Malagasy

Welsh

2 Samuel

3

1[Ny nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
1 Parhaodd y rhyfel rhwng teulu Saul a theulu Dafydd yn hir, gyda Dafydd yn mynd yn gryfach, a theulu Saul yn mynd yn wannach.
2Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
2 Ganwyd meibion i Ddafydd yn Hebron. Ei gyntafanedig oedd Amnon, plentyn Ahinoam o Jesreel.
3ary Kileaba, tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;
3 Yr ail oedd Chileab, plentyn Abigail, gwraig Nabal, o Garmel; y trydydd oedd Absalom, mab Maacha merch Talmai brenin Gesur.
4ary ny fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala;
4 Y pedwerydd oedd Adoneia mab Haggith; y pumed oedd Seffatia mab Abital;
5ary ny fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona.
5 a'r chweched, Ithream, plentyn Egla gwraig Dafydd. Dyma'r rhai a anwyd i Ddafydd yn Hebron.
6Ary raha mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly.
6 Tra oedd rhyfel rhwng teulu Saul a theulu Dafydd, yr oedd Abner yn ennill mwy a mwy o ddylanwad gyda theulu Saul.
7(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky?
7 Bu gan Saul ordderch o'r enw Rispa ferch Aia; a phan ddywedodd Isboseth wrth Abner, "Pam yr aethost i mewn at ordderch fy nhad?"
8Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
8 fe lidiodd Abner yn fawr oherwydd geiriau Isboseth, ac atebodd, "Ai penci ar ochr Jwda wyf fi? Hyd yma b�m yn deyrngar i deulu dy dad Saul, ac i'w berthnasau a'i gyfeillion; ac ni adewais i ti syrthio i ddwylo Dafydd, a dyma ti heddiw yn edliw imi drosedd gyda benyw.
9Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
9 Gwnaed Duw fel hyn i mi, Abner, a rhagor hefyd, os na wnaf dros Ddafydd yr hyn a addawodd yr ARGLWYDD iddo,
10ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
10 a thynnu'r frenhiniaeth oddi ar deulu Saul a sefydlu Dafydd ar orsedd Israel a Jwda, o Dan hyd Beerseba."
11Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
11 Ni fedrai Isboseth yngan yr un gair wrth Abner wedi hyn, oherwydd bod arno ei ofn.
12Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]
12 Anfonodd Abner negeswyr ar ei ran at Ddafydd i ddweud, "Pwy biau'r wlad? Gwna di gyfamod � mi, ac yna bydd fy llaw o'th blaid i droi Israel gyfan atat."
13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.
13 Atebodd yntau, "Ardderchog! Fe wnaf fi gyfamod � thi; ond yr wyf am hawlio un peth gennyt: ni chei weld fy wyneb, heb iti ddod � Michal ferch Saul gyda thi, pan ddoi i'm gweld."
14Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]
14 Yna anfonodd Dafydd negeswyr at Isboseth fab Saul, a dweud, "Rho imi fy ngwraig Michal, a ddywedd�ais imi am gant o flaengrwyn Philistiaid."
15Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.
15 Anfonodd Isboseth a'i chymryd oddi wrth ei gu373?r Paltiel fab Lais.
16Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
16 Dilynodd ei gu373?r yn wylofus ar ei h�l hyd Bahurim, ond wedi i Abner ddweud wrtho, "Dos yn d'�l", fe ddychwelodd adref.
17Ary Abnera efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i Davida ho mpanjakanareo;
17 Anfonodd Abner air at henuriaid Israel a dweud, "Ers tro byd buoch yn ceisio cael Dafydd yn frenin arnoch.
18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra.
18 Yn awr, gweithredwch; oherwydd y mae'r ARGLWYDD wedi dweud am Ddafydd, 'Trwy law fy ngwas Dafydd y gwaredaf fy mhobl Israel oddi wrth y Philistiaid a'u gelynion i gyd.'"
19Ary Abnera efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao.
19 Siaradodd Abner hefyd � llwyth Benjamin. Yna aeth Abner i Hebron i ddweud wrth Ddafydd y cwbl yr oedd Israel a llwyth Benjamin wedi cytuno arno.
20Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
20 Daeth Abner at Ddafydd i Hebron gydag ugain o ddynion, a gwnaeth Dafydd wledd i Abner a'i ddynion.
21Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
