1Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
1Ni iru, ni revenu al la Eternulo; cxar Li dissxiris, sed Li ankaux resanigos nin, Li frapis, kaj Li ankaux bandagxos niajn vundojn.
2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
2Li revivigos nin post du tagoj; en la tria tago Li restarigos nin, kaj ni vivos antaux Li.
3Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
3Kaj ni havos scion, kaj ni penos koni la Eternulon. Li eliros, kiel bela matenrugxo; Li venos al ni, kiel pluvo, kiel printempa pluvo, kiu malsekigas la teron.
4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
4Kion Mi faru al vi, ho Efraim? Kion Mi faru al vi, ho Jehuda? Via pieco estas kiel matena nebulo, kaj kiel roso, kiu frue malaperas.
5Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
5Tial Mi hakas per la profetoj, Mi mortigas ilin per la vortoj el Mia busxo; kaj justeco koncerne vin eliros kiel lumo.
6Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
6CXar Mi deziras bonfaradon, sed ne oferon, kaj konadon de Dio Mi preferas ol bruloferojn.
7Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
7Sed ili rompis la interligon, kiel Adam, kaj ili defalis de Mi.
8Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.
8Gilead estas urbo de malbonaguloj, makulita de sango.
9Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
9Kiel bando da embuskantoj la anaro de la pastroj pereigas tiujn, kiuj iras al SXehxem; abomenindajxon ili faras.
10Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
10En la domo de Izrael Mi vidas terurajxon:tie malcxastas Efraim, malpurigxas Izrael.
11Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
11Sed ankaux Jehuda havos rikolton, kiam Mi revenigos la forkaptitojn de Mia popolo.