1[Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
1 1 I'r Cyfarwyddwr: ar Lil�au. I Ddafydd.0 Gwareda fi, O Dduw, oherwydd cododd y dyfroedd at fy ngwddf.
2Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
2 Yr wyf yn suddo mewn llaid dwfn, a heb le i sefyll arno; yr wyf wedi mynd i ddyfroedd dyfnion, ac y mae'r llifogydd yn fy sgubo ymaith.
3Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
3 Yr wyf wedi diffygio'n gweiddi, a'm gwddw'n sych; y mae fy llygaid yn pylu wrth ddisgwyl am fy Nuw.
4Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
4 Mwy niferus na gwallt fy mhen yw'r rhai sy'n fy nghas�u heb achos; lluosocach na'm hesgyrn yw fy ngelynion twyllodrus. Sut y dychwelaf yr hyn nas cymerais?
5Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
5 O Dduw, gwyddost ti fy ffolineb, ac nid yw fy nhroseddau'n guddiedig oddi wrthyt.
6Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
6 Na fydded i'r rhai sy'n gobeithio ynot gael eu cywilyddio o'm plegid, O Arglwydd DDUW y Lluoedd, nac i'r rhai sy'n dy geisio gael eu gwaradwyddo o'm hachos, O Dduw Israel.
7Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
7 Oherwydd er dy fwyn di y dygais warth, ac y mae fy wyneb wedi ei orchuddio � chywilydd.
8Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
8 Euthum yn ddieithryn i'm brodyr, ac yn estron i blant fy mam.
9Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
9 Y mae s�l dy du375? di wedi fy ysu, a daeth gwaradwydd y rhai sy'n dy waradwyddo di arnaf finnau.
10Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
10 Pan wylaf wrth ymprydio, fe'i hystyrir yn waradwydd i mi;
11Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
11 pan wisgaf sachliain amdanaf, fe'm gwneir yn ddihareb iddynt.
12Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
12 Y mae'r rhai sy'n eistedd wrth y porth yn siarad amdanaf, ac yr wyf yn destun i watwar y meddwon.
13Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
13 Ond daw fy ngweddi i atat, O ARGLWYDD. Ar yr amser priodol, O Dduw, ateb fi yn dy gariad mawr gyda'th waredigaeth sicr.
14Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.
14 Gwared fi o'r llaid rhag imi suddo, achuber fi o'r mwd ac o'r dyfroedd dyfnion.
15Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
15 Na fydded i'r llifogydd fy sgubo ymaith, na'r dyfnder fy llyncu, na'r pwll gau ei safn amdanaf.
16Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
16 Ateb fi, ARGLWYDD, oherwydd da yw dy gariad; yn dy drugaredd mawr, tro ataf.
17Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
17 Paid � chuddio dy wyneb oddi wrth dy was; y mae'n gyfyng arnaf, brysia i'm hateb.
18Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
18 Tyrd yn nes ataf i'm gwaredu; rhyddha fi o achos fy ngelynion.
19Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
19 Fe wyddost ti fy ngwaradwydd, fy ngwarth a'm cywilydd; yr wyt yn gyfarwydd �'m holl elynion.
20Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
20 Y mae gwarth wedi torri fy nghalon, ac yr wyf mewn anobaith; disgwyliais am dosturi, ond heb ei gael, ac am rai i'm cysuro, ond nis cefais.
21Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
21 Rhoesant wenwyn yn fy mwyd, a gwneud imi yfed finegr at fy syched.
22Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
22 Bydded eu bwrdd eu hunain yn rhwyd iddynt, yn fagl i'w cyfeillion.
23Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
23 Tywyller eu llygaid rhag iddynt weld, a gwna i'w cluniau grynu'n barhaus.
24Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
24 Tywallt dy ddicter arnynt, a doed dy lid mawr ar eu gwarthaf.
25Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
25 Bydded eu gwersyll yn anghyfannedd, heb neb yn byw yn eu pebyll,
26Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
26 oherwydd erlidiant yr un a drewaist ti, a lluosogant friwiau'r rhai a archollaist.
27Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
27 Rho iddynt gosb ar ben cosb; na chyfiawnhaer hwy gennyt ti.
28Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.
28 Dileer hwy o lyfr y rhai byw, ac na restrer hwy gyda'r cyfiawn.
29Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
29 Yr wyf fi mewn gofid a phoen; trwy dy waredigaeth, O Dduw, cod fi i fyny.
30Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
30 Moliannaf enw Duw ar g�n, mawrygaf ef � diolchgarwch.
31Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
31 Bydd hyn yn well gan yr ARGLWYDD nag ych, neu fustach ifanc � chyrn a charnau.
32Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
32 Bydded i'r darostyngedig weld hyn a llawenhau; chwi sy'n ceisio Duw, bydded i'ch calonnau adfywio;
33Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
33 oherwydd y mae'r ARGLWYDD yn gwrando'r anghenus, ac nid yw'n diystyru ei eiddo sy'n gaethion.
34Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
34 Bydded i'r nefoedd a'r ddaear ei foliannu, y m�r hefyd a phopeth byw sydd ynddo.
35Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
35 Oherwydd bydd Duw yn gwaredu Seion, ac yn ailadeiladu dinasoedd Jwda; byddant yn byw yno ac yn ei meddiannu,
36Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
36 bydd plant ei weision yn ei hetifeddu, a'r rhai sy'n caru ei enw'n byw yno.