1[BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
1Modlitba Mojžíše, muže Božího. Pane, ty jsi býval příbytek náš od národu do pronárodu.
2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
2Prvé, než hory stvořeny byly, nežlis sformoval zemi, a okršlek světa, ano hned od věků a až na věky, ty jsi Bůh silný.
3Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
3Ty přivodíš člověka na to, aby setřín byl, říkaje: Navraťtež se zase, synové lidští.
4Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
4Nebo by tisíc let přetrval, jest to před očima tvýma jako den včerejší, a bdění noční.
5Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
5Povodní zachvacuješ je; jsou sen, a jako bylina hned v jitře pomíjející.
6Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy]
6Toho jitra, kteréhož vykvetne, mění se, u večer pak jsuc podťata, usychá.
7Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
7Ale my hyneme od hněvu tvého, a prochlivostí tvou jsme zděšeni.
8Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
8Nebo jsi položil nepravosti naše před sebe, a tajnosti naše na světlo oblíčeje svého.
9Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
9Pročež všickni dnové naši v náhle přebíhají pro tvé rozhněvání; k skončení let svých docházíme jako řeč.
10Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
10Všech dnů let našich jest let sedmdesáte, aneb jest-li kdo silnějšího přirození, osmdesát let, a i to, což nejzdárnějšího v nich, jest práce a bída, a když to pomine, tožť ihned rychle zaletíme.
11Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
11Ale kdo jest, ješto by znal přísnost hněvu tvého, a ostýchal se zůřivosti tvé?
12Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
12Naučiž nás počítati dnů našich, abychom uvodili moudrost v srdce.
13Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
13Navrať se zase, Hospodine, až dokud prodléváš? Mějž lítost nad služebníky svými.
14Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
14Nasyť nás hned v jitře svým milosrdenstvím, tak abychom prozpěvovati, a veseliti se mohli po všecky dny naše.
15Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
15Obveseliž nás podlé dnů, v nichž jsi nás ssužoval, a let, v nichž jsme okoušeli zlého.
16Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
16Budiž zřejmé při služebnících tvých dílo tvé, a okrasa tvá při synech jejich.
17Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
17Budiž nám přítomná i ochotnost Hospodina Boha našeho, a díla rukou našich potvrď mezi námi, díla, pravím, rukou našich potvrď.