1Ary tonga tamin'i Jeho, zanak'i Hanany, ny tenin'i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
1Kaj aperis la vorto de la Eternulo al Jehu, filo de HXanani, pri Baasxa, dirante:
2Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
2CXar mi levis vin el la polvo kaj faris vin reganto super Mia popolo Izrael kaj vi iras laux la vojo de Jerobeam kaj pekigas Mian popolon Izrael, incitante Min per iliaj pekoj,
3dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'Jeroboama, zanak'i Nebata.
3tial Mi elbalaos Baasxan kaj lian domon, kaj Mi faros kun via domo kiel kun la domo de Jerobeam, filo de Nebat.
4Koa izay tamingan'i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina.
4Kiu mortos cxe Baasxa en la urbo, tiun formangxos la hundoj, kaj kiu mortos cxe li sur la kampo, tiun formangxos la birdoj de la cxielo.
5Ary ny tantaran'i Basa sisa mbamin'izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
5La cetera historio de Baasxa, kaj tio, kion li faris, kaj lia potenco estas priskribitaj en la libro de kroniko de la regxoj de Izrael.
6Ary Basa lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
6Kaj Baasxa ekdormis kun siaj patroj, kaj oni enterigis lin en Tirca. Kaj anstataux li ekregxis lia filo Ela.
7Ary Jeho mpaminany zanak'i Hanany, dia nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
7Per la profeto Jehu, filo de HXanani, aperis la vorto de la Eternulo pri Baasxa kaj pri lia domo pro la tuta malbono, kiun li faris antaux la okuloj de la Eternulo, incitante Lin per la faroj de siaj manoj, estante kiel la domo de Jerobeam, kaj pro tio, ke li mortigis lin.
8Tamin'ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Elaha, zanak'i Basa, tamin'ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
8En la jaro dudek-sesa de Asa, regxo de Judujo, ekregxis Ela, filo de Baasxa, super Izrael en Tirca por la dauxro de du jaroj.
9Ary Zimry mpanompony, komandin'ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon'i Arza, lehiben'ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
9Kaj faris konspiron kontraux li lia servanto Zimri, estro de duono de la cxaroj. Kiam li en Tirca drinkis gxis ebrieco en la domo de Arca, palacestro de Tirca,
10Dia niditra Zimry ka namely an'i Elaha ho faty tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
10tiam venis Zimri kaj frapis lin kaj mortigis lin, en la jaro dudek-sepa de Asa, regxo de Judujo, kaj faris sin regxo anstataux li.
11Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin'ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin'i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin'ny havany, na tamin'ny sakaizany.
11Kiam li farigxis regxo, kiam li eksidis sur lia trono, li mortigis la tutan domon de Baasxa, restigante cxe li neniun virseksulon, kaj ankaux liajn parencojn kaj amikojn.
12Toy izany no nandringanan'i Zimry ny mpianakavin'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jehovah mpaminany ny amin'i Basa,
12Kaj Zimri ekstermis la tutan domon de Baasxa, konforme al la vorto de la Eternulo, kiun Li diris pri Baasxa per la profeto Jehu,
13noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan'i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
13pro cxiuj pekoj de Baasxa kaj la pekoj de lia filo Ela, per kiuj ili pekis kaj per kiuj ili pekigis Izraelon, incitante la Eternulon, Dion de Izrael, per siaj idolajxoj.
14Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
14La cetera historio de Ela, kaj cxio, kion li faris, estas priskribitaj en la libro de kroniko de la regxoj de Izrael.
15Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.
15En la dudek-sepa jaro de Asa, regxo de Judujo, ekregxis Zimri por la dauxro de sep tagoj en Tirca, kiam la popolo siegxis Gibetonon de la Filisxtoj.
16Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.
16Kiam la siegxanta popolo auxdis, ke Zimri faris konspiron kaj mortigis la regxon, tiam la tuta popolo en la sama tago elektis kiel regxon Omrin, la militestron de Izrael.
17Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.
17Kaj Omri kune kun la tuta Izrael foriris de Gibeton kaj eksiegxis Tircan.
18Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
18Kiam Zimri vidis, ke la urbo estas prenita, li iris en la palacon de la regxa domo kaj ekbruligis cxirkaux si per fajro la regxan domon, kaj mortis,
19noho ny fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
19pro siaj pekoj, per kiuj li pekis, farante malbonon antaux la okuloj de la Eternulo, irante laux la vojo de Jerobeam kaj en lia peko, kiun li faris, pekigante Izraelon.
20Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
20La cetera historio de Zimri, kaj lia konspiro, kiun li faris, estas priskribitaj en la libro de kroniko de la regxoj de Izrael.
21Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
21Tiam la popolo Izraela dividigxis en du partojn:duono de la popolo aligxis al Tibni, filo de Ginat, por regxigi lin, kaj la dua duono aligxis al Omri.
22Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
22Kaj la popolo, kiu aligxis al Omri, venkis tiun popolon, kiu aligxis al Tibni, filo de Ginat; kaj Tibni mortis, kaj ekregxis Omri.
23Tamin'ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
23En la tridek-unua jaro de Asa, regxo de Judujo, Omri ekregxis super Izrael por la dauxro de dek du jaroj. En Tirca li regxis dum ses jaroj.
24Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.
24Kaj li acxetis la monton Samario de SXemer pro du kikaroj da argxento, kaj li prikonstruis tiun monton, kaj al la urbo, kiun li konstruis, li donis la nomon Samario, laux la nomo de SXemer, la mastro de la monto.
25Fa Omry nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
25Kaj Omri faris malbonon antaux la okuloj de la Eternulo, kaj li agis pli malbone, ol cxiuj, kiuj estis antaux li.
26fa nandeha tamin'ny lalana rehetra nalehan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
26Kaj li iris laux la tuta vojo de Jerobeam, filo de Nebat, kaj en liaj pekoj, per kiuj li pekigis Izraelon, incitante la Eternulon, Dion de Izrael, per iliaj idolajxoj.
27Ary ny tantaran'i Omry sisa mbamin'izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
27La cetera historio de Omri, tio, kion li faris, kaj liaj heroajxoj, kiujn li faris, estas priskribitaj en la libro de kroniko de la regxoj de Izrael.
28Ary Omry lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
28Kaj Omri ekdormis kun siaj patroj, kaj oni enterigis lin en Samario. Kaj anstataux li ekregxis lia filo Ahxab.
29[Ny niantombohan'ny nanjahan'i Ahaba tamin'ny Isiraely] Ary Ahaba, zanak'i Omry, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
29Ahxab, filo de Omri, ekregxis super Izrael en la tridek-oka jaro de Asa, regxo de Judujo. Kaj Ahxab, filo de Omri, regxis super Izrael en Samario dudek du jarojn.
30Ary Ahaba, zanak'i Omry, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
30Kaj Ahxab, filo de Omri, faris malbonon antaux la okuloj de la Eternulo, pli ol cxiuj, kiuj estis antaux li.
31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
31Ne suficxis al li, ke li iris en la pekoj de Jerobeam, filo de Nebat:li prenis al si kiel edzinon Izebelon, filinon de Etbaal, regxo de la Cidonanoj, kaj li iris kaj servis al Baal kaj adorklinigxis al li.
32Ary nanao alitara ho an'i Bala tao amin'ny tranon'i Bala izay nataony tao Samaria izy.
32Kaj li starigis altaron al Baal en la domo de Baal, kiun li konstruis en Samario.
33Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
33Kaj Ahxab faris sanktajn stangojn, kaj Ahxab faris pli da incitado kontraux la Eternulo, Dio de Izrael, ol cxiuj regxoj de Izrael, kiuj estis antaux li.
34Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
34En lia tempo HXiel, Bet-Elano, konstruis Jerihxon. Kun perdo de sia unuenaskito Abiram li fondis gxin, kaj kun perdo de sia plej juna filo Segub li starigis gxiajn pordegojn, konforme al la vorto de la Eternulo, kiun Li diris per Josuo, filo de Nun.