Malagasy

Welsh

Esther

5

1[Ny naneken'ny mpanjaka ny tenin'i Estera, sy ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay] Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
1 Ar y trydydd dydd, rhoddodd Esther ei gwisg frenhinol amdani a sefyll yng nghyntedd mewnol y palas gyferbyn ag ystafell y brenin. Yr oedd y brenin yn eistedd ar ei orsedd frenhinol yn y palas gyferbyn �'r fynedfa.
2Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
2 Pan welodd y brenin y Frenhines Esther yn sefyll yn y cyntedd, fe enillodd hi ei ffafr, ac estynnodd ati'r deyrnwialen aur oedd yn ei law; daeth hithau yn nes a chyffwrdd � blaen y deyrnwialen.
3Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
3 Yna dywedodd y brenin wrthi, "Beth sy'n bod, Frenhines Esther? Beth bynnag a geisi, hyd hanner fy nheyrnas, fe'i cei."
4Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
4 Atebodd Esther, "Os gw�l y brenin yn dda, hoffwn iddo ef a Haman ddod i'r wledd a baratoais iddo heddiw."
5Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin'i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
5 Gorchmynnodd y brenin gyrchu Haman ar frys, er mwyn gwneud fel y dymunai Esther; yna fe aeth y brenin a Haman i'r wledd a barat�dd Esther.
6Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
6 Wrth iddynt yfed gwin, dywedodd y brenin wrth Esther, "Fe gei di beth bynnag y gofynni amdano. Gwneir beth bynnag a fynni, hyd hanner y deyrnas."
7Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
7 Atebodd Esther, "Dyma fy nghais a'm dymuniad:
8Raha mahita fitia eto imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny mpanjaka ihany aho.
8 os cefais ffafr yng ngolwg y brenin, ac os gw�l ef yn dda roi fy neisyfiad a gwneud fy nymuniad, bydded i'r brenin a Haman ddod i'r wledd yr wyf fi am ei pharatoi iddynt; yna yfory gwnaf fel y mae'r brenin yn dweud."
9Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
9 Y diwrnod hwnnw aeth Haman allan yn llawen a hapus. Ond pan welodd ef Mordecai ym mhorth y brenin, ac yntau'n gwrthod codi na dangos parch tuag ato, gwylltiodd yn enbyd ag ef;
10Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
10 ond ymataliodd, ac aeth adref. Yna galwodd ar ei gyfeillion, a'i wraig Seres,
11Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.
11 ac adroddodd wrthynt am ei olud mawr, am nifer ei feibion, ac am y modd y dyrchafodd y brenin ef trwy ei osod uwchlaw'r tywysogion a'r gweision.
12Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin'ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny mpanjaka ho amin'ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka aho koa rahampitso.
12 Ac ychwanegodd, "Ni wahoddodd y Frenhines Esther neb ond myfi i fynd gyda'r brenin i'r wledd a wnaeth; ac fe'm gwahoddodd i fynd ati yfory eto gyda'r brenin.
13Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho.Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
13 Ond nid yw hyn oll yn rhoi unrhyw foddhad i mi tra gwelaf Mordecai yr Iddew yn eistedd ym mhorth y brenin."
14Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
14 Dywedodd Seres ei wraig a phob un o'i gyfeillion wrtho, "Gwneler crocbren hanner can cufydd o uchder, ac yn y bore dywed wrth y brenin am grogi Mordecai arno. Yna dos yn llawen i'r wledd gyda'r brenin." Yr oedd hyn wrth fodd Haman, ac fe wnaeth y crocbren.