Malagasy

Esperanto

1 Peter

4

1Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; [ Gr.nampitsaharina]
1CXar Kristo do suferis en la karno, vi ankaux armu vin per la sama intenco; cxar la suferinto en la karno apartigxis de pekoj;
2mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
2por ke vi travivu la reston de la enkarna tempo jam ne laux la voluptoj de homoj, sed laux la volo de Dio.
3Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
3CXar la tempo pasinta suficxas, por elfari la deziron de la nacianoj kaj iradi en dibocxoj, voluptoj, vindrinkado, brufestenoj, ebrieco, kaj abomenaj idolkultoj;
4ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
4en kio ili miras, ke vi ne kuras kune kun ili en la saman superfluon de dibocxado, kaj ili kalumnias vin;
5nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
5ili prirespondos al Tiu, kiu estas preta jugxi la vivantojn kaj la mortintojn.
6Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
6CXar por tio ankaux la evangelio estas anoncita al la mortintoj, por ke ili estu korpe jugxitaj laux homoj, sed spirite vivu laux Dio.
7Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
7Sed la fino de cxio alproksimigxas; prudentigxu do, kaj sobrigxu por pregxoj;
8Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
8antaux cxio havante fervoran amon unu al alia; cxar amo kovras amason da pekoj;
9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
9estu gastamaj unu al alia sen murmurado;
10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
10lauxmezure, kiel cxiu ricevis donacon, tiel gxin administrante inter vi, kiel bonaj administrantoj de la diversaspeca graco de Dio;
11Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
11se iu parolas, li parolu kvazaux orakolojn de Dio; se iu administras, li administru kvazaux el la forto, kiun Dio provizas; por ke en cxio Dio estu glorata per Jesuo Kristo, kies estas la gloro kaj la potenco por cxiam kaj eterne. Amen.
12[Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
12Amataj, ne surprizigxu pri la fajrego cxe vi okazanta por provi vin, kvazaux io stranga okazus cxe vi;
13fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
13sed laux tio, ke vi partoprenas en la suferoj de Kristo, gxoju; por ke ankaux en la elmontro de lia gloro vi gxoju ravege.
14Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
14Se vi estas riprocxataj pro la nomo de Kristo, felicxegaj vi estas; cxar la Spirito de gloro kaj la Spirito de Dio restas sur vi.
15Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
15Nur neniu el vi suferu kiel mortiginto, aux sxtelisto, aux malbonfarinto, aux kiel sintrudanto en malpropraj aferoj;
16Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
16sed se iu suferas kiel Kristano, li ne hontu; sed li gloru Dion en tiu nomo.
17Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [ Gr. tranony]
17CXar jam venis la tempo por la komenco de la jugxo cxe la domo de Dio; kaj se gxi komencigxas cxe ni, kia estos la sorto de tiuj, kiuj ne obeas al la evangelio de Dio?
18Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
18Kaj se justulo apenaux savigxas, kie aperos malpiulo kaj pekulo?
19Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
19Tial ankaux tiuj, kiuj suferas laux la volo de Dio, alkonfidu siajn animojn en bonfarado al fidela Kreinto.