Malagasy

Czech BKR

Psalms

107

1[BOKY FAHADIMY][Fiantsoana ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
1Oslavujte Hospodina, nebo jest dobrý, nebo na věky milosrdenství jeho.
2Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, [Na: fahoriana]
2Nechť o tom vypravují ti, kteříž jsou vykoupeni skrze Hospodina, jak je on vykoupil z ruky těch, kteříž je ssužovali,
3Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina.
3A shromáždil je z zemí, od východu a od západu, od půlnoci i od moře.
4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
4Bloudili po poušti, po cestách pustých, města k přebývání nenacházejíce.
5Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
5Hladovití a žízniví byli, až v nich svadla duše jejich.
6Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
6Když volali k Hospodinu v ssoužení svém, z úzkostí jejich vytrhl je,
7Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
7A vedl je po cestě přímé, aby přišli do města k bydlení.
8Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
8Nechať oslavují před Hospodinem milosrdenství jeho, a divné skutky jeho před syny lidskými,
9Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
9Poněvadž napájí duši žíznivou, a duši hladovitou naplňuje dobrými věcmi.
10Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
10Kteříž sedí ve tmě a v stínu smrti, sevříni jsouce bídou i železy,
11Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
11Protože odporni byli řečem Boha silného, a radou Nejvyššího pohrdli.
12Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;[Heb. tafintohina]
12Pročež ponížil bídou srdce jejich, padli, a nebylo pomocníka.
13Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
13Když volají k Hospodinu v ssoužení svém, z úzkostí je vysvobozuje.
14Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
14Vyvodí je z temností a stínu smrti, a svazky jejich trhá.
15Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
15Nechať oslavují před Hospodinem milosrdenství jeho, a divné skutky jeho před syny lidskými,
16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
16Poněvadž láme brány měděné, a závory železné posekává.
17Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
17Blázni pro cestu převrácenosti své, a pro nepravosti své v trápení bývají.
18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
18Oškliví se jim všeliký pokrm, až se i k branám smrti přibližují.
19Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
19Když volají k Hospodinu v ssoužení svém, z úzkostí jejich je vysvobozuje.
20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
20Posílá slovo své, a uzdravuje je, a vysvobozuje je z hrobu.
21Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
21Nechať oslavují před Hospodinem milosrdenství jeho, a divné skutky jeho před syny lidskými,
22Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
22A obětujíce oběti chvály, ať vypravují skutky jeho s prozpěvováním.
23Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe
23Kteří se plaví po moři na lodech, pracujíce na velikých vodách,
24No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
24Tiť vídají skutky Hospodinovy, a divy jeho v hlubokosti.
25Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
25Jakž jen dí, hned se strhne vítr bouřlivý, a dme vlny mořské.
26Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
26Vznášejí se k nebi, sstupují do propasti, duše jejich v nebezpečenství rozplývá se.
27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
27Motají se a nakloňují jako opilý, a všecko umění jejich mizí.
28Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
28Když volají k Hospodinu v ssoužení svém, z úzkostí jejich je vysvobozuje.
29Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
29Proměňuje bouři v utišení, tak že umlkne vlnobití jejich.
30Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
30I veselí se, že utichlo; a tak přivodí je k břehu žádostivému.
31Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
31Nechať oslavují před Hospodinem milosrdenství jeho, a divné skutky jeho před syny lidskými.
32Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona.
32Nechť ho vyvyšují v shromáždění lidu, a v radě starců chválí jej.
33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
33Obrací řeky v poušť, a prameny vod v suchost,
34Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
34Zemi úrodnou v slatinnou, pro zlost obyvatelů jejích.
35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
35Pustiny obrací v jezera, a zemi vyprahlou v prameny vod.
36Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
36I osazuje na ní hladovité, aby stavěli města k bydlení.
37Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
37Kteříž osívají pole, a dělají vinice, a shromažďují sobě užitek úrody.
38Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
38Takť on jim žehná, že se rozmnožují velmi, a dobytka jejich neumenšuje.
39Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
39A někdy pak umenšeni a sníženi bývají ukrutenstvím, bídou a truchlostí,
40Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
40Když vylévá pohrdání na knížata, dopouštěje, aby bloudili po poušti bezcestné.
41Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
41Onť vyzdvihuje nuzného z trápení, a rozmnožuje rodinu jako stádo.
42Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
42Nechť to spatřují upřímí, a rozveselí se, ale všeliká nepravost ať zacpá ústa svá.
43Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
43Ale kdo jest tak moudrý, aby toho šetřil, a vyrozumíval mnohému milosrdenství Hospodinovu?