1Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely.
1Kaj David diris:CXi tie estas la domo de Dio, la Eternulo, kaj cxi tio estas altaro por bruloferoj por Izrael.
2[Ny namorian'i Davida ny zavatra ho enti-manao ny tempoly, sy ny hafatra nataony ny amin'ny hanaovana azy] Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.
2Kaj David ordonis kunvenigi la fremdulojn, kiuj estis en la lando de Izrael, kaj li starigis sxtonhakistojn, por cxirkauxhaki sxtonojn por la konstruado de la domo de Dio.
3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
3Kaj multe da fero por najloj al la pordoj de la pordegoj kaj por la krampoj pretigis David, ankaux multe da kupro, en nemezurita kvanto;
4sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.
4kaj sennombran kvanton da cedra ligno, cxar la Cidonanoj kaj Tiranoj alveturigis al David multe da cedra ligno.
5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
5Kaj David diris:Mia filo Salomono estas juna kaj neforta, kaj la domo, kiun oni devas konstrui por la Eternulo, devas esti granda, por ke Lia nomo kaj gloro estu konata en cxiuj landoj. Tial mi preparados por li. Kaj David multe preparis antaux sia morto.
6Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
6Kaj li alvokis sian filon Salomono, kaj testamentis al li, ke li konstruu domon por la Eternulo, Dio de Izrael.
7ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;
7Kaj David diris al Salomono:Mia filo, mi havis la intencon konstrui domon al la nomo de la Eternulo, mia Dio;
8saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.[Na: ny amiko]
8sed aperis pri mi vorto de la Eternulo, dirante:Multe da sango vi versxis, kaj grandajn militojn vi faris, tial vi ne devas konstrui domon al Mia nomo; cxar multe da sango vi versxis antaux Mi sur la teron.
9Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona = Miadana]
9Jen filo naskigxos al vi; li estos homo de paco, kaj Mi donos al li pacon en rilato al cxiuj liaj malamikoj cxirkauxe; Salomono estos lia nomo, kaj pacon kaj trankvilecon Mi donos al Izrael en lia tempo.
10Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.
10Li konstruos domon al Mia nomo; li estos al Mi filo, kaj Mi estos al li patro; kaj Mi fortikigos la tronon de lia regxado super Izrael por cxiam.
11Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
11Nun, ho mia filo, la Eternulo estu kun vi, por ke vi sukcesu kaj konstruu la domon de la Eternulo, via Dio, kiel Li diris pri vi.
12Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.
12La Eternulo donu al vi sagxon kaj kompetentecon, kaj Li faru vin ordonanto super Izrael, por ke vi plenumadu la instruon de la Eternulo, via Dio.
13Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
13Tiam vi havos sukceson, se vi observos kaj plenumos la legxojn kaj preskribojn, kiujn la Eternulo donis per Moseo al Izrael. Estu forta kaj kuragxa; ne timu, kaj ne tremu.
14Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
14Jen mi en mia malricxeco pretigis por la domo de la Eternulo cent mil kikarojn da oro, kaj milionon da kikaroj da argxento, kaj kupron kaj feron en nekalkulebla kvanto, cxar estas multe da gxi; ankaux lignon kaj sxtonojn mi pretigis; kaj vi povas aldoni al tio.
15Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
15Vi havas multe da farontoj de la laboroj, masonistojn kaj cxarpentistojn kaj kompetentulojn pri cxiaj aferoj.
16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
16La oro, argxento, kupro, kaj fero estas en nekalkulebla kvanto; levigxu kaj faru, kaj la Eternulo estu kun vi.
17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe:
17Kaj David ordonis al cxiuj estroj de Izrael, ke ili helpu lian filon Salomono:
18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.
18La Eternulo, via Dio, estas ja kun vi, kaj Li donis al vi trankvilecon cxiuflanke cxirkauxe; cxar Li transdonis en miajn manojn la logxantojn de la lando, kaj la lando humiligxis antaux la Eternulo kaj antaux Lia popolo.
19Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.
19Direktu do nun vian koron kaj vian animon, por turni vin al la Eternulo, via Dio. Levigxu, kaj konstruu la sanktejon de la Eternulo Dio, por transporti la keston de interligo de la Eternulo kaj la sanktajn vazojn de Dio en la domon, kiu estos konstruita al la nomo de la Eternulo.