Malagasy

Esperanto

Amos

2

1Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
1Tiele diras la Eternulo:Pro tri krimoj de Moab kaj pro kvar Mi ne indulgos lin, pro tio, ke li forbruligis la ostojn de la regxo de Edom gxis cindreco.
2Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
2Mi sendos fajron sur Moabon, kaj gxi ekstermos la palacojn de Keriot; kaj Moab mortos en tumulto, cxe bruo kaj sonado de trumpeto.
3Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
3Mi ekstermos jugxiston el meze de li, kaj cxiujn liajn eminentulojn Mi mortigos kune kun li, diras la Eternulo.
4Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
4Tiele diras la Eternulo:Pro tri krimoj de Jehuda kaj pro kvar Mi ne indulgos lin, pro tio, ke ili forpusxis la instruon de la Eternulo, ne observis Liajn legxojn, kaj permesis sin delogigxi per la mensogajxoj, kiujn sekvis iliaj patroj.
5Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
5Mi sendos fajron sur Judujon, kaj gxi ekstermos la palacojn de Jerusalem.
6Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
6Tiele diras la Eternulo:Pro tri krimoj de Izrael kaj pro kvar Mi ne indulgos lin, pro tio, ke ili vendas virtulon pro argxento kaj malricxulon pro paro da sxuoj.
7Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
7Ili premas la kapon de senhavuloj en la polvon de la tero, ili baras la vojon de humiluloj; filo kaj patro iras al unu knabino, por malhonori Mian sanktan nomon.
8Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
8Sur garantidonitaj vestoj ili kusxas apud cxiu altaro, kaj vinon de punitoj ili trinkas en la domo de sia dio.
9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
9Kaj Mi ekstermis antaux ili la Amoridon, kiu estis alta kiel cedro kaj forta kiel kverko; Mi ekstermis liajn fruktojn supre kaj liajn radikojn malsupre.
10Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
10Mi elkondukis vin el la lando Egipta kaj kondukis vin en la dezerto dum kvardek jaroj, por ke vi ekposedu la landon de la Amorido.
11Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
11El viaj filoj Mi faris profetojn kaj el viaj junuloj konsekritojn; cxu ne estas tiel, ho filoj de Izrael? diras la Eternulo.
12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
12Sed vi trinkigis al la konsekritoj vinon, kaj al la profetoj vi ordonis:Ne profetu.
13Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
13Jen Mi krakigos sub vi, kiel krakas veturilo, plenigita de garboj.
14Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
14Ecx lertulo ne povos forkuri, fortulo ne povos ion fari per sia forto, kaj heroo ne povos savi sian vivon;
15Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
15la arkpafistoj ne povos kontrauxstari, rapidpiedulo ne savigxos, kaj rajdanto ne savos sian vivon;
16Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
16kaj la plej kuragxa el la herooj forkuros nuda en tiu tago, diras la Eternulo.