1[Famaranana nalaina tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
1 1 Masc�l. I Asaff.0 Gwrandewch fy nysgeidiaeth, fy mhobl, gogwyddwch eich clust at eiriau fy ngenau.
2Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
2 Agoraf fy ngenau mewn dihareb, a llefaraf ddamhegion o'r dyddiau gynt,
3Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
3 pethau a glywsom ac a wyddom, ac a adroddodd ein hynafiaid wrthym.
4Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
4 Ni chuddiwn hwy oddi wrth eu disgynyddion, ond adroddwn wrth y genhedlaeth sy'n dod weithredoedd gogoneddus yr ARGLWYDD, a'i rym, a'r pethau rhyfeddol a wnaeth.
5Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
5 Fe roes ddyletswydd ar Jacob, a gosod cyfraith yn Israel, a rhoi gorchymyn i'n hynafiaid, i'w dysgu i'w plant;
6Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
6 er mwyn i'r to sy'n codi wybod, ac i'r plant sydd heb eu geni eto ddod ac adrodd wrth eu plant;
7Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
7 er mwyn iddynt roi eu ffydd yn Nuw, a pheidio ag anghofio gweithredoedd Duw, ond cadw ei orchmynion;
8Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
8 rhag iddynt fod fel eu tadau yn genhedlaeth gyndyn a gwrthryfelgar, yn genhedlaeth �'i chalon heb fod yn gadarn a'i hysbryd heb fod yn ffyddlon i Dduw.
9Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
9 Bu i feibion Effraim, gwu375?r arfog a saethwyr bwa, droi yn eu holau yn nydd brwydr,
10Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
10 am iddynt beidio � chadw cyfamod Duw, a gwrthod rhodio yn ei gyfraith;
11Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
11 am iddynt anghofio ei weithredoedd a'r rhyfeddodau a ddangosodd iddynt.
12Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
12 Gwnaeth bethau rhyfeddol yng ngu373?ydd eu hynafiaid yng ngwlad yr Aifft, yn nhir Soan;
13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
13 rhannodd y m�r a'u dwyn trwyddo, a gwneud i'r du373?r sefyll fel argae.
14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
14 Arweiniodd hwy � chwmwl y dydd, a thrwy'r nos � th�n disglair.
15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
15 Holltodd greigiau yn yr anialwch, a gwneud iddynt yfed o'r dyfroedd di-baid;
16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
16 dygodd ffrydiau allan o graig, a pheri i ddu373?r lifo fel afonydd.
17Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
17 Ond yr oeddent yn dal i bechu yn ei erbyn, ac i herio'r Goruchaf yn yr anialwch,
18Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
18 a rhoi prawf ar Dduw yn eu calonnau trwy ofyn bwyd yn �l eu blys.
19Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
19 Bu iddynt lefaru yn erbyn Duw a dweud, "A all Duw arlwyo bwrdd yn yr anialwch?
20Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
20 Y mae'n wir iddo daro'r graig ac i ddu373?r bistyllio, ac i afonydd lifo, ond a yw'n medru rhoi bara hefyd, ac yn medru paratoi cig i'w bobl?"
21Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
21 Felly, pan glywodd yr ARGLWYDD hyn, digiodd; cyneuwyd t�n yn erbyn Jacob, a chododd llid yn erbyn Israel,
22Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
22 am nad oeddent yn credu yn Nuw, nac yn ymddiried yn ei waredigaeth.
23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
23 Yna, rhoes orchymyn i'r ffurfafen uchod, ac agorodd ddrysau'r nefoedd;
24Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
24 glawiodd arnynt fanna i'w fwyta, a rhoi iddynt u375?d y nefoedd;
25Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
25 yr oedd pobl yn bwyta bara angylion, a rhoes iddynt fwyd mewn llawnder.
26Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
26 Gwnaeth i ddwyreinwynt chwythu yn y nefoedd, ac �'i nerth dygodd allan ddeheuwynt;
27Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
27 glawiodd arnynt gig fel llwch, ac adar hedegog fel tywod ar lan y m�r;
28Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
28 parodd iddynt ddisgyn yng nghanol eu gwersyll, o gwmpas eu pebyll ym mhobman.
29Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
29 Bwytasant hwythau a chawsant ddigon, oherwydd rhoes iddynt eu dymuniad.
30Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
30 Ond cyn iddynt ddiwallu eu chwant, a'r bwyd yn dal yn eu genau,
31Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
31 cododd dig Duw yn eu herbyn, a lladdodd y rhai mwyaf graenus ohonynt, a darostwng rhai dewisol Israel.
32Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
32 Er hyn, yr oeddent yn dal i bechu, ac nid oeddent yn credu yn ei ryfeddodau.
33Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
33 Felly gwnaeth i'w hoes ddarfod ar amrantiad, a'u blynyddoedd mewn dychryn.
34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
34 Pan oedd yn eu taro, yr oeddent yn ei geisio; yr oeddent yn edifarhau ac yn chwilio am Dduw.
35Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
35 Yr oeddent yn cofio mai Duw oedd eu craig, ac mai'r Duw Goruchaf oedd eu gwaredydd.
36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
36 Ond yr oeddent yn rhagrithio �'u genau, ac yn dweud celwydd �'u tafodau;
37Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
37 nid oedd eu calon yn glynu wrtho, ac nid oeddent yn ffyddlon i'w gyfamod.
38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
38 Eto, bu ef yn drugarog, maddeuodd eu trosedd, ac ni ddistrywiodd hwy; dro ar �l tro ataliodd ei ddig, a chadw ei lid rhag codi.
39Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
39 Cofiodd mai cnawd oeddent, gwynt sy'n mynd heibio heb ddychwelyd.
40Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!
40 Mor aml y bu iddynt wrthryfela yn ei erbyn yn yr anialwch, a pheri gofid iddo yn y diffeithwch!
41Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
41 Dro ar �l tro rhoesant brawf ar Dduw, a blino Sanct Israel.
42Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
42 Nid oeddent yn cofio ei rym y dydd y gwaredodd hwy rhag y gelyn,
43Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
43 pan roes ei arwyddion yn yr Aifft a'i ryfeddodau ym meysydd Soan.
44Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
44 Fe drodd eu hafonydd yn waed, ac ni allent yfed o'u ffrydiau.
45Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
45 Anfonodd bryfetach arnynt a'r rheini'n eu hysu, a llyffaint a oedd yn eu difa.
46Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
46 Rhoes eu cnwd i'r lindys, a ffrwyth eu llafur i'r locust.
47Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
47 Dinistriodd eu gwinwydd � chenllysg, a'u sycamorwydd � glawogydd.
48Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
48 Rhoes eu gwartheg i'r haint, a'u diadell i'r pl�u.
49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
49 Anfonodd ei lid mawr arnynt, a hefyd ddicter, cynddaredd a gofid � cwmni o negeswyr gwae �
50Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
50 a rhoes ryddid i'w lidiowgrwydd. Nid arbedodd hwy rhag marwolaeth ond rhoi eu bywyd i'r haint.
51Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
51 Trawodd holl rai cyntafanedig yr Aifft, blaenffrwyth eu nerth ym mhebyll Ham.
52Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
52 Yna dygodd allan ei bobl fel defaid, a'u harwain fel praidd trwy'r anialwch;
53Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina.
53 arweiniodd hwy'n ddiogel heb fod arnynt ofn, ond gorchuddiodd y m�r eu gelynion.
54Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.
54 Dygodd hwy i'w dir sanctaidd, i'r mynydd a goncrodd �'i ddeheulaw.
55Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
55 Gyrrodd allan genhedloedd o'u blaenau; rhannodd eu tir yn etifeddiaeth, a gwneud i lwythau Israel fyw yn eu pebyll.
56Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
56 Eto, profasant y Duw Goruchaf a gwrthryfela yn ei erbyn, ac nid oeddent yn cadw ei ofynion.
57Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
57 Troesant a mynd yn fradwrus fel eu hynafiaid; yr oeddent mor dwyllodrus � bwa llac.
58Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.
58 Digiasant ef �'u huchelfeydd, a'i wneud yn eiddigeddus �'u heilunod.
59Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
59 Pan glywodd Duw, fe ddigiodd, a gwrthod Israel yn llwyr;
60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
60 gadawodd ei drigfan yn Seilo, y babell lle'r oedd yn byw ymysg pobl;
61Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
61 gadawodd i'w gadernid fynd i gaethglud, a'i ogoniant i ddwylo gelynion;
62Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
62 rhoes ei bobl i'r cleddyf, a thywallt ei lid ar ei etifeddiaeth.
63Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
63 Ysodd t�n eu gwu375?r ifainc, ac nid oedd g�n briodas i'w morynion;
64Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
64 syrthiodd eu hoffeiriaid trwy'r cleddyf, ac ni allai eu gweddwon alaru.
65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.
65 Yna, cododd yr Arglwydd, fel o gwsg, fel rhyfelwr yn cael ei symbylu gan win.
66Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
66 Trawodd ei elynion yn eu holau, a dwyn arnynt warth tragwyddol.
67Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
67 Gwrthododd babell Joseff, ac ni ddewisodd lwyth Effraim;
68Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
68 ond dewisodd lwyth Jwda, a Mynydd Seion y mae'n ei garu.
69Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
69 Cododd ei gysegr cyn uched �'r nefoedd, a'i sylfeini, fel y ddaear, am byth.
70Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
70 Dewisodd Ddafydd yn was iddo, a'i gymryd o'r corlannau defaid;
71Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
71 o fod yn gofalu am y mamogiaid daeth ag ef i fugeilio'i bobl Jacob, ac Israel ei etifeddiaeth.
72Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
72 Bugeiliodd hwy � chalon gywir, a'u harwain � llaw ddeheuig.