21 Yna dywedodd Abner wrth Ddafydd, "Yr wyf am fynd yn awr i gasglu Israel gyfan ynghyd at f'arglwydd frenin, er mwyn iddynt wneud cyfamod � thi; yna byddi'n frenin ar y cyfan yr wyt yn ei chwenychu." Gadawodd Dafydd i Abner fynd ymaith, ac aeth yntau mewn heddwch.
22Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
22 Ar hynny, cyrhaeddodd dilynwyr Dafydd gyda Joab; yr oeddent wedi bod ar gyrch, ac yn dwyn llawer o ysbail gyda hwy. Nid oedd Abner gyda Dafydd yn Hebron, oherwydd bod Dafydd wedi gadael iddo fynd mewn heddwch.
23Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
23 Pan gyrhaeddodd Joab a'r holl lu oedd gydag ef, clywodd fod Abner fab Ner wedi bod gyda'r brenin, a'i fod yntau wedi gadael iddo fynd mewn heddwch.
24Ary Joaba nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
24 Aeth Joab at y brenin a dweud, "Beth wyt ti wedi ei wneud? Fe ddaeth Abner yma atat; pam y gadewaist iddo fynd ymaith?
25Fantatrao anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
25 Yr wyt yn adnabod Abner fab Ner; i'th dwyllo di y daeth, ac i gael gwybod dy holl symudiadau a phopeth yr wyt yn ei wneud."
26Dia nivoaka Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany.
26 Pan aeth Joab allan oddi wrth Ddafydd, anfonodd negeswyr ar �l Abner, a daethant ag ef yn �l o ffynnon Sira heb yn wybod i Ddafydd.
27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny.
27 Pan ddychwelodd Abner i Hebron, cymerodd Joab ef o'r neilltu yng nghanol y porth, fel pe bai am siarad yn gyfrinachol ag ef. Ond trawodd ef yn ei fol o achos gwaed ei frawd Asahel, a bu farw yno.
28Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i Nera.
28 Wedi i'r peth ddigwydd y clywodd Dafydd, a dywedodd, "Dieuog wyf fi a'm teyrnas am byth gerbron yr ARGLWYDD ynglu375?n � gwaed Abner fab Ner;
29Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
29 bydded ei waed ar Joab a'i holl deulu! Na fydded teulu Joab heb aelod diferllyd, neu wahanglwyfus, neu ar ei faglau, neu glwyfedig gan gleddyf, neu brin o fwyd!"
30Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady.
30 Yr oedd Joab a'i frawd Abisai wedi llofruddio Abner oherwydd iddo ef ladd eu brawd Asahel yn y frwydr yn Gibeon.
31Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay]
31 Dywedodd Dafydd wrth Joab a'r holl bobl oedd gydag ef, "Rhwygwch eich dillad a gwisgwch sachliain a gwnewch alar o flaen Abner." Cerddodd y Brenin Dafydd ar �l yr elor,
32Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
32 a chladdwyd Abner yn Hebron. Wylodd y brenin yn uchel uwchben bedd Abner ac yr oedd yr holl bobl yn wylo hefyd.
33Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera?
33 Yna canodd y brenin yr alarnad hon am Abner:
34Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
34 "A oedd raid i Abner farw fel ynfytyn? Nid oedd dy ddwylo wedi eu rhwymo, na'th draed ynghlwm mewn cyffion. Syrthiaist fel un yn syrthio o flaen rhai twyllodrus." Ac yr oedd yr holl bobl yn parhau i wylo drosto.
35Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
35 Daeth y bobl i gyd i gymell Dafydd i fwyta tra oedd yn olau dydd; ond aeth Dafydd ar ei lw, "Fel hyn y gwnelo Duw i mi, a rhagor, os cyffyrddaf � bara neu ddim oll cyn machlud haul."
36Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
36 Cymerodd pawb sylw o hyn, ac yr oedd yn dda ganddynt, fel yr oedd y cwbl a wn�i'r brenin yn dda yng ngolwg yr holl bobl.
37Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera.
37 Yr oedd yr holl bobl ac Israel gyfan yn sylweddoli y diwrnod hwnnw nad oedd a wnelo'r brenin ddim � lladd Abner fab Ner.
38Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin'ny Isiraely?Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
38 Dywedodd y brenin wrth ei ddilynwyr, "Onid ydych yn sylweddoli fod pendefig a gu373?r mawr wedi syrthio heddiw yn Israel?
39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
39 Er imi gael f'eneinio'n frenin, yr wyf heddiw yn wan, ac y mae'r dynion hyn, meibion Serfia, yn rhy arw i mi; bydded i'r ARGLWYDD dalu i'r sawl sy'n gwneud drwg, yn �l ei ddrygioni."