Malagasy

Welsh

1 Chronicles

11

1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka handimby an'i Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
1 Daeth holl Israel at Ddafydd i Hebron a dweud wrtho, "Edrych, dy asgwrn a'th gnawd di ydym ni.
2Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
2 Gynt, pan oedd Saul yn frenin, ti oedd yn arwain Israel allan i ryfel ac yn �l wedyn; ac fe ddywedodd yr ARGLWYDD dy Dduw wrthyt, 'Ti sydd i fugeilio fy mhobl Israel; ti sydd i fod yn dywysog arnynt.'"
3Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.
3 Yna daeth holl henuriaid Israel i Hebron at y brenin, a gwnaeth Dafydd gyfamod � hwy yno gerbron yr ARGLWYDD, ac eneiniwyd Dafydd yn frenin ar Israel, yn �l gair yr ARGLWYDD trwy Samuel.
4Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
4 Pan aeth Dafydd a holl Israel i Jerwsalem (hynny yw, Jebus, lle'r oedd y Jebusiaid, trigolion y wlad, yn byw)
5Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
5 dywedodd pobl Jebus wrth Ddafydd, "Ni chei ddod i mewn yma." Er hynny, fe enillodd Dafydd gaer Seion, sef Dinas Dafydd,
6Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
6 a dywedodd, "Caiff y cyntaf i daro'r Jebusiaid ei wneud yn ben swyddog." Y cyntaf i fynd i fyny oedd Joab fab Serfia; felly cafodd ei wneud yn ben.
7Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
7 Yna fe ymsefydlodd Dafydd yn y gaer, ac am hynny fe'i gelwir yn Ddinas Dafydd.
8Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.[Heb. fiarovana]
8 Adeiladodd y ddinas oddi amgylch o'r Milo yn gylch cyfan, tra oedd Joab yn adnewyddu gweddill y ddinas.
9Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
9 Cynyddodd Dafydd fwyfwy oherwydd bod ARGLWYDD y Lluoedd gydag ef.
10[Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
10 Dyma benaethiaid Dafydd, a aeth yn fwy a mwy nerthol gydag ef yn ystod ei deyrnasiad, ac a ymunodd gyda holl Israel i'w wneud ef yn frenin ar Israel yn �l gair yr ARGLWYDD.
11Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
11 Dyma restr y gwroniaid oedd gan Ddafydd. Jasobeam fab Hachmoni oedd capten y Deg ar Hugain; chwifiodd ef ei waywffon mewn buddugoliaeth uwchben tri chant o wu375?r a laddodd ar un tro.
12Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
12 Y nesaf ato ef ymysg y tri gwron oedd Eleasar fab Dodo, yr Ahohiad;
13Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
13 bu ef gyda Dafydd yn Pasdammim, lle'r oedd rhandir yn llawn ffacbys, pan ymgasglodd y Philistiaid yno i ryfel ac y ffodd y bobl rhagddynt.
14Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
14 Ond daliodd ef ei dir yng nghanol y llain, a'i amddiffyn a lladd y Philistiaid; a rhoes yr ARGLWYDD waredigaeth fawr.
15Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
15 Aeth tri o'r Deg ar Hugain o benaethiaid i lawr at Ddafydd i'r graig ger ogof Adulam, pan oedd mintai o Philistiaid yn gwersyllu yn nyffryn Reffaim.
16Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
16 Yr oedd Dafydd ar y pryd yn y gaer, a garsiwn y Philistiaid ym Methlehem.
17Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.
17 Cododd blys ar Ddafydd ac meddai, "O na chawn ddiod o ddu373?r o bydew Bethlehem, sydd ger y porth!"
18Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
18 Ar hynny, rhuthrodd y tri trwy wersyll y Philistiaid, codi du373?r o bydew Bethlehem gerllaw'r porth, a'i gludo'n �l at Ddafydd. Eto, ni fynnai ef ei yfed, a thywalltodd ef yn offrwm i'r ARGLWYDD,
19Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
19 a dweud, "Na ato Duw i mi wneud hyn! A allaf fi yfed gwaed y gwu375?r hyn a fentrodd eu heinioes i ddod ag ef i mi?" Felly gwrthododd ei yfed. Dyma wrhydri y tri gwron.
20Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
20 Abisai brawd Joab fab Serfia oedd pennaeth y Deg ar Hugain. Chwifiodd ef ei waywffon mewn buddugoliaeth uwchben trichant o wu375?r, a lladdodd hwy gan ennill enw iddo'i hun ymhlith y Deg ar Hugain.
21Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
21 Yr oedd ef yn enwog ymhlith y Deg ar Hugain, ac yn gapten arnynt; ond nid oedd i'w gymharu �'r Tri.
22Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]
22 Yr oedd Benaia fab Jehoiada o Cabseel yn u373?r dewr ac aml ei orchestion. Ef a laddodd ddau bencampwr o Moab; ef hefyd a aeth i lawr i bydew a lladd llew yno ar ddiwrnod o eira.
23Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
23 Lladdodd Eifftiwr, cawr o bum cufydd, er bod gan hwnnw waywffon fel carfan gwehydd yn ei law, ac yntau'n ymosod � dim ond ffon. Cipiodd y waywffon o law'r Eifftiwr, a'i ladd �'i waywffon ei hun.
24Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
24 Dyma wrhydri Benaia fab Jehoiada, ac enillodd enw iddo'i hun ymhlith y Deg Gwron ar Hugain.
25Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
25 Yr oedd yn enwog ymhlith y Deg ar Hugain, ond nid oedd i'w gymharu �'r Tri. Apwyntiodd Dafydd ef yn bennaeth ei warchodlu.
26Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
26 Y rhain oedd y gwroniaid: Asahel brawd Joab, Elhanan fab Dodo o Fethlehem,
27sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
27 Samma yr Harodiad, Heles y Peloniad.
28sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita
28 Ira fab Icces y Tecoiad, Abieser yr Anathothiad,
29sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
29 Sibbechai yr Husathiad, Ilai yr Ahohiad,
30sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,
30 Maharai y Netoffathiad, Heled fab Baana y Netoffathiad,
31sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
31 Itai fab Ribai o Gibea'r Benjaminiaid, Benaia y Pirathoniad,
32sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita
32 Hurai o Nahale-gaas, Abiel yr Arbathiad,
33sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
33 Asmafeth y Bahrumiad, Eliahba y Saalboniad,
34sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,
34 meibion Hasem y Gisoniad, Jonathan fab Sage yr Harariad,
35sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,
35 Ahiam fab Sachar yr Harariad, Eliffal fab Ur,
36sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
36 Heffer y Mecherathiad, Aheia y Peloniad,
37sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,
37 Hesro y Carmeliad, Naarai fab Esbai,
38sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.
38 Joel brawd Nathan, Mibhar Haggeri,
39sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
39 Selec yr Ammoniad, Naharai y Beerothiad (cludydd arfau Joab fab Serfia),
40sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
40 Ira yr Ithriad, Gareb yr Ithriad,
41sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,
41 Ureia yr Hethiad, Sabad fab Ahlai,
42sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
42 Adina fab Sisa y Reubeniad (pennaeth y Reubeniaid, a chydag ef ddeg ar hugain),
43sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita
43 Hanan fab Maacha, Josaffat y Mithriad,
44sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,
44 Usseia yr Asterathiad, Sama a Jehiel meibion Hothan yr Aroeriad,
45sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
45 Jedidael fab Simri, a Joha ei frawd ef, y Tisiad,
46sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabitasy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.
46 Eliel y Mahafiad, Jeribai a Josafia, meibion Elnaam, Ithma y Moabiad,
47sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.
47 Eliel, Obed, a Jasiel y Mesobaiad.