Malagasy

Esperanto

Daniel

10

1[Toky ho an'ny olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny fahavalony izy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
1En la tria jaro de Ciro, regxo de Persujo, vorto estis malkasxita al Daniel, kiu havis la nomon Beltsxacar; kaj vera estis tiu vorto kaj tre grava. Li komprenis la vorton kaj komprenis bone la vizion.
2Tamin'izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
2En tiu tempo mi, Daniel, funebris dum tri semajnoj.
3Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
3Bongustan mangxajxon mi ne mangxis, viando kaj vino ne venis en mian busxon, kaj per oleo mi min ne sxmiris, gxis la fino de la tri semajnoj.
4Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
4En la dudek-kvara tago de la unua monato mi estis sur la bordo de granda rivero, nome de HXidekel.
5dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
5Kaj levinte miajn okulojn, mi ekvidis:jen staras unu viro, vestita per tolaj vestoj, kaj liaj lumboj estas zonitaj per pura oro el Ufaz.
6tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be;
6Lia korpo estas kiel turkiso, lia vizagxo aspektas kiel fulmo, liaj okuloj kiel fajraj flamoj, liaj brakoj kaj kruroj kiel brilanta kupro, kaj la vocxo de lia parolado estas kiel vocxo de amaso da homoj.
7ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
7Nur mi sola, Daniel, vidis tiun vizion; la homoj, kiuj estis kun mi, ne vidis la vizion; tamen granda timo falis sur ilin, kaj ili forkuris, por sin kasxi.
8Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
8Mi restis sola, kaj mi rigardis tiun grandan vizion; ne restis en mi forto, mia vizagxaspekto sxangxigxis terure, kaj mi ne povis rekolekti miajn fortojn.
9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.
9Kaj mi ekauxdis la vocxon de liaj vortoj; kaj kiam mi ekauxdis la vocxon de liaj vortoj, mi senkonscie falis vizagxaltere.
10Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
10Sed jen mano ektusxis min kaj levis min sur miajn genuojn kaj manplatojn.
11Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
11Kaj li diris al mi:Ho Daniel, viro agrabla al Dio! atentu la vortojn, kiujn mi diros al vi, kaj starigxu sur via loko, cxar mi nun estas sendita al vi. Kiam li tion parolis al mi, mi staris tremante.
12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
12Li diris al mi:Ne timu, Daniel, cxar de la unua tago, kiam vi sincere penis kompreni kaj pentofari antaux via Dio, viaj vortoj estis auxditaj; kaj mi venis laux via peto.
13Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany]
13Sed la protektanto de la Persa regno kontrauxstaris al mi dum dudek unu tagoj, kaj, gxis Mihxael, unu el la plej cxefaj protektantoj, venis kun helpo al mi, mi restis tie apud la regxoj de Persujo.
14Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
14Nun mi venis, por informi vin, kio estos kun via popolo en la estonta tempo, cxar la vizio koncernas tempon estontan.
15Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.
15Dum li parolis al mi tiujn vortojn, mi almetis mian vizagxon al la tero kaj silentis.
16Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
16Sed jen iu, simila al homido, ektusxis miajn lipojn, kaj mi malfermis mian busxon, ekparolis kaj diris al tiu, kiu staris kontraux mi:Ho mia sinjoro, de cxi tiu vizio kurbigxis mia vizagxo, kaj mi jam ne havas fortojn.
17Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
17Kaj kiel la sklavo de mia sinjoro povas paroli kun tia mia sinjoro, se mi jam ne havas forton kaj mi jam ne havas spiron?
18Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
18Tiam denove ektusxis min tiu bildo de homo kaj refortigis min.
19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
19Kaj li diris:Ne timu, ho simpatia homo, paco estu al vi, kaj estu kuragxa. Kaj dum li parolis al mi, mi kuragxigxis, kaj diris:Parolu, ho mia sinjoro, cxar vi min refortigis.
20Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia.Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
20Tiam li diris:CXu vi scias, por kio mi venis al vi? nun mi iras denove, por batali kontraux la protektanto de Persujo; sed kiam mi foriros, venos la protektanto de Grekujo.
21Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
21Tamen mi sciigos al vi, kio estas notita en la vera skribo; kaj estas neniu, kiu subtenus min kontraux tiuj, krom Mihxael, via protektanto.