1[Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny Jiosy hiaro tena] Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
1En tiu tago la regxo Ahxasxverosx transdonis al la regxino Ester la domon de Haman, la malamiko de la Judoj; kaj Mordehxaj venis antaux la regxon, cxar Ester diris, kio li estas por sxi.
2Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
2Kaj la regxo deprenis sian ringon, kiun li forprenis de Haman, kaj donis gxin al Mordehxaj; kaj Ester starigis Mordehxajon super la domo de Haman.
3Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
3Kaj Ester plue parolis antaux la regxo, kaj jxetis sin antaux liajn piedojn, kaj ploris kaj petegis lin, ke li neniigu la malbonajxon de Haman, la Agagido, kaj lian planon, kiun li entreprenis kontraux la Judoj.
4Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
4La regxo etendis al Ester sian oran sceptron, kaj Ester levigxis kaj starigxis antaux la regxo.
5ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
5Kaj sxi diris:Se al la regxo placxas, kaj se mi trovis favoron antaux li, se la afero sxajnas al li gxusta, kaj se li havas simpation por mi:tiam estu skribate, ke oni revoku la leterojn, kiujn elpensis Haman, filo de Hamedata, la Agagido, kaj kiujn li skribis, por ekstermi la Judojn, kiuj trovigxas en cxiuj landoj de la regxo;
6fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
6cxar kiel mi povus vidi la malfelicxon, kiu trafas mian popolon? kaj kiel mi povus vidi la pereon de miaj samgentanoj?
7Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
7Tiam la regxo Ahxasxverosx diris al la regxino Ester kaj al la Judo Mordehxaj:Jen la domon de Haman mi transdonis al Ester, kaj lin mem oni pendigis sur arbo, pro tio, ke li metis sian manon sur la Judojn;
8ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka
8skribu do pri la Judoj en la nomo de la regxo tion, kio placxas al vi, kaj sigelu per la regxa ringo; cxar leteron, skribitan en la nomo de la regxo kaj sigelitan per la regxa ringo, oni ne povas revoki.
9Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
9Kaj oni vokis la skribistojn de la regxo en tiu tempo, en la tria monato, tio estas en la monato Sivan, en gxia dudek-tria tago; kaj oni skribis cxion tiel, kiel ordonis Mordehxaj, al la Judoj, al la satrapoj, al la regionestroj, kaj al la princoj de la landoj, kiuj estis de Hindujo gxis Etiopujo, cent dudek sep landoj, al cxiu lando laux gxia skribmaniero kaj al cxiu popolo en gxia lingvo, ankaux al la Judoj laux ilia skribmaniero kaj en ilia lingvo.
10Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
10Li skribigis en la nomo de la regxo Ahxasxverosx, kaj sigelis per la regxa ringo, kaj sendis per rajdantaj kurieroj sur bone kurantaj bonrasaj cxevaloj leterojn pri tio,
11ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
11ke la regxo permesas al la Judoj en cxiuj urboj kolektigxi kaj starigxi, por defendi sian vivon, ekstermi, mortigi, kaj pereigi cxiujn fortulojn de la popolo kaj de la lando, kiuj atakos ilin, la infanojn, kaj la virinojn, kaj disrabi ilian havajxon,
12amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
12en la dauxro de unu tago en cxiuj landoj de la regxo Ahxasxverosx, en la dek-tria tago de la dek-dua monato, tio estas de la monato Adar;
13Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
13ke oni donu kopion de cxi tiu ordonletero kiel legxon, proklamotan al cxiuj popoloj, kaj ke la Judoj estu pretaj por tiu tago, por vengxi al siaj malamikoj.
14Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
14La kurieroj, rajdantaj sur bonrasaj cxevaloj, elrajdis tuj kaj rapide kun la ordono de la regxo. La legxo estis donita en la kastelurbo SXusxan.
15Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
15Mordehxaj eliris de la regxo en regxa vesto el blua kaj blanka sxtofo, kun granda ora krono, kaj en mantelo bisina kaj purpura. Kaj la urbo SXusxan gxojkriis kaj estis gaja.
16Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
16CXe la Judoj estis lumo kaj gxojo, gajeco kaj triumfo.
17Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
17Kaj en cxiu lando kaj en cxiu urbo, sur cxiu loko, kien atingis la ordono kaj dekreto de la regxo, estis cxe la Judoj gxojo kaj gajeco, festeno kaj festo. Kaj multaj homoj el la popoloj de la lando farigxis Judoj, cxar falis sur ilin timo antaux la Judoj.