1[Ny amin'ny famelan-keloka] Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
1 1 I Ddafydd. Masc�l.0 Gwyn ei fyd y sawl y maddeuwyd ei drosedd, ac y cuddiwyd ei bechod.
2Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
2 Gwyn ei fyd y sawl nad yw'r ARGLWYDD yn cyfrif ei fai yn ei erbyn, ac nad oes dichell yn ei ysbryd.
3Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
3 Tra oeddwn yn ymatal, yr oedd fy esgyrn yn darfod, a minnau'n cwyno ar hyd y dydd.
4Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona.
4 Yr oedd dy law yn drwm arnaf ddydd a nos; sychwyd fy nerth fel gan wres haf. Sela.
5Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
5 Yna, bu imi gydnabod fy mhechod wrthyt, a pheidio � chuddio fy nrygioni; dywedais, "Yr wyf yn cyffesu fy mhechodau i'r ARGLWYDD"; a bu i tithau faddau euogrwydd fy mhechod. Sela.
6Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
6 Am hynny fe wedd�a pob un ffyddlon arnat ti yn nydd cyfyngder, a phan ddaw llifeiriant o ddyfroedd mawr, ni fyddant yn cyrraedd ato ef.
7Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
7 Yr wyt ti'n gysgod i mi; cedwi fi rhag cyfyngder; amgylchi fi � chaneuon gwaredigaeth. Sela.
8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
8 Hyfforddaf di a'th ddysgu yn y ffordd a gymeri; fe gadwaf fy ngolwg arnat.
9Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
9 Paid � bod fel march neu ful direswm y mae'n rhaid wrth ffrwyn a genfa i'w dofi cyn y d�nt atat.
10Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po.Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
10 Daw poenau lawer i'r drygionus; ond am y sawl sy'n ymddiried yn yr ARGLWYDD, bydd ffyddlondeb yn ei amgylchu.
11Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
11 Llawenhewch yn yr ARGLWYDD, a gorfoleddwch, rai cyfiawn; canwch yn uchel, pob un o galon gywir.