Malagasy

Welsh

2 Chronicles

29

1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray] Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.
1 Pump ar hugain oed oedd Heseceia pan ddaeth yn frenin, a theyrnasodd am naw mlynedd ar hugain yn Jerwsalem. Abeia ferch Sechareia oedd enw ei fam.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
2 Gwnaeth yr hyn oedd uniawn yng ngolwg yr ARGLWYDD, yn hollol fel y gwnaeth ei dad Dafydd.
3Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
3 Yn y mis cyntaf o'r flwyddyn gyntaf o'i deyrnasiad agorodd ddrysau tu375?'r ARGLWYDD a'u hatgyweirio.
4Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
4 Cynullodd yr offeiriaid a'r Lefiaid yn y sgw�r ar yr ochr ddwyreiniol,
5Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
5 a dweud wrthynt, "Lefiaid, gwrandewch arnaf fi. Ym-gysegrwch yn awr, a chysegrwch du375?'r ARGLWYDD, Duw eich hynafiaid, a dewch � phob aflendid allan o'r cysegr.
6Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.
6 Oherwydd troseddodd ein hynafiaid, a gwneud drwg yng ngolwg yr ARGLWYDD ein Duw, ei wrthod, a throi oddi wrth babell yr ARGLWYDD a chefnu arni.
7Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.
7 Hefyd caeasant ddrysau'r cyntedd a diffodd y lampau; peidiasant ag arogldarthu ac offrymu poethoffrymau yn y cysegr i Dduw Israel.
8Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana]
8 Felly daeth llid yr ARGLWYDD ar Jwda a Jerwsalem a'u gwneud yn destun arswyd, syndod a gwatwar, fel y gwelwch �'ch llygaid eich hun.
9Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
9 Ystyriwch fel y syrthiodd ein hynafiaid trwy fin y cleddyf, ac fel yr aeth ein meibion, ein merched a'n gwragedd i gaethiwed o achos hyn.
10Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
10 Yn awr, yr wyf �'m bryd ar wneud cyfamod �'r ARGLWYDD, Duw Israel, er mwyn troi ei lid tanbaid oddi wrthym.
11Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
11 Felly, gymrodyr, peidiwch � bod yn esgeulus, oherwydd dewisodd yr ARGLWYDD chwi i sefyll ger ei fron er mwyn gweini arno ac arogldarthu iddo."
12Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;
12 Yna cododd y Lefiaid, sef Mahath fab Amasai a Joel fab Asareia o deulu'r Cohathiaid, Cis fab Abdi ac Asareia fab Jehaleleel o deulu Merari, Joa fab Simma ac Eden fab Joa o deulu'r Gersoniaid,
13ary tamin'ny taranak'i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy Matania;
13 Simri a Jeiel o deulu Elisaffan, Sechareia a Mattaneia o deulu Asaff,
14ary tamin'ny taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
14 Jehiel a Simei o deulu Heman, a Semaia ac Ussiel o deulu Jeduthun.
15Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.
15 Cynullasant eu cymrodyr ac ymgysegru; yna aethant i buro tu375?'r ARGLWYDD yn �l gorchymyn y brenin trwy air yr ARGLWYDD.
16Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
16 Aeth yr offeiriaid i mewn i du375?'r ARGLWYDD i'w buro; daethant � phopeth halogedig a oedd yn y deml allan i gwrt tu375?'r ARGLWYDD. Oddi yno aeth y Lefiaid � hwy allan i nant Cidron.
17Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.
17 Dechreusant sancteiddio ar y dydd cyntaf o'r mis cyntaf, ac erbyn yr wythfed dydd o'r mis yr oeddent wedi cyrraedd cyntedd yr ARGLWYDD. Am wyth diwrnod buont yn sancteiddio tu375?'r ARGLWYDD, a gorffen ar yr unfed dydd ar bymtheg o'r mis cyntaf.
18Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.
18 Yna aethant i'r palas at y Brenin Heseceia, a dweud, "Yr ydym wedi puro tu375?'r ARGLWYDD drwyddo, a hefyd allor y poethoffrwm a bwrdd y bara gosod a'u holl lestri.
19Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.
