Malagasy

Esperanto

Genesis

27

1[Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
1Kiam Isaak maljunigxis kaj la vidado de liaj okuloj malakrigxis, li vokis Esavon, sian pli maljunan filon, kaj diris al li: Mia filo! Kaj tiu diris al li: Jen mi estas.
2Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
2Kaj li diris: Jen mi maljunigxis; mi ne scias, kiam mi mortos;
3koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
3prenu do nun viajn armilojn, vian sagujon kaj vian pafarkon, kaj iru sur la kampon kaj cxasu por mi cxasajxon;
4ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
4kaj faru por mi bongustan mangxajxon, kian mi amas, kaj alportu al mi, kaj mi gxin mangxos, por ke mia animo vin benu, antaux ol mi mortos.
5Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
5Sed Rebeka auxdis, kiam Isaak parolis al sia filo Esav. Kaj Esav iris sur la kampon, por cxasi cxasajxon kaj alporti.
6Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
6Kaj Rebeka diris al sia filo Jakob jene: Mi auxdis, ke via patro diris al via frato Esav jene:
7Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
7Alportu al mi cxasajxon kaj faru por mi bongustan mangxajxon, kaj mi mangxos, kaj mi benos vin antaux la Eternulo antaux mia morto.
8Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
8Kaj nun, mia filo, auxskultu mian vocxon, kion mi ordonas al vi:
9Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
9iru al la brutaro kaj alportu al mi de tie du bonajn kapridojn, kaj mi faros el ili bongustan mangxajxon por via patro, kian li amas;
10ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
10kaj vi alportos al via patro, kaj li mangxos, por ke li benu vin antaux sia morto.
11Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
11Kaj Jakob diris al sia patrino Rebeka: Mia frato Esav estas ja homo harkovrita, kaj mi estas homo glata;
12ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
12eble mia patro min palpos, tiam mi estos en liaj okuloj kiel trompanto, kaj mi venigos sur min malbenon, sed ne benon.
13Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
13Kaj lia patrino diris al li: Sur mi estu tiu malbeno, mia filo; nur auxskultu mian vocxon kaj iru, alportu al mi.
14Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
14Kaj li iris kaj prenis kaj alportis al sia patrino, kaj lia patrino faris bongustan mangxajxon, kian amis lia patro.
15Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
15Kaj Rebeka prenis la luksajn vestojn de sia pli maljuna filo Esav, kiujn sxi havis cxe si en la domo, kaj sxi vestis sian pli junan filon Jakob;
16Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
16kaj per la feloj de la kapridoj sxi vestis liajn manojn kaj la glatajxon de lia kolo.
17dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
17Kaj sxi donis la bongustan mangxajxon kaj la panon, kiujn sxi pretigis, en la manon de sia filo Jakob.
18Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
18Kaj li venis al sia patro, kaj diris: Mia patro! Kaj tiu diris: Jen mi estas; kiu vi estas, mia filo?
19Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
19Kaj Jakob diris al sia patro: Mi estas Esav, via unuenaskito; mi faris, kiel vi diris al mi; volu levigxi, sidigxu, kaj mangxu mian cxasajxon, por ke via animo min benu.
20Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
20Kaj Isaak diris al sia filo: Kiamaniere vi tiel rapide trovis, mia filo? Kaj tiu diris: CXar la Eternulo, via Dio, sendis al mi renkonte.
21Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
21Kaj Isaak diris al Jakob: Alproksimigxu, kaj mi vin palpos, mia filo, cxu tio estas vi, mia filo Esav, aux ne.
22Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
22Kaj Jakob alproksimigxis al sia patro Isaak, kaj tiu lin palpis, kaj diris: La vocxo estas vocxo de Jakob, sed la manoj estas manoj de Esav.
23Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
23Kaj li ne rekonis lin, cxar liaj manoj estis kiel la manoj de lia frato Esav, harkovritaj; kaj li benis lin.
24Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
24Kaj li diris: CXu tio estas vi, mia filo Esav? Kaj tiu diris: Mi.
25Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
25Kaj li diris: Alsxovu al mi, kaj mi mangxos la cxasajxon de mia filo, por ke mia animo vin benu. Kaj li alsxovis al li, kaj tiu mangxis; kaj li alportis al li vinon, kaj tiu trinkis.
26Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
26Kaj lia patro Isaak diris al li: Alproksimigxu kaj kisu min, mia filo.
27Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
27Kaj li alproksimigxis kaj kisis lin, kaj tiu flaris la odoron de liaj vestoj, kaj li benis lin, kaj diris: Vidu, la odoro de mia filo Estas kiel la odoro de kampo, kiun la Eternulo benis;
28Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
28Dio donu al vi roson cxielan Kaj grason de la tero Kaj multe da greno kaj mosto.
29Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
29Popoloj vin servu, Kaj gentoj klinigxu antaux vi; Estu sinjoro super viaj fratoj, Kaj klinigxu antaux vi la filoj de via patrino; Viaj malbenantoj estu malbenataj, Kaj viaj benantoj estu benataj.
30Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
30Kaj kiam Isaak finis beni Jakobon kaj apenaux Jakob eliris de antaux sia patro Isaak, lia frato Esav venis de sia cxasado.
31Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
31Kaj ankaux li faris bongustan mangxajxon kaj alportis al sia patro, kaj diris al sia patro: Levigxu, mia patro, kaj mangxu la cxasajxon de via filo, por ke via animo min benu.
32Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
32Kaj lia patro Isaak diris al li: Kiu vi estas? Kaj li diris: Mi estas via unuenaskita filo Esav.
33Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
33Tiam Isaak ektremis per tre granda tremo, kaj diris: Kiu do estas tiu, kiu cxasis cxasajxon kaj alportis al mi, kaj mi mangxis de cxio, antaux ol vi venis, kaj mi benis lin? kaj li restos ja benita!
34Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
34Kiam Esav auxdis la vortojn de sia patro, li ekkriis per tre granda kaj maldolcxa krio, kaj diris al sia patro: Benu ankaux min, ho mia patro!
35Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
35Kaj tiu diris: Via frato venis kun ruzo kaj prenis vian benon.
36Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
36Kaj li diris: GXuste do lia nomo estas Jakob, cxar li submetis al mi la piedon jam du fojojn; mian unuenaskitecon li prenis, kaj jen li nun prenis mian benon! Kaj li diris: CXu vi ne rezervis por mi benon?
37Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
37Kaj Isaak respondis kaj diris al Esav: Jen mi faris lin sinjoro super vi, kaj cxiujn liajn fratojn mi donis al li kiel servantojn, kaj grenon kaj moston mi havigis al li; kion do mi faros por vi, mia filo?
38Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
38Kaj Esav diris al sia patro: CXu gxi estas la sola beno, kiun vi havas? benu ankaux min, ho mia patro! Kaj Esav ekploris per lauxta vocxo.
39Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
39Kaj lia patro Isaak respondis kaj diris al li: Jen la graso de la tero estu en via loko de logxado Kaj la cxiela roso de supre;
40Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
40Kaj per via glavo vi vivos, kaj vian fraton vi servos; Sed kiam vi kontrauxbatalos, Vi dejxetos lian jugon de via kolo.
41[Ny nialan'i Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
41Kaj Esav ekmalamis Jakobon pro la beno, per kiu benis lin lia patro; kaj Esav diris en sia koro: Baldaux venos la tagoj de funebro pro mia patro, tiam mi mortigos mian fraton Jakob.
42Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
42Kaj oni raportis al Rebeka la vortojn de sxia pli maljuna filo Esav; tiam sxi sendis kaj vokis sian pli junan filon Jakob, kaj diris al li: Jen via frato Esav minacas mortigi vin;
43Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.
43tial nun, mia filo, auxskultu mian vocxon; kaj levigxu, forkuru al mia frato Laban en HXaran;
44Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
44kaj logxu cxe li kelkan tempon, gxis kvietigxos la furiozo de via frato;
45eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
45gxis la kolero de via frato deturnigxos de vi, kaj li forgesos, kion vi faris al li. Tiam mi sendos kaj prenos vin de tie. Kial mi perdu vin ambaux en unu tago?
46Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
46Kaj Rebeka diris al Isaak: Tedis al mi la vivo pro la HXetidinoj; se Jakob prenos edzinon el cxi tiuj HXetidinoj, el la filinoj de la lando, tiam por kio mi vivu?