1[Ny nandravan'ny olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny nandaminan'i Hezekia ny fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
1Kiam cxio cxi tio finigxis, cxiuj Izraelidoj, kiuj tie trovigxis, eliris en la urbojn de Judujo, kaj disrompis la statuojn, dishakis la sanktajn stangojn, kaj detruis la altajxojn kaj la altarojn en la tuta Judujo kaj en la regionoj de Benjamen, de Efraim, kaj de Manase, gxis plena ekstermo. Kaj reiris cxiuj Izraelidoj cxiu al sia posedajxo, al siaj urboj.
2Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
2Kaj HXizkija starigis la grupojn de la pastroj kaj de la Levidoj laux ilia ordo, cxiun laux gxia destino, la pastrojn kaj la Levidojn por la bruloferoj kaj por la pacoferoj, por servado, por lauxdkantado kaj glorkantado, cxe la pordegoj de la tendaro de la Eternulo.
3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
3Kaj la regxo destinis parton el sia havajxo por bruloferoj:por la bruloferoj matenaj kaj vesperaj, por la bruloferoj sabataj, monatkomencaj, kaj festaj, kiel estas skribite en la instruo de la Eternulo.
4Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.
4Kaj li ordonis al la popolo, kiu logxis en Jerusalem, donadi vivrimedojn al la pastroj kaj al la Levidoj, por ke ili povu fordoni sin al la instruo de la Eternulo.
5Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
5Kiam cxi tiu ordono disvastigxis, la Izraelidoj alportis multe da unuaajxoj el greno, mosto, oleo, kaj mielo, kaj diversajn kampajn produktajxojn, kaj ankaux dekonajxojn el cxio ili multe alportis.
6Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
6Kaj la Izraelidoj kaj la Judoj, kiuj logxis en la urboj de Judujo, ankaux alportis dekonajxon el bovoj kaj sxafoj, kaj dekonajxon sanktan, konsekritan al la Eternulo, ilia Dio; kaj ili amasigis grandajn amasojn.
7Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.
7En la tria monato oni komencis la arangxadon de la amasoj, kaj en la sepa monato oni finis.
8Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
8Kiam HXizkija kaj la estroj venis kaj ekvidis la amasojn, ili benis la Eternulon kaj Lian popolon Izrael.
9Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.
9Kaj HXizkija demandis la pastrojn kaj la Levidojn pri la amasoj.
10Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
10Kaj respondis al li Azarja, la cxefpastro, el la domo de Cadok, kaj diris:De la momento, kiam oni komencis portadi la donojn en la domon de la Eternulo, oni mangxis kaj satigxis, kaj restis ankoraux multe; cxar la Eternulo benis Sian popolon; el la restajxo kolektigxis cxi tiu amasego.
11Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.
11Kaj HXizkija ordonis pretigi cxambrojn cxe la domo de la Eternulo. Kaj oni pretigis.
12Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
12Kaj oni transportis tien la donojn, la dekonajxojn, kaj la konsekritajxojn kun fideleco. Estro super tio estis Konanja, la Levido, kaj lia frato SXimei estis la dua post li.
13Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
13Kaj Jehxiel, Azazja, Nahxat, Asahel, Jerimot, Jozabad, Eliel, Jisxmahxja, Mahxat, kaj Benaja estis oficistoj apud Konanja kaj lia frato SXimei, laux ordono de la regxo HXizkija, kaj de Azarja, estro en la domo de Dio.
14Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.
14Kore, filo de Jimna, Levido pordegisto cxe la flanko orienta, estis super la memvolaj donoj al Dio, super la oferdonoj, alportataj al la Eternulo, kaj super la plejsanktajxoj.
15Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
15Liaj helpantoj estis Eden, Minjamin, Jesxua, SXemaja, Amarja, kaj SXehxanja, en la urboj de la pastroj, por fidele disdonadi al siaj fratoj lauxgrupe, al la grandaj kaj al la malgrandaj
16afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
16(krom la registritaj virseksuloj, havantaj la agxon de tri jaroj kaj pli, de cxiuj, kiuj iradis cxiutage en la domon de la Eternulo laux siaj oficoj kaj grupoj),
17Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
17al la registritaj pastroj, laux iliaj patrodomoj, kaj al la Levidoj, havantaj la agxon de dudek jaroj kaj pli, laux iliaj oficoj kaj grupoj,
18Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.
18al la registritoj kun cxiuj iliaj malgrandaj infanoj, edzinoj, filoj, kaj filinoj, al la tuta komunumo, por ke ili fidele dedicxu sin al la sanktaj aferoj.
19Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
19Kaj por la Aaronidoj, la pastroj, sur la antauxurbaj kampoj de iliaj urboj, de cxiu urbo, la nomitaj viroj estis destinitaj, por doni partojn al cxiu virseksulo inter la pastroj kaj al cxiu registrito inter la Levidoj.
20Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy
20Tion faris HXizkija en la tuta Judujo, kaj li agadis bone, juste, kaj vere antaux la Eternulo, lia Dio.
21Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy
21Kaj en cxiuj faroj, kiujn li entreprenis koncerne la servadon en la domo de Dio, la instruon kaj la ordonon pri la sinturnado al sia Dio, li agadis el la tuta koro, kaj li havis sukceson.