1[Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
1 Dyma feibion Rueben, cyntafanedig Israel. (Ef yn wir oedd y cyntafanedig, ond am iddo halogi gwely ei dad rhoddwyd ei enedigaeth-fraint i feibion Joseff, fab Israel,
2fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
2 ac felly ni restrir yr achau yn �l yr enedigaeth-fraint. Er bod Jwda wedi rhagori ar ei frodyr, ac arweinydd wedi tarddu ohono, Joseff a gafodd yr enedigaeth-fraint.)
3ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
3 Meibion Reuben, cyntafanedig Israel: Enoch, Palu, Hesron, Carmi.
4Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
4 Meibion Joel: Semaia ei fab, Gog ei fab yntau, Simei ei fab yntau,
5Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
5 Micha ei fab yntau, Reaia ei fab yntau, Baal ei fab yntau,
6Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
6 Beera ei fab yntau a gaethgludodd Tiglath-pileser brenin Asyria; ef oedd pennaeth y Reubeniaid.
7Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
7 Dyma'i frodyr yn �l eu teuluoedd ac yn �l achau eu cenedlaethau: Jeiel y pennaeth, Sechareia, Bela fab Asas, fab Sema, fab Joel.
8ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
8 Bu'r rhain yn byw yn Aroer a chyn belled � Nebo a Baal-meon.
9Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
9 Tua'r dwyrain yr oedd eu tir yn cyrraedd at ymylon yr anialwch sy'n ymestyn o afon Ewffrates, oherwydd yr oedd eu hanifeiliaid wedi cynyddu yng ngwlad Gilead.
10Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]
10 Yn ystod teyrnasiad Saul, aethant i ryfel yn erbyn yr Hagariaid a'u trechu, a byw yn eu pebyll trwy holl ddwyrain Gilead.
11Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
11 Dyma feibion Gad oedd yn byw nesaf atynt yng ngwlad Basan hyd at Salcha: Joel y pennaeth,
12Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
12 Saffam yr ail, Jaanai, Saffat.
13Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
13 Eu brodyr hwy o du375? eu hynafiaid: Michael, Mesulam, Seba, Jorai, Jacan, S�a, Heber, saith.
14Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;
14 Meibion Abihail: Ben-huri, Ben-jaroa, Ben-gilead, Ben-michael, Ben-jesisai, Ben-jahdo, Ben-bus.
15Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.
15 Ahi fab Abdiel, fab Guni, oedd y penteulu.
16Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
16 Yr oeddent hwy yn byw yn Gilead ac ym mhentrefi Basan, a thrwy holl gytir Saron o un terfyn i'r llall.
17Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.
17 Cafodd y rhain i gyd eu rhestru yn �l eu hachau yn nyddiau Jotham brenin Jwda a Jeroboam brenin Israel.
18Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
18 Ymysg meibion Reuben a'r Gadiaid a hanner llwyth Manasse yr oedd pedair mil a deugain, saith gant a thrigain o wu375?r cryfion yn cario tarian a chleddyf ac yn tynnu bwa; yr oeddent wedi dysgu ymladd, ac yn barod i fynd allan i ryfel.
19Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
19 Buont yn ymladd yn erbyn yr Hagariaid, Jetur, Neffis, a Nodab.
20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
20 Fe gawsant help yn eu herbyn, a gorchfygu'r Hagariaid a phawb oedd gyda hwy, oherwydd iddynt alw ar Dduw yn y frwydr ac iddo yntau wrando arnynt am eu bod yn ymddiried ynddo.
21Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
21 Cymerasant o'u hanifeiliaid yn ysbail: hanner can mil o'u camelod, hanner can mil a dau gant o ddefaid, dwy fil o asynnod, a hefyd can mil o bobl.
22fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.
22 (Am mai rhyfel Duw oedd hwn, yr oedd llawer wedi marw o'u clwyfau.) A buont yn byw yno yn eu lle hyd gyfnod y gaethglud.
23Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.
23 Yr oedd hanner llwyth Manasse yn byw yn y tir rhwng Basan, Baal-hermon, Senir a Mynydd Hermon, ac yr oedd llawer ohonynt.
24Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
24 Y rhain oedd eu pennau-teuluoedd: Effer, Isi, Eliel, Asriel, Jeremeia, Hodafia, Jadiel; gwu375?r blaenllaw ac enwog oedd y pennau-teuluoedd hyn.
25Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
25 Ond buont yn anffyddlon i Dduw eu hynafiaid, a phuteinio gyda duwiau pobl y wlad yr oedd Duw wedi eu dinistrio o'u blaenau.
26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.
26 Felly anogodd Duw Israel Pul, hynny yw Tiglath-pileser brenin Asyria, i fynd �'r Reubeniaid a'r Gadiaid a hanner llwyth Manasse i gaethglud. Aeth yntau � hwy i Hala, Habor, Hara ac afon Gosan, ac yno y maent hyd heddiw.
27[Ny taranak'i Levy] Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
28Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
29Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
30Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;
31ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;
32ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;
33ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
34ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;
35ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;
36ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);
37ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
38ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;
39ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;
40ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
41ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.