1[Fifonana noho ny faharavana nataon'ny fahavalo] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.
1Žalm Azafovi. Bože, vtrhli pohané do dědictví tvého, poškvrnili chrámu svatosti tvé, obrátili Jeruzalém v hromady.
2Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;
2Dali těla mrtvá služebníků tvých za pokrm ptákům nebeským, těla svatých tvých šelmám zemským.
3Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
3Vylili krev jejich jako vodu okolo Jeruzaléma, a nebyl, kdo by je pochovával.
4Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
4Vydáni jsme v pohanění sousedům našim, v posměch a žert těm, kteříž jsou vůkol nás.
5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
5Až dokud, ó Hospodine? Na věky-liž se hněvati budeš, a hořeti bude jako oheň horlení tvé?
6Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
6Vylí hněv svůj na národy, kteříž tě neznají, a na království, kteráž jména tvého nevzývají.
7Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
7Neboť jsou sežrali Jákoba, a obydlí jeho v poustku obrátili.
8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
8Nezpomínejž nám dřevních nepravostí našich, rychle ať předejdou nás milosrdenství tvá, neboť jsme velmi znuzeni.
9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
9Pomoz nám, ó Bože spasení našeho, pro slávu jména svého; vytrhni nás, a buď milostiv hříchům našim pro jméno své.
10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
10Proč mají říkati pohané: Kdež jest Bůh jejich? Budiž znám mezi pohany, před očima našima, skrze pomstu krve služebníků svých, kteráž jest vylita.
11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
11Vstupiž před oblíčej tvůj lkání vězňů, a podlé velikosti síly své zanechej ostatků k smrti oddaných.
12Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
12A odplať sousedům našim sedmernásobně do lůna jejich za pohanění, kteréž jsou tobě činili, ó Pane.
13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
13My pak, lid tvůj a ovce pastvy tvé, slaviti tě budeme na věky; od národu do pronárodu vypravovati budeme chválu tvou.