1Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo, dirante:
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
2Diru al la Izraelidoj, ke ili iru returne, kaj starigu sian tendaron antaux Pi-Hahxirot, inter Migdol kaj la maro, apud Baal-Cefon; tie ili starigxu tendare super la maro.
3Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
3Faraono diros pri la Izraelidoj:Ili perdis la vojon en la lando, la dezerto ilin sxlosis.
4Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
4Kaj Mi obstinigos la koron de Faraono, kaj li kuros post ili; kaj Mi glorigxos per Faraono kaj per lia tuta militistaro, kaj la Egiptoj sciigxos, ke Mi estas la Eternulo. Kaj ili faris tiel.
5Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
5Kiam oni diris al la regxo de Egiptujo, ke la popolo forkuris, tiam la koro de Faraono kaj de liaj servantoj turnigxis kontraux la popolon, kaj ili diris:Kion ni faris, forliberiginte la Izraelidojn de servado al ni?
6Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
6Kaj li jungis sian cxaron kaj prenis kun si sian popolon.
7Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
7Kaj li prenis sescent plej bonajn cxarojn kaj cxiujn cxarojn de Egiptujo kaj la cxefojn de la tuta militistaro.
8Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.
8Kaj la Eternulo obstinigis la koron de Faraono, la regxo de Egiptujo, kaj li postkuris la Izraelidojn; sed la Izraelidojn elirigis mano alta.
9Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
9La Egiptoj postkuris ilin, kaj cxiuj cxevaloj kaj cxaroj de Faraono kaj liaj rajdantoj kaj lia militistaro atingis ilin, kiam ili staris tendare super la maro, apud Pi-Hahxirot antaux Baal-Cefon.
10Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.
10Kiam Faraono alproksimigxis, tiam la Izraelidoj levis siajn okulojn, kaj ekvidis, ke jen la Egiptoj iras post ili; kaj ili tre ektimis, kaj la Izraelidoj ekkriis al la Eternulo.
11Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
11Kaj ili diris al Moseo:CXu ne ekzistis tomboj en Egiptujo, ke vi prenis nin, por morti en la dezerto? kion vi faris al ni, elkondukinte nin el Egiptujo?
12Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
12Tion ni diris ja al vi en Egiptujo:Lasu nin, kaj ni servu la Egiptojn; cxar pli bone estus por ni servi la Egiptojn, ol morti en la dezerto.
13Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
13Tiam Moseo diris al la popolo:Ne timu; staru, kaj vidu la savon de la Eternulo, kiun Li faros al vi hodiaux; cxar la Egiptojn, kiujn vi vidas hodiaux, vi eterne neniam plu vidos.
14Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
14La Eternulo militos por vi, kaj vi silentu.
15Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.
15Kaj la Eternulo diris al Moseo:Kion vi krias al Mi? diru al la Izraelidoj, ke ili ekiru.
16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.
16Kaj vi levu vian bastonon kaj etendu vian manon super la maron kaj disfendu gxin, por ke la Izraelidoj iru tra la mezo de la maro sur seka tero.
17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
17Kaj jen, Mi obstinigos la korojn de la Egiptoj, kaj ili iros post vi; kaj Mi glorigxos per Faraono kaj per lia tuta militistaro, per liaj cxaroj kaj liaj rajdantoj.
18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
18Kaj la Egiptoj sciigxos, ke Mi estas la Eternulo, kiam Mi glorigxos per Faraono, per liaj cxaroj kaj liaj rajdantoj.
19Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
19Kaj la Dia angxelo, kiu iradis antaux la tendaro de la Izraelidoj, formovigxis kaj ekiris post ili; kaj la nuba kolono formovigxis de antaux ili kaj starigxis post ili;
20ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
20kaj gxi aperis inter la tendaro de la Egiptoj kaj la tendaro de la Izraelidoj, kaj gxi estis nubo malluma, kaj lumis dum la nokto tiamaniere, ke unuj al la aliaj ne povis alproksimigxi dum la tuta nokto.
21Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
21Kaj Moseo etendis sian manon super la maron; kaj la Eternulo pelis la maron per forta orienta vento dum la tuta nokto kaj faris la maron seka tero; kaj la akvo disfendigxis.
22Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
22Kaj la Izraelidoj ekiris tra la mezo de la maro sur seka tero, kaj la akvo estis por ili muro dekstre kaj maldekstre.
23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
23Kaj la Egiptoj postkuris kaj venis post ili, cxiuj cxevaloj de Faraono, liaj cxaroj kaj liaj rajdantoj, en la mezon de la maro.
24Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.
24Kiam venis la matena gardotempo, la Eternulo ekrigardis la tendaron de la Egiptoj el la fajra kaj nuba kolono, kaj Li tumultigis la tendaron de la Egiptoj.
25Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
25Kaj Li depusxis la radojn de iliaj cxaroj kaj malrapidigis ilian iradon. Tiam la Egiptoj diris:Ni forkuru for de la Izraelidoj, cxar la Eternulo militas por ili kontraux la Egiptoj.
26Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
26Kaj la Eternulo diris al Moseo:Etendu vian manon super la maron, por ke la akvo revenu sur la Egiptojn, sur iliajn cxarojn kaj iliajn rajdantojn.
27Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
27Kaj Moseo etendis sian manon super la maron, kaj la maro revenis en la komenco de la mateno, sur sian lokon, kaj la Egiptoj kuris renkonte al gxi. Kaj la Eternulo jxetis la Egiptojn en la mezon de la maro.
28Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
28Kaj la akvo revenis, kaj kovris la cxarojn kaj la rajdantojn de la tuta militistaro de Faraono, kiu venis post ili en la maron; ne restis el ili ecx unu.
29Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
29Sed la Izraelidoj iris sur seka tero tra la mezo de la maro, kaj la akvo estis por ili muro dekstre kaj maldekstre.
30Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
30Kaj la Eternulo savis en tiu tago la Izraelidojn el la mano de la Egiptoj; kaj la Izraelidoj vidis la Egiptojn mortintaj sur la bordo de la maro.
31Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
31Kaj la Izraelidoj vidis la grandan manon, kiun la Eternulo aperigis sur la Egiptoj, kaj la popolo ektimis la Eternulon kaj ekkredis al la Eternulo kaj al Lia sklavo Moseo.