Malagasy

Esperanto

1 Timothy

2

1[Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,
1Mi konsilas do, antaux cxio, fari petegojn, pregxojn, propetadojn, dankojn por cxiuj;
2ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
2por regxoj kaj cxiuj eminentuloj, por ke ni vivadu trankvile kaj kviete en plena pieco kaj seriozeco.
3Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
3Tio estas bona kaj akceptebla antaux Dio, nia Savanto,
4Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
4kiu volas, ke cxiuj homoj estu savitaj kaj venu al la scio de la vero.
5Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
5CXar ekzistas unu Dio, kaj unu interulo inter Dio kaj homoj, homo, Kristo Jesuo,
6sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.
6kiu sin donis kiel elacxetajxon por cxiuj, ateston elmontrotan en konvenaj tempoj;
7Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.
7por kio mi estas nomita predikisto kaj apostolo (mi diras la veron, mi ne mensogas), instruisto por la nacianoj en fido kaj vero.
8Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.
8Mi deziras do, ke la viroj pregxu en cxiu loko, levante sanktajn manojn, sen kolero kaj disputado.
9Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, [ Gr. perila]
9Tiel same, ke virinoj sin vestu per decaj vestoj, kun modesteco kaj sobreco; ne kun harplektajxoj, aux oro, aux perloj, aux multekostaj vestoj;
10fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
10sed (kio konvenas al virinoj konfesantaj la piecon) per bonfaroj.
11Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
11Virino lernu en kvieteco kun cxia submetigxo.
12Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
12Sed mi ne permesas al virino instruadi, nek regi super viro, sed esti en kvieteco.
13Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
13CXar Adam kreigxis la unua, poste Eva;
14Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
14kaj Adam ne trompigxis; sed la virino, trompite, falis en pekon;
15Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.
15sed sxi savigxos per la naskado, se ili dauxras en fido kaj amo kaj sanktigxo kun sobreco.