1[Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
1 Yna clywais lais uchel yn dweud, "Dewch �'r rhai sydd i gosbi'r ddinas, pob un ag arf distryw yn ei law."
2Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
2 Gwelais chwech o ddynion yn dod o gyfeiriad y porth uchaf, sy'n wynebu'r gogledd, pob un ag arf marwol yn ei law; gyda hwy yr oedd dyn wedi ei wisgo � lliain, ac offer ysgrifennu wrth ei wasg. Daethant i mewn a sefyll gyferbyn �'r allor bres.
3Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
3 Yna cododd gogoniant Duw Israel i fyny oddi ar y cerwbiaid, lle bu'n aros, a mynd at riniog y deml. Galwodd yr ARGLWYDD ar y dyn oedd wedi ei wisgo � lliain, ac offer ysgrifennu wrth ei wasg,
4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
4 a dweud wrtho, "Dos trwy ganol y ddinas, trwy ganol Jerwsalem, a rho nod ar dalcen pob un sy'n gofidio ac yn galaru am yr holl bethau ffiaidd a wneir ynddi."
5Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
5 A dywedodd yn fy nghlyw wrth y lleill, "Ewch trwy'r ddinas ar ei �l ef, a lladdwch; peidiwch � thosturio na thrugarhau.
6Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.
6 Lladdwch hynafgwyr, gwu375?r ifainc a llancesi, gwragedd a phlant; ond peidiwch � chyffwrdd ag unrhyw un sydd � nod arno. Dechreuwch yn fy nghysegr." A dechreuodd y dynion gyda'r henuriaid oedd o flaen y deml.
7Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
7 Yna dywedodd wrthynt, "Halogwch y deml, a llanwch y cynteddoedd �'r rhai a laddwyd; ewch allan." Aethant allan a lladd trwy'r ddinas.
8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
8 Tra oeddent yn lladd, a minnau wedi fy ngadael ar fy mhen fy hun, syrthiais ar fy wyneb, a gwaeddais a dweud, "O Arglwydd DDUW, a ddistrywi di holl weddill Israel wrth dywallt dy lid ar Jerwsalem?"
9Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
9 Atebodd fi, "Y mae drygioni tu375? Israel a Jwda yn hynod fawr; y mae'r wlad yn llawn o dywallt gwaed, a'r ddinas yn llawn anghyfiawnder, am eu bod yn dweud, 'Gadawodd yr ARGLWYDD y wlad; nid yw'r ARGLWYDD yn gweld.'
10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.[Heb. lalany]Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
10 Nid wyf fi am dosturio na thrugarhau; talaf iddynt am eu ffyrdd."
11Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
11 A dyna'r dyn oedd wedi ei wisgo � lliain, ac offer ysgrifennu wrth ei wasg, yn dod � gair yn �l a dweud, "Yr wyf wedi gwneud fel y gorchmynnaist."