Malagasy

Esperanto

Exodus

12

1[Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
1Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo kaj al Aaron en la lando Egipta, dirante:
2Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
2CXi tiu monato estu por vi komenco de la monatoj; la unua gxi estu por vi inter la monatoj de la jaro.
3Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
3Diru al la tuta komunumo de Izrael:En la deka tago de cxi tiu monato prenu al si sxafidon cxiu patro de familio, po unu sxafido por domo.
4ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
4Kaj se en la domo estas tro malmulte da personoj por tuta sxafido, tiam li prenu kune kun sia najbaro plej proksima al lia domo; laux la nombro de la animoj, laux la kvanto de mangxado de cxiu, ili kalkulu sin por la sxafido.
5Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
5La sxafido estu sendifekta, virseksa, havanta la agxon de unu jaro; el la sxafoj aux el la kaproj vi povas preni.
6ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
6Konservu gxin gxis la dek-kvara tago de cxi tiu monato; kaj la tuta komunumo de Izrael bucxu gxin en la komenco de vespero.
7Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
7Kaj ili prenu iom el la sango, kaj sxmiru sur ambaux fostoj kaj sur la supra sojlo de la domoj, en kiuj ili gxin mangxos.
8Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
8Kaj ili mangxu la viandon en tiu nokto, rostitan sur fajro; kaj macojn kun maldolcxaj herboj ili mangxu.
9Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
9Ne mangxu gxin duonkrudan, nek kuiritan en akvo, sed nur rostitan sur fajro kun gxiaj kapo, kruroj, kaj internajxoj.
10Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
10Ne restigu iom el gxi gxis la mateno; kio restos el gxi gxis la mateno, tion bruligu per fajro.
11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
11Kaj tiele mangxu gxin; via lumbo estu zonita, viaj sxuoj sur viaj piedoj, kaj via bastono en via mano; kaj mangxu gxin rapidante; gxi estas Pasko de la Eternulo.
12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
12Kaj Mi trairos la landon Egiptan en tiu nokto, kaj Mi batos cxiun unuenaskiton en la lando Egipta, de la homoj gxis la brutoj; kaj super cxiuj dioj de Egiptujo Mi faros jugxon, Mi, la Eternulo.
13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
13Kaj la sango cxe vi estos signo sur la domoj, en kiuj vi trovigxas; kiam Mi vidos la sangon, Mi pasos preter vi, kaj ne estos inter vi la eksterma puno, kiam Mi batos la landon Egiptan.
14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
14Kaj tiu tago estu por vi memorajxo; kaj festu gxin kiel feston de la Eternulo en viaj generacioj, kiel legxon por eterne festu gxin.
15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
15Dum sep tagoj mangxu macojn; en la unua tago forigu la fermentajxon el viaj domoj; cxiu kiu mangxos fermentajxon de la unua tago gxis la sepa tago, ties animo estos ekstermita el Izrael.
16Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
16Kaj en la unua tago faru al vi sanktan kunvenon, kaj en la sepa tago faru al vi sanktan kunvenon; nenia laboro estu farata en tiuj tagoj; nur kio estas necesa por mangxi por cxiu, nur tio sola povas esti farata de vi.
17Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
17Kaj observu la ordonon pri la macoj, cxar gxuste en tiu tago Mi elkondukis viajn tacxmentojn el la lando Egipta; kaj observu tiun tagon en viaj generacioj kiel legxon eternan.
18Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
18De post la vespero de la dek-kvara tago de la unua monato mangxu macojn gxis la vespero de la dudek-unua tago de la monato.
19Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
19Dum sep tagoj fermentajxo ne trovigxu en viaj domoj; cxar kiu mangxos fermentajxon, ties animo ekstermigxos el la komunumo de Izrael, cxu li estas fremdulo, aux cxu li estas indigxeno de la lando.
20Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
20Nenion fermentintan mangxu; en cxiuj viaj logxlokoj mangxu macojn.
21Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
21Moseo alvokis cxiujn cxefojn de Izrael, kaj diris al ili:Elektu kaj prenu al vi sxafidojn laux viaj familioj, kaj bucxu la Paskon.
22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
22Kaj prenu faskon da hisopo, kaj trempu gxin en la sango, kiu estos en la pelvo, kaj tusxu la supran sojlon kaj ambaux fostojn per la sango, kiu estos en la pelvo; kaj neniu el vi eliru el la pordo de sia domo gxis la mateno.
23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
23Kaj la Eternulo trairos, por puni la Egiptojn; kiam Li vidos la sangon sur la supra sojlo kaj ambaux fostoj, tiam la Eternulo preterpasos la pordon kaj ne permesos al la ekstermanto veni en viajn domojn por puni.
24Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
24Kaj observu cxi tion kiel legxon por vi kaj por viaj filoj eterne.
25Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
25Kaj kiam vi venos en la landon, kiun la Eternulo donos al vi, kiel Li diris, observu cxi tiun servon.
26Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
26Kaj kiam diros al vi viaj filoj:Kion signifas cxi tiu via servo?
27dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
27tiam diru:GXi estas ofero de Pasko al la Eternulo, kiu preterpasis la domojn de la Izraelidoj en Egiptujo, kiam Li punis la Egiptojn, sed niajn domojn savis. Kaj la popolo klinigxis kaj faris adoron.
28Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
28Kaj la Izraelidoj iris, kaj faris, kiel ordonis la Eternulo al Moseo kaj Aaron; tiel ili faris.
29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
29Kiam venis la noktomezo, la Eternulo batis cxiujn unuenaskitojn en la lando Egipta, de la unuenaskito de Faraono, sidanta sur sia trono, gxis la unuenaskito de malliberulo, sidanta en malliberejo; kaj cxiujn unuenaskitojn el la brutoj.
30Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
30Tiam Faraono levigxis en la nokto, li kaj cxiuj liaj servantoj kaj cxiuj Egiptoj; kaj farigxis granda kriado en Egiptujo; cxar ne estis domo, en kiu ne estis mortinto.
31Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
31Kaj li alvokis Moseon kaj Aaronon en la nokto, kaj diris:Levigxu, foriru el inter mia popolo, vi kaj la Izraelidoj; kaj iru, faru servon al la Eternulo, kiel vi diris.
32Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
32Ankaux viajn sxafojn kaj viajn bovojn prenu, kiel vi diris, kaj iru; kaj benu ankaux min.
33Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
33Kaj la Egiptoj urgxis sur la popolon, por pli rapide elirigi ilin el la lando; cxar ili diris:Ni cxiuj mortos.
34Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
34Kaj la popolo forportis sian paston, antaux ol gxi fermentis; iliaj pastujoj, ligitaj en iliaj vestoj, estis sur iliaj sxultroj.
35Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
35Kaj la Izraelidoj faris, kiel diris Moseo; kaj ili petis de la Egiptoj vazojn argxentajn kaj vazojn orajn kaj vestojn.
36Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
36Kaj la Eternulo favorigis al la popolo la Egiptojn, kaj cxi tiuj pruntedonis al ili; kaj ili multe prenis de la Egiptoj.
37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
37Kaj la Izraelidoj ekiris el Rameses al Sukot, en la nombro de cxirkaux sescent mil piedirantaj viroj, krom la infanoj.
38Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.
38Kaj ankaux granda amaso da diversgentaj homoj eliris kun ili, kaj da sxafoj kaj bovoj tre granda brutaro.
39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
39Kaj el la pasto, kiun ili elportis el Egiptujo, ili bakis macajn platpanojn, cxar gxi ankoraux ne fermentis; cxar ili estis elpelitaj el Egiptujo kaj ne povis prokrasti, kaj ili ecx ne pretigis al si mangxajxon.
40Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
40La dauxro de la tempo, kiun la Izraelidoj logxis en Egiptujo, estis kvarcent tridek jaroj.
41Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
41Kiam finigxis kvarcent tridek jaroj, gxuste en la sama tago, cxiuj tacxmentoj de la Eternulo eliris el la lando Egipta.
42Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
42GXi estas nokto dedicxata al la Eternulo, cxar Li elkondukis ilin el la lando Egipta; gxi estas tiu nokto, kiu estas dedicxata al la Eternulo de cxiuj Izraelidoj en iliaj generacioj.
43Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
43Kaj la Eternulo diris al Moseo kaj Aaron:CXi tio estas la legxo pri la Pasko:neniu fremdulo mangxu gxin.
44Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
44Sed cxiu sklavo, kiun iu acxetis per mono, se vi cirkumcidis lin, tiam li povas mangxi gxin.
45Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
45Paslogxanto kaj dungito ne mangxu gxin.
46Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
46En unu domo gxi estu mangxata; ne elportu el la domo iom el la viando eksteren, kaj oston en gxi ne rompu.
47Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
47La tuta komunumo de Izrael faru gxin.
48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
48Kaj se enlogxigxos cxe vi aligentulo kaj li volos fari Paskon al la Eternulo, tiam cirkumcidu cxe li cxiujn virseksulojn, kaj tiam li povas prepari sin, por fari gxin, kaj li estos kiel indigxeno de la lando; sed neniu ne cirkumcidita mangxu gxin.
49Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
49La sama legxo estu por la indigxeno, kaj por la aligentulo, kiu enlogxigxis inter vi.
50Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
50Kaj cxiuj Izraelidoj faris, kiel ordonis la Eternulo al Moseo kaj al Aaron; tiel ili faris.
51Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
51En tiu sama tago la Eternulo elkondukis la Izraelidojn el la lando Egipta laux iliaj tacxmentoj.