1[Ny namonjena an'i Mosesy, sy ny nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.
1Kaj iris unu homo el la domo de Levi kaj prenis edzinon Leviidinon.
2Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
2Kaj la virino gravedigxis, kaj naskis filon; kaj sxi vidis, ke li estas bela, kaj sxi kasxis lin dum tri monatoj.
3Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
3Sed sxi ne povis plu kasxi lin, tial sxi prenis por li keston el kanoj kaj cxirkauxsxmiris gxin per asfalto kaj pecxo, kaj metis tien la infanon kaj metis gxin inter la kanojn sur la bordo de la Rivero.
4Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
4Kaj lia fratino starigxis malproksime, por sciigxi, kio farigxos kun li.
5Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
5Kaj la filino de Faraono malsupreniris, por lavi sin en la Rivero, kaj sxiaj servantinoj iradis sur la bordo de la Rivero. SXi ekvidis la keston meze de la kanoj, kaj sxi sendis sian sklavinon, ke sxi gxin prenu.
6Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.
6SXi malfermis, kaj ekvidis la infanon; gxi estis knabeto, kiu ploris. Kaj sxi kompatis lin, kaj diris:GXi estas el la Hebreaj infanoj.
7Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
7Tiam lia fratino diris al la filino de Faraono:CXu mi iru kaj voku al vi virinon nutrantinon el la Hebreinoj, ke sxi nutru por vi la infanon?
8Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.
8Kaj la filino de Faraono diris al sxi:Iru. Kaj la knabino iris kaj vokis la patrinon de la infano.
9Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
9Kaj la filino de Faraono diris al sxi:Prenu cxi tiun infanon kaj nutru gxin por mi, kaj mi pagos al vi. Kaj la virino prenis la infanon kaj nutris gxin.
10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.
10Kiam la infano grandigxis, sxi alportis lin al la filino de Faraono, kaj li farigxis filo por sxi, kaj sxi donis al li la nomon Moseo, dirante:El la akvo mi lin eltiris.
11[Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
11En la tempo, kiam Moseo estis jam granda, li eliris al siaj fratoj kaj vidis iliajn malfacilajn laborojn; kaj li vidis, ke Egipto batas iun Hebreon el liaj fratoj.
12Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.
12Tiam li turnis sin unuflanken kaj aliflanken, kaj vidinte, ke estas neniu, mortigis la Egipton kaj kasxis lin en la sablo.
13Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
13Kaj li eliris en la sekvanta tago, kaj vidis, ke du Hebreoj malpacas. Kaj li diris al la ofendanto:Kial vi batas vian proksimulon?
14Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!
14Kaj tiu diris:Kiu faris vin estro kaj jugxanto super ni? cxu vi intencas mortigi min, kiel vi mortigis la Egipton? Tiam Moseo ektimis, kaj diris:Videble la afero farigxis sciata.
15Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
15Kaj Faraono auxdis pri tiu afero kaj deziris mortigi Moseon. Sed Moseo forkuris de Faraono kaj eklogxis en la lando Midjana, kaj li logxis apud puto.
16Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.
16La pastro Midjana havis sep filinojn. Kaj ili venis kaj cxerpis akvon kaj plenigis la trogojn, por trinkigi la sxafojn de sia patro.
17Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.
17Sed venis la pasxtistoj kaj forpelis ilin. Tiam Moseo levigxis kaj helpis ilin kaj trinkigis iliajn sxafojn.
18Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
18Kiam ili venis al sia patro Reuel, li diris:Kial vi tiel baldaux venis hodiaux?
19Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.
19Kaj ili diris:Iu Egipto savis nin el la manoj de la pasxtistoj, kaj li ecx cxerpis por ni kaj trinkigis la sxafojn.
20Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
20Tiam li diris al siaj filinoj:Kie do li estas? kial vi forlasis tiun homon? voku lin, ke li mangxu panon.
21Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.
21Kaj Moseo konsentis logxi cxe tiu homo; kaj tiu donis sian filinon Cipora al Moseo.
22Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.
22Kaj sxi naskis filon, kaj li donis al li la nomon Gersxom, cxar li diris:Fremdulo mi estis en lando fremda.
23[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
23Post longa tempo mortis la regxo de Egiptujo. Kaj la Izraelidoj gxemis pro la laboroj kaj kriis, kaj ilia kriado pro la laboroj venis supren al Dio.
24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
24Kaj Dio auxdis ilian gxemadon, kaj Dio rememoris Sian interligon kun Abraham, Isaak, kaj Jakob.
25Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.
25Kaj Dio rigardis la Izraelidojn, kaj Dio rememoris ilin.