1Ary amin'izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
1Pro tio, ke ni havas cxi tiun administradon, kiel ni ricevis kompaton, ni ne senkuragxigxas;
2Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra.
2sed ni formetis la kasxitajn aferojn de honto, ne irante kun ruzeco kaj ne falsante la vorton de Dio, sed per elmontro de la vero rekomendante nin al cxies konscienco antaux Dio.
3Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
3Sed se nia evangelio eble estas vualita, gxi estas vualita rilate al tiuj, kiuj pereas;
4izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
4en kiuj la dio de cxi tiu mondo blindigis la animojn de la nekredantoj, por ke la lumo de la evangelio de la gloro de Kristo, kiu estas la bildo de Dio, ne brilu sur ilin.
5Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy.
5CXar ni predikadas ne nin mem, sed Kriston Jesuon kiel Sinjoron, kaj nin mem kiel viajn servistojn pro Jesuo.
6Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy.[Na: hampisehoana]
6CXar Dio, kiu diris:El mallumo lumo brilos, Tiu brilis en niaj koroj, por doni lumon de la scio de la gloro de Dio en la vizagxo de Jesuo Kristo.
7Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay.
7Sed ni havas cxi tiun trezoron en argilaj vazoj, por ke la treega grandeco de la potenco estu de Dio, kaj ne de ni mem;
8Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
8ni estas premegataj cxe cxiu flanko, tamen ne enanguligitaj; embarasataj, sed ne konsternataj;
9enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
9persekutataj, sed ne forlasataj; faligataj, sed ne detruataj;
10mitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [Gr. ny famonoanana an']
10cxiam portante en la korpo la mortigxon de Jesuo, por ke la vivo ankaux de Jesuo elmontrigxu en nia korpo.
11Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.
11CXar ni, la vivantoj, cxiam estas submetataj al morto pro Jesuo, por ke la vivo ankaux de Jesuo elmontrigxu en nia morta karno.
12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
12La morto do energias en ni, sed la vivo en vi.
13Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
13Sed havante la saman spiriton de fido laux la skribo:Mi kredis, kaj tial mi parolis; ni ankaux kredas, kaj tial ankaux ni parolas;
14fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
14sciante, ke Tiu, kiu levis la Sinjoron Jesuo, levos nin ankaux kun Jesuo kaj prezentos nin kun vi.
15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.
15CXar cxio estas pro vi, por ke la graco, multobligita per multaj, abundigu la dankon al la gloro de Dio.
16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.[Ny olonay]
16Pro tio ni ne senkuragxigxas; sed kvankam nia ekstera homo kadukigxas, tamen nia interna homo renovigxas tagon post tago.
17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
17CXar nia malpeza kaj momenta sufero elfaras por ni, pli kaj pli ekster mezuro, eternan pezon da gloro;
18raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
18dum ni rigardas ne la vidatajxojn, sed la nevidatajxojn; cxar la vidatajxoj estas tempaj, sed la nevidatajxoj estas eternaj.