Malagasy

Esperanto

Exodus

21

1[Lalàna nasain'Andriamanitra hotandreman'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
1Kaj jen estas la jugxoj, kiujn vi proponos al ili:
2Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
2Se vi acxetos sklavon Hebreon, li servu dum ses jaroj; sed en la sepa li eliru libera senpage.
3Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
3Se li venis sola, li eliru sola; se li estas edzigita, tiam lia edzino eliru kune kun li.
4Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
4Se lia sinjoro donis al li edzinon kaj sxi naskis al li filojn aux filinojn, tiam la edzino kaj sxiaj infanoj restu cxe sia sinjoro, kaj li eliru sola.
5Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
5Sed se la sklavo diros:Mi amas mian sinjoron, mian edzinon, kaj miajn infanojn, mi ne volas liberigxi;
6dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
6tiam lia sinjoro alkonduku lin antaux la potenculojn kaj starigu lin apud la pordo aux apud la fosto, kaj lia sinjoro trapiku lian orelon per aleno, kaj li estu lia sklavo por cxiam.
7Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
7Kaj se iu vendos sian filinon kiel sklavinon, sxi ne eliru kiel eliras la sklavoj.
8Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
8Se sxi ne placxas al sia sinjoro, al kiu sxi estis fordonita, tiam li donu al sxi la eblon elacxetigxi; al fremda popolo sxin vendi li ne havas la rajton, cxar li kondutis ne honeste kontraux sxi.
9Ary raha mamofo azy ho vadin'ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
9Se iu transdonos sxin al sia filo, li agu kun sxi laux la rajto de filinoj.
10Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
10Se li prenos por li alian edzinon, tiam nutrajxo, vestoj, kaj edzina vivo ne devas esti rifuzataj al sxi.
11Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
11Kaj se tiujn tri aferojn li ne faros por sxi, tiam sxi eliru senpage, sen elacxeto.
12Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
12Se iu batos homon kaj tiu mortos, li estu mortigita.
13fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.
13Sed se li ne agis malbonintence, nur Dio pusxis tiun sub lian manon, Mi difinas al vi lokon, kien li povas forkuri.
14Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
14Sed se iu intence mortigis sian proksimulon per ruzo, tiam ecx de Mia altaro forprenu lin, ke li mortu.
15Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
15Kiu batas sian patron aux sian patrinon, tiu devas esti mortigita.
16Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
16Kaj se iu sxtelas homon por vendi lin, aux oni trovas tiun en lia mano, li devas esti mortigita.
17Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
17Kiu malbenas sian patron aux sian patrinon, tiu devas esti mortigita.
18Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato, na amin'ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
18Se homoj kverelos, kaj unu batos la alian per sxtono aux per pugno kaj tiu ne mortos, sed devos kusxi en lito:
19raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
19se li levigxos kaj irados ekstere per apogilo, tiam la batinto estu senkulpa; li nur kompensu al li lian malliberigitecon kaj zorgu pri lia kuracado.
20Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin'ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
20Se iu batos sian sklavon aux sian sklavinon per bastono, kaj tiu mortos sub lia mano, tiam oni devas lin puni;
21Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
21sed se tiu restos viva dum unu aux du tagoj, tiam oni ne devas lin puni; cxar tio estas lia mono.
22Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
22Se viroj kverelos kaj frapos gravedan virinon, kaj sxi abortos, sed ne farigxos malfelicxo, tiam oni punu lin per monpuno, kian metos sur lin la edzo de la virino, kaj li pagu gxin laux decido de jugxantoj.
23Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon'ny aina ianao,
23Sed se farigxos malfelicxo, tiam donu animon pro animo,
24maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,
24okulon pro okulo, denton pro dento, manon pro mano, piedon pro piedo,
25may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
25bruldifekton pro bruldifekto, vundon pro vundo, kontuzon pro kontuzo.
26Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevova­viny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
26Kaj se iu batos okulon de sia sklavo aux de sia sklavino kaj difektos gxin, tiam li forliberigu tiun kompense pro la okulo.
27Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
27Kaj se li elbatos denton de sia sklavo aux denton de sia sklavino, li forliberigu tiun kompense pro la dento.
28Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
28Se bovo kornobatos viron aux virinon kaj tiu mortos, tiam oni sxtonmortigu la bovon kaj gxia viando ne estu mangxata, sed la mastro de la bovo restu senkulpa.
29Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
29Sed se la bovo estis kornobatema antauxe kaj oni tion sciigis al gxia mastro kaj li gxin ne gardis kaj gxi mortigis viron aux virinon, tiam la bovon oni sxtonmortigu kaj gxian mastron oni mortigu.
30Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy.
30Se oni metos sur lin elacxeton, tiam li donu pro sia animo tian elacxetan sumon, kia estos metita sur lin.
31Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
31Se filo aux filino estos kornobatita, oni agu kun li en la sama maniero.
32Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon'andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
32Se iun sklavon aux sklavinon kornobatos la bovo, tiam tridek sikloj da mono devas esti pagitaj al ties mastro kaj la bovo devas esti sxtonmortigita.
33Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,
33Se iu malfermos kavon, aux elfosos kavon, kaj ne kovros gxin, kaj falos tien bovo aux azeno,
34dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an'ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
34tiam la mastro de la kavo devas kompensi per mono al gxia mastro, kaj la kadavro apartenu al li.
35Ary raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
35Se la bovo de iu homo kornobatos bovon de lia proksimulo tiel, ke gxi mortos, tiam ili vendu la vivan bovon kaj dividu inter si egalparte la monon pro gxi, kaj ankaux la kadavron ili dividu.
36Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.
36Sed se oni sciis, ke la bovo estis kornobatema antauxe, kaj gxia mastro gxin ne gardis, tiam ili pagu bovon pro la bovo, kaj la kadavro apartenu al li.
37Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.