1[Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda;
1 Daeth ysbryd Duw ar Asareia fab Oded,
2ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
2 ac fe aeth allan i gyfarfod Asa, a dweud wrtho, "O Asa, a holl Jwda a Benjamin, gwrandewch arnaf fi. Bydd yr ARGLWYDD gyda chwi os byddwch chwi gydag ef. Os ceisiwch ef, fe'i cewch; ond os cefnwch arno, bydd yntau yn cefnu arnoch chwithau.
3Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
3 Am amser maith bu Israel heb y gwir Dduw, heb offeiriad i'w dysgu a heb gyfraith.
4Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
4 Yn eu trybini dychwelsant at ARGLWYDD Dduw Israel, a'i geisio, ac amlygodd yntau ei hun iddynt.
5Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany.
5 Yn y cyfnod hwnnw nid oedd heddwch i neb yn ei fywyd beunyddiol, am fod trigolion y gwledydd mewn ymrafael parhaus;
6Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra.
6 dinistrid cenedl gan genedl, a dinas gan ddinas, am fod Duw yn eu poeni � phob aflwydd.
7Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
7 Ond byddwch chwi'n wrol! Peidiwch � llaesu dwylo, oherwydd fe gewch wobr am eich gwaith."
8Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah.
8 Pan glywodd Asa y geiriau hyn, sef y broffwydoliaeth gan Asareia fab Oded y proffwyd, fe ymwrolodd. Ysgubodd ymaith y pethau ffiaidd o holl wlad Jwda a Benjamin, ac o'r dinasoedd a enillodd ym mynydd-dir Effraim, ac ad-newyddodd allor yr ARGLWYDD a safai o flaen porth teml yr ARGLWYDD.
9Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
9 Casglodd ynghyd holl Jwda a Benjamin, a phob dieithryn o Effraim, Manasse a Simeon oedd yn byw gyda hwy, oherwydd yr oedd llawer iawn o Israeliaid wedi dod i lawr at Asa pan welsant fod yr ARGLWYDD ei Dduw gydag ef.
10Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa.
10 Daethant ynghyd i Jerwsalem yn y trydydd mis o'r bymthegfed flwyddyn o deyrnasiad Asa.
11Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.
11 Y diwrnod hwnnw aberthasant i'r ARGLWYDD saith gant o wartheg a saith mil o ddefaid o'r anrhaith a ddygasant.
12Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
12 Gwnaethant gyfamod i geisio ARGLWYDD Dduw eu hynafiaid �'u holl galon ac �'u holl enaid.
13ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
13 Yr oedd pwy bynnag a wrthodai geisio ARGLWYDD Dduw Israel i'w roi i farwolaeth, boed fach neu fawr, gu373?r neu wraig.
14Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy.
14 Tyngasant i'r ARGLWYDD � llais uchel a bloedd, a thrwmpedau ac utgyrn.
15Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay.
15 Gorfoleddodd holl Jwda o achos y llw, am iddynt ei dyngu �'u holl galon; ceisiasant yr ARGLWYDD o'u gwirfodd, a datguddiodd yntau ei hun iddynt. Felly rhoes yr ARGLWYDD lonydd iddynt oddi amgylch.
16Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
16 Yna fe ddiswyddodd y Brenin Asa ei fam Maacha o fod yn fam frenhines, am iddi lunio ffieiddbeth ar gyfer Asera. Drylliodd Asa ei delw yn ddarnau, a'i llosgi yn nant Cidron.
17Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra.
17 Ni symudwyd yr uchelfeydd o Israel; eto yr oedd calon Asa yn berffaith gywir ar hyd ei oes.
18Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.
18 Dygodd i du375?'r ARGLWYDD yr addunedau o arian, aur a llestri a addawodd ei dad ac yntau.
19Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.
19 Ac ni bu rhyfel hyd y bymthegfed flwyddyn ar hugain o deyrnasiad Asa.