1[Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
1 1 Salm. I Ddafydd, pan oedd yn anialwch Jwda.0 O Dduw, ti yw fy Nuw, fe'th geisiaf di; y mae fy enaid yn sychedu amdanat, a'm cnawd yn dihoeni o'th eisiau, fel tir sych a diffaith heb ddu373?r.
2Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
2 Fel hyn y syllais arnat yn y cysegr, a gweld dy rym a'th ogoniant.
3Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
3 Y mae dy ffyddlondeb yn well na bywyd; am hynny bydd fy ngwefusau'n dy foliannu.
4Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
4 Fel hyn y byddaf yn dy fendithio trwy fy oes, ac yn codi fy nwylo mewn gweddi yn dy enw.
5Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
5 Caf fy nigoni, fel pe ar f�r a braster, a moliannaf di � gwefusau llawen.
6Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
6 Pan gofiaf di ar fy ngwely, a myfyrio amdanat yng ngwyliadwriaethau'r nos �
7Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
7 fel y buost yn gymorth imi, ac fel yr arhosais yng nghysgod dy adenydd �
8Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
8 bydd fy enaid yn glynu wrthyt; a bydd dy ddeheulaw yn fy nghynnal.
9Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
9 Ond am y rhai sy'n ceisio difetha fy mywyd, byddant hwy'n suddo i ddyfnderau'r ddaear;
10Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.[volpa]Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
10 fe'u tynghedir i fin y cleddyf, a byddant yn ysglyfaeth i lwynogod.
11Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
11 Ond bydd y brenin yn llawenhau yn Nuw, a bydd pawb sy'n tyngu iddo ef yn gorfoleddu, oherwydd caeir safnau'r rhai celwyddog.