1Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
1 Cadwodd Joseia Basg i'r ARGLWYDD yn Jerwsalem; lladdasant oen y Pasg ar y pedwerydd dydd ar ddeg o'r mis cyntaf.
2Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
2 Gosododd yr offeiriaid ar ddyletswydd, a'u hannog i wasanaethu yn nhu375? yr ARGLWYDD.
3Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
3 Dywedodd wrth y Lefiaid oedd yn sanctaidd i'r ARGLWYDD ac yn dysgu holl Israel, "Rhowch yr arch sanctaidd yn y tu375? a adeiladodd Solomon fab Dafydd, brenin Israel; nid ydych i'w chario ar eich ysgwyddau. Yn awr, gwasanaethwch yr ARGLWYDD eich Duw a'i bobl Israel.
4ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.
4 Paratowch eich hunain fesul teulu yn �l eich dosbarthiadau, fel yr ysgrifennodd Dafydd brenin Israel a'i fab Solomon.
5Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.
5 Safwch yn y cysegr dros eich pobl leyg fesul teulu yn �l eich dosbarthiadau; y mae gan y Lefiaid gyfran ym mhob teulu.
6Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.
6 Lladdwch oen y Pasg; ymgysegrwch a pharatoi, er mwyn i'ch pobl wneud yn �l gair yr ARGLWYDD trwy Moses."
7Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
7 Rhoddodd Joseia i'r holl bobl oedd yn bresennol ddeng mil ar hugain o ddefaid, sef u373?yn a mynnod, a thair mil o ychen ar gyfer y Pasg; daeth y cwbl o'r drysorfa frenhinol.
8Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
8 Hefyd, rhoddodd ei swyddogion o'u gwirfodd i'r bobl, a'r offeiriaid a'r Lefiaid. Rhoddodd Hilceia, Sechareia a Jehiel, prif swyddogion tu375? Dduw, ddwy fil a chwe chant o ddefaid a thri chant o ychen i'r offeiriaid ar gyfer y Pasg.
9Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
9 A rhoddodd Cononeia a'i frodyr Semaia a Nethaneel, a Hasabeia, Jehiel a Josabad, swyddogion y Lefiaid, bum mil o ddefaid a phum cant o ychen ar gyfer y Pasg.
10Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.
10 Felly paratowyd y gwasanaeth, a safodd yr offeiriaid yn eu lle a'r Lefiaid yn eu dosbarthiadau, yn �l gorchymyn y brenin.
11Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
11 Lladdasant oen y Pasg, a lluchiodd yr offeiriaid beth o'r gwaed ar yr allor tra oedd y Lefiaid yn blingo'r anifeiliaid.
12Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.
12 Yna aethant �'r poethoffrymau ymaith i'w dosbarthu yn �l rhaniadau teuluoedd y bobl, er mwyn iddynt offrymu i'r ARGLWYDD fel y mae'n ysgrifenedig yn llyfr Moses; felly hefyd y gwnaethant �'r ychen.
13Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
13 Rhostiwyd oen y Pasg ar y t�n, yn �l y ddefod, a berwi'r pethau cysegredig mewn crochanau, peiriau a phedyll, a'u rhannu ar frys i'r holl bobl.
14Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.
14 Yna paratoesant ar eu cyfer eu hunain ac ar gyfer yr offeiriaid, oherwydd yr oedd yr offeiriaid, meibion Aaron, wedi bod yn aberthu'r poethoffrwm a'r offrymau o fraster hyd yr hwyr. Fel hyn y parat�dd y Lefiaid ar eu cyfer eu hunain a'r offeiriaid, meibion Aaron.
15Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
15 Yr oedd y cantorion, meibion Asaff, yn eu lle yn �l gorchymyn Dafydd: Asaff, Heman a Jeduthun, gweledydd y brenin; ac yr oedd pob un o'r porthorion wrth ei borth. Nid oedd raid iddynt adael eu gwaith, oherwydd yr oedd eu brodyr y Lefiaid yn paratoi ar eu cyfer.
16Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
16 Fel hyn y paratowyd holl wasanaeth yr ARGLWYDD y diwrnod hwnnw, er mwyn cadw'r Pasg ac offrymu poethoffrymau ar allor yr ARGLWYDD yn �l gorchymyn y Brenin Joseia.
17Ary ny Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
17 Yr adeg honno cadwodd yr Israeliaid oedd yn bresennol y Pasg a gu373?yl y Bara Croyw am saith diwrnod.
18Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
18 Ni chadwyd Pasg fel hwn yn Israel er dyddiau Samuel y proffwyd, ac ni chadwodd yr un o frenhinoedd Israel y Pasg fel y cadwodd Joseia ef gyda'r offeiriaid, y Lefiaid, pawb oedd yn bresennol o Jwda ac Israel, a thrigolion Jerwsalem.
19Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.
19 Yn y ddeunawfed flwyddyn o deyrnasiad Joseia y cadwyd y Pasg hwn.
20Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
20 Ar �l hyn oll, pan oedd Joseia wedi paratoi'r deml, daeth Necho brenin yr Aifft i fyny i ymladd yn Carchemis ar lan afon Ewffrates, ac aeth Joseia allan i'w gyfarfod.
21Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
21 Ond anfonodd Necho negeswyr ato i ddweud, "Beth sydd a wnelwyf fi � thi, brenin Jwda? Nid yn dy erbyn di yr wyf fi wedi dod yma heddiw, ond i ymladd yn erbyn teyrnas arall. Dywedodd Duw wrthyf am frysio, a phaid ti � rhwystro'r Duw sydd gyda mi, rhag iddo dy ddifa."
22Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.
22 Ond ni throdd Joseia oddi wrtho, oherwydd yr oedd yn benderfynol o ymladd ag ef; gwrthododd wrando ar eiriau Necho, a ddaeth oddi wrth Dduw, ac aeth i ymladd yn nyffryn Megido.
23Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
23 Saethwyd y Brenin Joseia gan y saethyddion, a dywedodd wrth ei weision, "Ewch � mi ymaith, oherwydd cefais fy nghlwyfo'n ddrwg."
24Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
24 Tynnodd ei weision ef allan o'r cerbyd, a'i roi yn ei ail gerbyd a mynd ag ef i Jerwsalem. Bu farw yno ac fe'i claddwyd ym meddrod ei hynafiaid, a galarodd holl Jwda a Jerwsalem amdano.
25Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.
25 Gwnaeth Jeremeia alarnad am Joseia, a hyd heddiw y mae pob canwr a chantores yn s�n amdano yn eu galarnadau. Y mae caniadau o'r fath yn ddefod yn Israel, ac y maent wedi eu hysgrifennu yn y Galarnadau.
26Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
26 Am weddill hanes Joseia, ei ddaioni yn gwneud yn �l yr hyn a ysgrifennwyd yng nghyfraith yr ARGLWYDD,
27dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
27 a'i weithredoedd o'r dechrau i'r diwedd, y maent wedi eu hysgrifennu yn llyfr brenhinoedd Israel a Jwda.