Malagasy

Welsh

1 Kings

16

1Ary tonga tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
1 Daeth gair yr ARGLWYDD at Jehu fab Hanani yn erbyn Baasa, a dweud:
2Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
2 "Codais di o'r llwch, a'th wneud yn dywysog ar fy mhobl Israel, ond dilynaist lwybr Jeroboam a pheraist i'm pobl Israel bechu er mwyn fy nigio �'u pechodau.
3dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
3 Am hyn yr wyf yn difa olion Baasa a'i deulu a'u gwneud fel teulu Jeroboam fab Nebat.
4Koa izay tamingan'i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina.
4 Bydd cu373?n yn bwyta'r rhai o deulu Baasa a fydd farw yn y ddinas, ac adar rheibus yn bwyta'r rhai a fydd farw yn y wlad."
5Ary ny tantaran'i Basa sisa mbamin'izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
5 Ac onid yw gweddill hanes Baasa, ei hynt a'i wrhydri, wedi ei ysgrifennu yn llyfr hanesion brenhinoedd Israel?
6Ary Basa lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
6 Pan fu farw Baasa, claddwyd ef yn Tirsa, a daeth ei fab Ela yn frenin yn ei le.
7Ary Jeho mpaminany zanak'i Hanany, dia nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
7 Ond yr oedd gair yr ARGLWYDD wedi dod at Baasa a'i deulu drwy'r proffwyd Jehu fab Hanani am y drygioni a wnaeth yng ngolwg yr ARGLWYDD trwy ei ddigio �'i weithredoedd, a dod yn debyg i deulu Jeroboam; a hefyd am iddo ddinistrio hwnnw.
8Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
8 Yn y chweched flwyddyn ar hugain i Asa brenin Jwda daeth Ela fab Baasa yn frenin ar Israel yn Tirsa, a theyrnasu am ddwy flynedd.
9Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
9 Yna gwnaeth ei was Simri, capten hanner y cerbydau, gynllwyn yn ei erbyn. Pan oedd y brenin yn Tirsa yn feddw chwil yn nhu375? Arsa rheolwr y tu375? yn Tirsa,
10Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
10 daeth Simri a'i daro'n farw; a daeth yn frenin yn ei le yn y seithfed flwyddyn ar hugain i Asa brenin Jwda.
11Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin'ny havany, na tamin'ny sakaizany.
11 Pan esgynnodd i'r orsedd ar ddechrau ei deyrnasiad, lladdodd bob un o deulu Baasa, heb adael ohonynt yr un gwryw, na ch�r na chyfaill.
12Toy izany no nandringanan'i Zimry ny mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,
12 Dinistriodd Simri holl dylwyth Baasa yn �l gair yr ARGLWYDD wrth Baasa drwy'r proffwyd Jehu,
13noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan'i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
13 oherwydd i Baasa a'i fab Ela bechu cymaint eu hunain a pheri i Israel bechu a digio ARGLWYDD Dduw Israel �'u heilunod.
14Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
14 Ac onid yw gweddill hanes Ela, a'r cwbl a wnaeth, wedi ei ysgrifennu yn llyfr hanesion brenhinoedd Israel?
15Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.
15 Yn y seithfed flwyddyn ar hugain i Asa brenin Jwda daeth Simri'n frenin am saith diwrnod yn Tirsa. Yr oedd y bobl yn gwersyllu yn erbyn Gibbethon, a oedd ym meddiant y Philistiaid;
16Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.
16 a phan glywsant fod Simri wedi cynllwyn a lladd y brenin, y diwrnod hwnnw yn y gwersyll gwnaeth holl Israel Omri, capten y llu, yn frenin ar Israel.
17Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.
17 Yna aeth Omri i fyny o Gibbethon, a holl Israel gydag ef, a gwarchae ar Tirsa.
18Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
18 A phan welodd Simri fod y ddinas wedi ei chipio, aeth i gaer tu375?'r brenin a llosgi tu375?'r brenin am ei ben, a bu farw.
19noho ny fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
19 Digwyddodd hyn oherwydd y pechodau a gyflawnodd drwy wneud drwg yng ngolwg yr ARGLWYDD a dilyn llwybr Jeroboam, a'r pechod a wnaeth ef i beri i Israel bechu.
20Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
20 Ac onid yw gweddill hanes Simri a'i gynllwyn wedi ei ysgrifennu yn llyfr hanesion brenhinoedd Israel?
21Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
21 Yr adeg honno rhannwyd cenedl Israel yn ddwy, gyda hanner y genedl yn dilyn Tibni fab Ginath i'w godi'n frenin, a'r hanner arall yn dilyn Omri.
22Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
22 Trechodd y bobl oedd yn dilyn Omri ddilynwyr Tibni fab Ginath, a phan fu Tibni farw, Omri oedd yn frenin.
23Tamin'ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
23 Yn yr unfed flwyddyn ar ddeg ar hugain i Asa brenin Jwda daeth Omri yn frenin ar Israel, a theyrnasu am ddeuddeng mlynedd.
24Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.
24 Wedi teyrnasu am chwe blynedd yn Tirsa, prynodd Fynydd Samaria gan Semer am ddwy dalent o arian, ac adeiladu ar y mynydd ddinas, a alwodd yn Samaria ar �l Semer perchennog y mynydd.
25Fa Omry nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
25 Ond gwnaeth Omri fwy o ddrwg yng ngolwg yr ARGLWYDD na phawb o'i flaen.
26fa nandeha tamin'ny lalana rehetra nalehan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
26 Dilynodd holl lwybr a phechod Jeroboam fab Nebat, a barodd i Israel bechu a digio ARGLWYDD Dduw Israel �'u heilunod.
27Ary ny tantaran'i Omry sisa mbamin'izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
27 Ac onid yw gweddill hanes Omri, ei hynt a'r gwrhydri a wnaeth, wedi ei ysgrifennu yn llyfr hanesion brenhinoedd Israel?
28Ary Omry lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
28 Pan fu farw Omri, claddwyd ef yn Samaria, a daeth ei fab Ahab yn frenin yn ei le.
29[Ny niantombohan'ny nanjahan'i Ahaba tamin'ny Isiraely] Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
29 Daeth Ahab fab Omri yn frenin ar Israel yn y ddeunawfed flwyddyn ar hugain i Asa brenin Jwda, a theyrnasodd Ahab fab Omri ar Israel yn Samaria am ddwy flynedd ar hugain.
30Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
30 Gwnaeth Ahab fab Omri fwy o ddrwg yng ngolwg yr ARGLWYDD na phawb o'i flaen.
31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
31 Ac fel petai'n ddibwys ganddo rodio ym mhechodau Jeroboam fab Nebat, fe gymerodd yn wraig Jesebel, merch Ethbaal brenin y Sidoniaid, ac yna addoli Baal ac ymgrymu iddo.
32Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
32 Cododd Ahab allor i Baal yn nhu375? Baal, a adeiladodd yn Samaria, a hefyd fe wnaeth ddelw o Asera.
33Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
33 Gwnaeth fwy i ddigio ARGLWYDD Dduw Israel na holl frenhinoedd Israel o'i flaen.
34Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
34 Yn ei adeg ef ailadeiladwyd Jericho gan Hiel o Fethel. Yr oedd ei sylfaenu wedi costio iddo Abiram, ei gyntafanedig, a gosod ei dorau wedi costio iddo Segub ei fab ieuengaf � yn unol � gair yr ARGLWYDD drwy Josua fab Nun.