Malagasy

Welsh

Psalms

44

1[Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
1 1 I'r Cyfarwyddwr: i feibion Cora. Masc�l.0 O Dduw, clywsom �'n clustiau, dywedodd ein hynafiaid wrthym am y gwaith a wnaethost yn eu dyddiau hwy, yn y dyddiau gynt �'th law dy hun.
2Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
2 Gyrraist genhedloedd allan, ond eu plannu hwy; difethaist bobloedd, ond eu llwyddo hwy;
3Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
3 oherwydd nid �'u cleddyf y cawsant y tir, ac nid �'u braich y cawsant fuddugoliaeth, ond trwy dy ddeheulaw a'th fraich di, a llewyrch dy wyneb, am dy fod yn eu hoffi.
4Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
4 Ti yw fy Mrenin a'm Duw, ti sy'n rhoi buddugoliaeth i Jacob.
5Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
5 Trwot ti y darostyngwn ein gelynion, trwy dy enw y sathrwn ein gwrthwynebwyr.
6Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
6 Oherwydd nid yn fy mwa yr ymddiriedaf, ac nid fy nghleddyf a'm gwareda.
7Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
7 Ond ti a'n gwaredodd rhag ein gelynion a chywilyddio'r rhai sy'n ein cas�u.
8Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
8 Yn Nuw yr ydym erioed wedi ymffrostio, a chlodforwn dy enw am byth. Sela.
9Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao.
9 Ond yr wyt wedi'n gwrthod a'n darostwng, ac nid ei allan mwyach gyda'n byddinoedd.
10Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
10 Gwnei inni gilio o flaen y gelyn, a chymerodd y rhai sy'n ein cas�u yr ysbail.
11Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
11 Gwnaethost ni fel defaid i'w lladd, a'n gwasgaru ymysg y cenhedloedd.
12Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
12 Gwerthaist dy bobl am y nesaf peth i ddim, ac ni chefaist elw o'r gwerthiant.
13Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
13 Gwnaethost ni'n warth i'n cymdogion, yn destun gwawd a dirmyg i'r rhai o'n hamgylch.
14Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.
14 Gwnaethost ni'n ddihareb ymysg y cenhedloedd, ac y mae'r bobloedd yn ysgwyd eu pennau o'n plegid.
15Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
15 Y mae fy ngwarth yn fy wynebu beunydd, ac yr wyf wedi fy ngorchuddio � chywilydd
16Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
16 o achos llais y rhai sy'n fy ngwawdio a'm difr�o, ac oherwydd y gelyn a'r dialydd.
17Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
17 Daeth hyn i gyd arnom, a ninnau heb dy anghofio na bod yn anffyddlon i'th gyfamod.
18Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
18 Ni throdd ein calon oddi wrthyt, ac ni chamodd ein traed o'th lwybrau,
19Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
19 i beri iti ein hysigo yn nhrigfa'r siacal a'n gorchuddio � thywyllwch dudew.
20Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
20 Pe baem wedi anghofio enw ein Duw ac estyn ein dwylo at dduw estron,
21Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
21 oni fyddai Duw wedi canfod hyn? Oherwydd gu373?yr ef gyfrinachau'r galon.
22Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
22 Ond er dy fwyn di fe'n lleddir drwy'r dydd, a'n trin fel defaid i'w lladd.
23Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
23 Ymysgwyd! pam y cysgi, O Arglwydd? Deffro! paid �'n gwrthod am byth.
24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
24 Pam yr wyt yn cuddio dy wyneb ac yn anghofio'n hadfyd a'n gorthrwm?
25Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
25 Y mae ein henaid yn ymostwng i'r llwch, a'n cyrff yn wastad �'r ddaear.
26Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
26 Cyfod i'n cynorthwyo. Gwareda ni er mwyn dy ffyddlondeb.