1Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
1Kiam Salomono finis la pregxadon, mallevigxis fajro el la cxielo kaj forbruligis la bruloferon kaj la aliajn oferojn; kaj la majesto de la Eternulo plenigis la domon.
2Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
2Kaj la pastroj ne povis eniri en la domon de la Eternulo, cxar la majesto de la Eternulo plenigis la domon de la Eternulo.
3Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
3Kaj cxiuj Izraelidoj vidis, kiel la fajro kaj la majesto de la Eternulo mallevigxis sur la domon, kaj ili ekgenuis vizagxaltere sur la pavimo, adorklinigxis, kaj dankis la Eternulon, ke Li estas bona, ke eterna estas Lia favorkoreco.
4Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.
4Kaj la regxo kaj la tuta popolo faris oferojn antaux la Eternulo.
5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
5La regxo Salomono oferis dudek du mil bovojn kaj cent dudek mil sxafojn. Tiamaniere la regxo kaj la tuta popolo inauxguris la domon de Dio.
6Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
6La pastroj staris sur siaj postenoj, kaj la Levidoj kun la muzikaj instrumentoj por la Eternulo, kiujn faris la regxo David, por kanti dankon al la Eternulo, ke eterna estas Lia favorkoreco, per la lauxdkantoj de David; kaj la pastroj trumpetis apud ili, kaj cxiuj Izraelidoj staris.
7Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.
7Kaj Salomono sanktigis la mezon de la korto, kiu estis antaux la domo de la Eternulo; cxar li faris tie la bruloferojn kaj alportis ofere la sebon de la pacoferoj; cxar la kupra altaro, kiun Salomono faris, ne povis plene loki sur si la bruloferon, la farunoferon, kaj la sebon.
8Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
8Kaj Salomono faris tiam feston dum sep tagoj, kaj kun li la tuta Izrael, tre granda anaro, kiu kunvenis de HXamat gxis la torento de Egiptujo.
9Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
9Kaj en la oka tago ili faris festofermon, cxar la inauxguron de la altaro ili faris dum sep tagoj kaj la feston dum sep tagoj.
10Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
10En la dudek-tria tago de la sepa monato li forsendis la popolon al gxiaj tendoj, gajan kaj gxojantan pro la bono, kiun la Eternulo faris al David, al Salomono, kaj al Sia popolo Izrael.
11[Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.
11Tiamaniere Salomono sukcese finis la domon de la Eternulo kaj la regxan domon, kaj cxion, kion Salomono en sia koro faris en la domo de la Eternulo kaj en sia domo.
12Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
12Kaj la Eternulo aperis al Salomono en la nokto, kaj diris al li:Mi auxdis vian pregxon, kaj Mi elektis al Mi cxi tiun lokon kiel domon de oferoj.
13Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
13Se Mi sxlosos la cxielon tiel, ke ne estos pluvo, aux se Mi ordonos al la lokustoj primangxi la teron, aux se Mi sendos peston sur Mian popolon,
14raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
14sed Mia popolo, kiu portas Mian nomon, humiligxos kaj pregxos kaj sercxos Mian vizagxon kaj returnos sin de siaj malbonaj vojoj:tiam Mi auxskultos el la cxielo, kaj pardonos ilian pekon kaj resanigos ilian landon.
15Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;
15Nun Miaj okuloj estos nefermitaj kaj Miaj oreloj estos atentaj al pregxo sur cxi tiu loko.
16fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
16Nun Mi elektis kaj sanktigis cxi tiun domon, por ke Mia nomo estu tie eterne; kaj Miaj okuloj kaj Mia koro estos tie cxiutempe.
17Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
17Kaj se vi irados antaux Mi tiel, kiel iradis via patro David, kaj vi agados konforme al cxio, kion Mi ordonis al vi, kaj vi observados Miajn legxojn kaj preskribojn:
18dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.
18tiam Mi fortikigos la tronon de via regno, kiel Mi promesis al via patro David, dirante:Ne mankos cxe vi viro, reganta super Izrael.
19Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
19Sed se vi deturnos vin, kaj forlasos Miajn legxojn kaj Miajn ordonojn, kiujn Mi donis al vi, kaj vi iros kaj servos al aliaj dioj kaj adorklinigxos antaux ili:
20dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]
20tiam Mi elsxiros ilin el Mia lando, kiun Mi donis al ili; kaj cxi tiun domon, kiun Mi sanktigis por Mia nomo, Mi forpusxos de antaux Mia vizagxo, kaj Mi faros gxin proverbo kaj mokatajxo inter cxiuj popoloj.
21Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
21Kaj pri cxi tiu domo, kiu estas tre alta, cxiu preteriranto miregos, kaj diros:Pro kio la Eternulo agis tiele kun cxi tiu lando kaj kun cxi tiu domo?
22Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
22Kaj oni respondos:Pro tio, ke ili forlasis la Eternulon, Dion de siaj patroj, kiu elkondukis ilin el la lando Egipta, kaj ili aligxis al aliaj dioj kaj adorklinigxis antaux ili kaj servis al ili-pro tio Li venigis sur ilin cxi tiun tutan malbonon.