1Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.[Eofrata]
1HXiram, regxo de Tiro, sendis siajn servantojn al Salomono, kiam li auxdis, ke oni lin sanktoleis regxo anstataux lia patro; cxar HXiram estis amiko de David en la tuta tempo.
2Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
2Kaj Salomono sendis al HXiram, por diri:
3sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
3Vi scias pri mia patro David, ke li ne povis konstrui domon al la nomo de la Eternulo, lia Dio, pro la militantoj, kiuj lin cxirkauxis, gxis la Eternulo metis ilin sub la plandojn de liaj piedoj.
4Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[Na: any][Eofrata]
4Sed nun la Eternulo, mia Dio, donis al mi ripozon cxirkauxe; ne ekzistas kontrauxulo nek ia malbona malhelpo.
5Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
5Tial jen mi intencas konstrui domon al la nomo de la Eternulo, mia Dio, kiel la Eternulo parolis al mia patro David, dirante:Via filo, kiun Mi sidigos anstataux vi sur via trono, konstruos la domon al Mia nomo.
6Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
6Ordonu do nun, ke oni haku por mi cedrojn de Lebanon; kaj miaj servantoj estos kun viaj servantoj, kaj pagon por viaj servantoj mi donos al vi tian, kian vi diros; cxar vi scias, ke ekzistas inter ni neniu, kiu povus haki arbojn kiel la Cidonanoj.
7Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
7Kiam HXiram auxdis la vortojn de Salomono, li tre ekgxojis, kaj diris:Benata estu hodiaux la Eternulo, kiu donis al David filon sagxan super tiu grandnombra popolo.
8Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
8Kaj HXiram sendis al Salomono, por diri:Mi auxskultis tion, kion vi sendis diri al mi; mi plenumos vian tutan deziron pri la arboj cedraj kaj arboj cipresaj.
9Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
9Miaj servantoj malsuprenigos ilin de Lebanon al la maro, kaj mi flosos ilin sur la maro gxis la loko, pri kiu vi sciigos al mi, kaj tie mi ilin disigos, kaj vi prenigos. Kaj vi plenumu mian deziron, kaj donu mangxajxon por mia domo.
10Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
10Kaj HXiram donis al Salomono lignon cedran kaj lignon cipresan, kiom li nur volis.
11Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
11Kaj Salomono donis al HXiram dudek mil kor�ojn da tritiko kiel mangxajxon por lia domo kaj dudek kor�ojn da plej pura oleo. Tiom Salomono donadis al HXiram cxiujare.
12Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
12Kaj la Eternulo donis sagxon al Salomono, kiel Li promesis al li. Kaj estis paco inter HXiram kaj Salomono, kaj ili ambaux faris inter si interligon.
13Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
13La regxo Salomono prenis imposton de la tuta Izrael; la imposto estis tridek mil viroj.
14Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
14Kaj li sendis ilin sur Lebanonon, po dek mil cxiumonate, alterne; unu monaton ili estis sur Lebanon kaj du monatojn en sia domo. Adoniram administris tiun imposton.
15[Ny namorian'i Solomona izay ho enti-manao ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
15Kaj Salomono havis sepdek mil sxargxoportistojn kaj okdek mil montajn sxtonhakistojn,
16Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:
16krom la tri mil tricent oficistoj, kiujn Salomono starigis super la laboroj kaj kiuj regis super la popolo okupita per la laboroj.
17Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
17Kaj la regxo ordonis, ke oni elhaku grandajn sxtonojn, multekostajn sxtonojn, por arangxi por la domo fundamenton el sxtonoj cxirkauxhakitaj.
18Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
18Kaj hakis la konstruistoj de Salomono kaj la konstruistoj de HXiram kaj la Gebalanoj, kaj pretigis lignon kaj sxtonojn, por konstrui la domon.
19Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.
20Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
21Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
22Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
23Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.
24Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy.
25Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona.
26Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
27Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
28Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
29Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]
30afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
31Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano.Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
32Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.