Malagasy

Esperanto

1 Chronicles

12

1[Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo
1Jen estas tiuj, kiuj venis al David en Ciklagon, kiam li estis ankoraux kasxita antaux Saul, filo de Kisx; ili ankaux estis inter la herooj, helpantoj en la milito;
2sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.
2armitaj per pafarko, povosciantaj jxeti sxtonojn kaj pafarkajn sagojn per la dekstra mano kaj per la maldekstra, el la fratoj de Saul, Benjamenidoj:
3Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
3la cxefo Ahxiezer, kaj Joasx, filoj de SXemaa, la Gibeaano, Jeziel kaj Pelet, filoj de Azmavet, Berahxa, kaj Jehu, la Anatotano,
4ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
4Jisxmaja, la Gibeonano, heroo el tridek kaj super tridek, Jeremia, Jahxaziel, Johxanan, kaj Jozabad, la Gederaano,
5sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
5Eluzaj, Jerimot, Bealja, SXemarja, kaj SXefatja, la HXarufano,
6sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
6Elkana, Jisxija, Azarel, Joezer, kaj Jasxobeam, la Korahxidoj,
7ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
7Joela kaj Zebadja, filoj de Jerohxam, el Gedor.
8Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]
8El la Gadidoj apartigxis al David en la fortikigitan lokon en la dezerto kuragxaj militistoj, kapablaj batalistoj, armitaj per sxildo kaj lanco; iliaj vizagxoj estis kiel vizagxo de leono, kaj rapidkuraj ili estis, kiel gazeloj sur la montoj:
9Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
9Ezer estis la cxefo, Obadja la dua, Eliab la tria,
10Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
10Misxmana la kvara, Jeremia la kvina,
11Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
11Ataj la sesa, Eliel la sepa,
12Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
12Johxanan la oka, Elzabad la nauxa,
13Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
13Jeremia la deka, Mahxbanaj la dek-unua.
14Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
14CXi tiuj el la Gadidoj estis cxefoj en la militistaro:la plej malgranda estis super cent, kaj la plej granda super mil.
15Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
15Ili estis tiuj, kiuj transiris Jordanon en la unua monato, kiam gxi inundis siajn ambaux bordojn, kaj ili dispelis cxiujn logxantojn de la valoj orienten kaj okcidenten.
16Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.
16Ankaux el la idoj de Benjamen kaj de Jehuda oni venis en la fortikigitan lokon al David.
17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
17Kaj David eliris renkonte al ili, kaj ekparolis kaj diris al ili:Se vi venis al mi kun paco, por helpi al mi, mia koro estos kun vi; sed se por ruze transdoni min al miaj malamikoj, kvankam miaj manoj estas senkulpaj, tiam vidu tion Dio de niaj patroj, kaj Li jugxu.
18Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]
18Kaj spirito venis sur Amasajon, la estron de la herooj, kaj li diris:Al vi, ho David, kaj kun vi, ho filo de Jisxaj, estu paco; paco al vi, kaj paco al viaj helpantoj, cxar al vi helpas via Dio. Kaj David ilin akceptis kaj faris ilin cxefoj de la militistoj.
19Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.
19Ankaux el la Manaseidoj oni aligxis al David, kiam li iris kun la Filisxtoj milite kontraux Saulon, sed ne helpis al ili; cxar post konsiligxo la estroj de la Filisxtoj forsendis lin, dirante:Kun niaj kapoj li aligxos al sia sinjoro Saul.
20Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
20Kiam li venis en Ciklagon, aligxis al li el la Manaseidoj:Adnahx, Jozabad, Jediael, Mihxael, Jozabad, Elihu, kaj Ciltaj, milestroj de la Manaseidoj.
21Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.
21Kaj ili helpis al David kontraux la militistoj, cxar ili cxiuj estis herooj, kaj ili estis estroj en militistaro.
22Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.
22CXiutage oni venis pli al David, por helpi al li, gxis kolektigxis granda armeo, kiel armeo de Dio.
23[Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:
23Jen estas la nombro de la cxefaj armitaj militistoj, kiuj venis al David en HXebronon, por transdoni al li la regnon de Saul, konforme al la vorto de la Eternulo:
24Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
24da Jehudaidoj, portantaj sxildon kaj lancon, estis ses mil okcent armitaj por la militistaro;
25Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.
25el la Simeonidoj, batalkapablaj por la militistaro, estis sep mil cent;
26Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
26el la Levidoj estis kvar mil sescent;
27Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
27kaj Jehojada, estro de Aaronidoj, kaj kun li tri mil sepcent;
28ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
28kaj Cadok, kuragxa junulo, kaj lia patrodomo, dudek du estroj;
29Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.
29el la Benjamenidoj, samtribanoj de Saul, tri mil; gxis tiam la plimulto el ili fidele servis al la domo de Saul;
30Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.
30el la Efraimidoj dudek mil okcent kuragxaj militistoj, viroj famaj en siaj patrodomoj;
31Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.
31el la duontribo de Manase dek ok mil, kiuj estis vokitaj lauxnome, por iri regxigi Davidon;
32Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
32el la Isahxaridoj, kiuj komprenis la cirkonstancojn, kaj sciis, kion Izrael devas fari, estis ducent cxefoj, kaj cxiuj iliaj fratoj agis laux iliaj vortoj;
33Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.
33el la Zebulunidoj, militkapablaj, kaj irantaj en militon kun cxiaj bataliloj, estis kvindek mil, por envicigxi en konkordo;
34Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.
34el la Naftaliidoj estis mil estroj, kaj kun ili tridek sep mil kun sxildoj kaj lancoj;
35Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
35el la Danidoj, armitaj por milito, estis dudek ok mil sescent;
36Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
36el la Asxeridoj, militkapablaj kaj pretaj por milito, kvardek mil;
37Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
37de trans Jordan, el la Rubenidoj, la Gadidoj, kaj la duontribo de Manase, kun cxiaj militaj bataliloj, cent dudek mil.
38Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.
38CXiuj tiuj militistoj, prezentantaj arangxitajn vicojn, venis plenkore en HXebronon, por fari Davidon regxo super la tuta Izrael; ankaux cxiuj ceteraj Izraelidoj estis unuanimaj, por regxigi Davidon.
39Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
39Kaj ili restis tie kun David dum tri tagoj, mangxis kaj trinkis; cxar iliaj fratoj pretigis por ili;
40Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
40ankaux tiuj, kiuj estis proksime de ili, gxis Isahxar, Zebulun, kaj Naftali, alportadis al ili sur azenoj, kameloj, muloj, kaj bovoj mangxajxon el faruno, premitajn figojn, sekvinberojn, vinon, oleon, bovojn, kaj sxafojn en granda kvanto; cxar estis gxojo en Izrael.