1[Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [ Gr. Ny presbytera]
1La presbitero al Gajo, la amata, kiun mi amas en la vero.
2Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
2Amato, mi pregxas, ke al vi prosperu cxio, kaj vi bonsanu tiel same, kiel prosperas al via animo.
3Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
3CXar mi treege gxojis, kiam fratoj venis kaj atestis pri via vereco, kiel vi iradas en la vero.
4Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
4Pli grandan gxojon mi ne havas, ol auxdi pri miaj infanoj iradantaj en la vero.
5Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
5Amato, vi faras fidele rilate al cxiuj viaj klopodoj por la fratoj kaj tiuj fremduloj,
6izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [ Gr. eklesia]
6kiuj atestis vian amon antaux la eklezio; kaj vi faros bone, tiujn antauxenigante dece je Dio,
7fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.
7cxar pro la Nomo ili eliris, akceptante nenion de la nacianoj.
8Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.
8Ni devas do akcepti tiajn, por ke ni estu kunlaborantoj kun la vero.
9Nanoratra tamin'ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [ Gr. eklesia]
9Mi skribis iom al la eklezio; sed Diotrefes, kiu amas la estrecon inter ili, nin ne akceptas.
10Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
10Tial, se mi venos, mi rememorigos al li la farojn, kiujn li faras, per malbonaj paroloj babilante kontraux ni; kaj ne kontenta je tio, li mem ne akceptas la fratojn, nek tion permesas al tiuj, kiuj volas, kaj ilin el la eklezio elpelas.
11Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.
11Amato, imitu ne la malbonon, sed la bonon. Bonfaranto estas el Dio; malbonfaranto ne vidis Dion.
12Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
12Pri Demetrio estas atestite de cxiuj, kaj de la vero mem; kaj ni ja atestas; kaj vi scias, ke nia atesto estas vera.
13Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina; [ Gr. volotara]
13Mi havis multon por skribi al vi; sed mi ne volas skribi al vi per inko kaj kano;
14fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
14sed mi esperas vidi vin baldaux, kaj ni parolos vizagxon kontraux vizagxo. Paco al vi. Salutas vin la amikoj. Salutu laux nomo la amikojn.
15Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.