19 Yr ydym hefyd wedi paratoi a chysegru'r holl lestri a daflwyd allan gan y Brenin Ahas yn ystod ei deyrnasiad, pan oedd yn anffyddlon; y maent yn awr o flaen allor yr ARGLWYDD."
20Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah.
20 Yna cododd y Brenin Heseceia yn fore, a chynnull swyddogion y ddinas a mynd i fyny i du375?'r ARGLWYDD.
21Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
21 Daethant � saith bustach, saith hwrdd, saith oen a saith bwch gafr yn aberth dros bechod ar ran y frenhiniaeth, y cysegr, a Jwda; a gorchmynnodd y brenin i'r offeiriaid, meibion Aaron, eu hoffrymu ar allor yr ARGLWYDD.
22Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
22 Felly lladdwyd y bustych, a derbyniodd yr offeiriaid eu gwaed a'i luchio yn erbyn yr allor; wedyn lladdwyd yr hyrddod a'r u373?yn, a lluchio'r gwaed yn erbyn yr allor.
23Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
23 Daethant � bychod yr aberth dros bechod o flaen y brenin a'r gynulleidfa, a gosod eu dwylo arnynt;
24dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
24 yna lladdodd yr offeiriaid hwy a chyflwyno'u gwaed yn aberth dros bechod ar yr allor, i wneud cymod dros holl Israel. Oherwydd gorchmynnodd y brenin y dylid offrymu poethoffrwm ac aberth dros bechod ar ran Israel gyfan.
25Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
25 Gosododd Heseceia y Lefiaid yn nhu375?'r ARGLWYDD gyda symbalau, nablau a thelynau yn �l gorchymyn Dafydd, a Gad gweledydd y brenin, a Nathan y proffwyd; gorchymyn oedd hwn a ddaeth oddi wrth yr ARGLWYDD trwy ei broffwydi.
26Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
26 Safodd y Lefiaid gydag offerynnau Dafydd, a'r offeiriaid gyda'r trwmpedau.
27Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
27 Rhoddodd Heseceia orchymyn i offrymu'r poethoffrwm ar yr allor; a phan ddechreuodd y poethoffrwm, fe ddechreuodd c�n i'r ARGLWYDD gyda'r trwmpedau ac offerynnau Dafydd brenin Israel.
28Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.
28 Yr oedd yr holl gynulleidfa yn ymgrymu, y cantorion yn canu a'r trwmpedau yn seinio; parhaodd y cwbl nes gorffen y poethoffrwm.
29Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.
29 Wedi gorffen offrymu, plygodd y brenin, a phawb oedd gydag ef, ac ymgrymu.
30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
30 Gorchmynnodd y Brenin Heseceia a'r swyddogion i'r Lefiaid foliannu'r ARGLWYDD yng ngeiriau Dafydd ac Asaff y gweledydd. Felly canasant fawl yn llawen, ac ymostwng ac ymgrymu.
31Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]
31 Dywedodd Heseceia, "Yr ydych yn awr wedi ymgysegru i'r ARGLWYDD; dewch i'w du375? gydag aberthau ac offrymau diolch." Felly dygodd y gynulleidfa aberthau ac offrymau diolch, a daeth pob un ewyllysgar � phoethoffrymau.
32Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
32 Nifer y poeth-offrymau a ddygodd y gynulleidfa oedd deg a thrigain o fustych, cant o hyrddod a dau gant o u373?yn, pob un yn boethoffrwm i'r ARGLWYDD;
33Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo.
33 nifer yr offrymau cysegredig oedd chwe chant o fustych a thair mil o ddefaid.
34Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
34 Ond nid oedd digon o offeiriaid i flingo'r holl boethoffrymau; felly cynorthwyodd eu brodyr y Lefiaid hwy i orffen y gwaith, nes i fwy o offeiriaid ymgysegru, oherwydd yr oedd y Lefiaid yn cymryd mwy o ofal wrth ymgysegru na'r offeiriaid.
35Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
35 Yn ogystal � llawer iawn o boethoffrymau, yr oedd yno fraster yr heddoffrymau a diodoffrymau ar gyfer y poethoffrymau. Fel hyn yr ail-drefnwyd gwasanaeth tu375?'r ARGLWYDD.
36Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.
36 Llawenhaodd Heseceia a'r holl bobl am yr hyn a wnaeth Duw iddynt, oherwydd fe ddigwyddodd y peth mor ddisymwth.