jeruzaléma až do zdi široké.
9Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak'i Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema.
9Dále podlé nich opravoval Refaiáš syn Churův, hejtman nad polovicí kraje Jeruzalémského.
10Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak'i Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia.
10A podlé nich opravoval Jedaiáš Charumafův proti domu svému. Podlé něhož opravoval Chattus syn Chasabneiášův.
11Ny sasany koa mbamin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i Harima, sy Hasoba. zanak'i Pahatamoaba.
11Druhý pak díl opravoval Malkiáš syn Charimův, a Chasub syn Pachat Moábův, a věži Tannurim.
12Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
12Podlé něhož opravoval Sallum syn Lochesův, hejtman nad polovicí kraje Jeruzalémského, se dcerami svými.
13Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.
13Bránu při údolí opravil Chanun s obyvateli Zanoe. Oni ji stavěli, a vstavili vrata její s zámky i závorami jejími, a zdi na tisíc loket až do brány hnojné.
14Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
14Bránu pak hnojnou opravil Malkiáš syn Rechabův, hejtman kraje Betkarem. On ji ustavěl, a vstavil vrata s zámky i závorami jejími.
15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida.
15Bránu pak studnice opravoval Sallun syn Kolchozův, hejtman kraje Masfa. On ji vystavěl a přikryl ji, a vstavil vrata její s zámky i závorami jejími, a zed rybníka Selach, od zahrady královské až k stupňům sstoupajícím z města Davidova.
16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.
16Za ním opravoval Nehemiáš syn Azbukův, hejtman nad polovici kraje Betsur, až naproti hrobům Davidovým, a až k rybníku udělanému, až k domu silných.
17Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.
17Za ním opravovali Levítové, Rechum syn Báni, podlé něhož opravoval Chasabiáš, hejtman nad polovicí kraje Ceily s krajem svým.
18Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila.
18Za ním opravovali bratří jejich, Bavai syn Chenadadův, hejtman nad polovicí kraje Ceily.
19Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana.
19Podlé něho pak opravoval Ezer syn Jesua, hejtman Masfa, díl druhý naproti, kudyž se chodí k skladu zbroje Mikzoa.
20Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
20Za ním rozhorliv se, opravoval Báruch syn Zabbai, díl druhý od Mikzoa až ke dveřům domu Eliasiba, kněze nejvyššího.
21Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
21Za ním opravoval Meremot syn Uriáše, syna Kózi, díl druhý ode dveří domu Eliasibova až do konce domu jeho.
22Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.
22Za ním opravovali kněží, kteříž bydlili v rovině.
23Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.
23Za ním opravoval Beniamin a Chasub proti domům svým. Za ním opravoval Azariáš syn Maaseiáše, syna Ananiášova vedlé domu svého.
24Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony.
24Za ním opravoval Binnui syn Chenadadův díl druhý, od domu Azariášova až do Mikzoa a až k úhlu.
25Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
25Pálal syn Uzai proti Mikzoa a věži vysoké, kteráž vyhlédala z domu králova, jenž byla v placu u žaláře. Za ním Pedaiáš syn Farosův.
26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo.
26Netinejští pak, jenž bydlili v Ofel, až naproti bráně vodné k východu, a věži vysoké.
27Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela.
27Za ním opravovali Tekoitští díl druhý, naproti věži veliké a vysoké, až ke zdi při Ofel.
28Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
28Od brány koňské opravovali kněží, jeden každý naproti domu svému.
29Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
29Za tím opravoval Sádoch syn Immerův naproti domu svému. Za ním pak opravoval Semaiáš syn Sechaniášův, strážný brány východní.
30Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Hanania, zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny efi-tranony ihany.
30Za ním opravoval Chananiáš syn Selemiášův, a Chanun syn Zalafův šestý, díl druhý. Za ním opravoval Mesullam syn Berechiášův proti pokoji svému.
31Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony.
31Za ním opravoval Malkiáš syn zlatníkův až k domu Netinejských a kupců, naproti bráně Mifkad, až do paláce úhlového.
32Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
32A mezi palácem úhlovým až do brány bravné opravovali zlatníci a kupci.
33Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
34dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo?
35Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
36Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy.
37Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy.Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
38Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.